• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-1] Miasa amin’ny teny fikasan’andriamanitra ny fanahy masina (Asan’ny Apostoly 1:4-8)

Miasa amin’ny teny fikasan’andriamanitra ny fanahy masina
(Asan’ny Apostoly 1:4-8)
“Ary raha naira-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala an’I Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray, izay efa renareo Tamiko hoy Izy; fa Jaona nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana amin’ny Israely? Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany. Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’I Jodia sy Samaria ary hatramin’ny faran’ny tany.”
 

Moa ve fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Fandraisana ny Fanahy Masina sa azo nohon’ny ezaka ataon’ny olona iray? 
Fanomezana ho olona izay efa nandray famelan-keloka izany, ary misy ny lanjan’ny amin’ny fahatanterahan’ny teny fikasan’Andriamanitra.

Indray mandeha izay aho nahatsapa zavatra nirehitra tato anatiko toy ny hoe Fanahy masina rehefa avy nivavaka aho. Saingy tsy naharitra ela izany afo izany, ary vetivety teo dia maty izany nohon’ny fiandronan’ny fahotana. Na izany aza, ankehitriny dia te haneho aminao ny marina momban’ny Fanahy Masina aho, izay hitoetra ato anatintsika mandrakizay, tsy amin’ny alalan’ny fanahy sandoka izay mora manjavona nohon’ny fahotana, fa amin’ny alalan’ny filazantsara marina. Ny Fanahy Masina izay hasehoko anao izao avy amin’ity hafatra ity dia tsy zavatra ho azonao amin’ny alalan’ny vavaka, fa amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany.
Te hitarika anao aho mba ahafahan’ny  1Fanahy Masina monina ao aminao avy amin’ny alalan’ity boky ity. Ho fantatrao fa aingam-panahy ny Fanahy Masina ity hafatra izay ampitako aminao ity. Tena fanirian’Andriamanitra ho antsika mihintsy ny hahazoan’ny Fanahy Masina monina ao amintsika amin’izao fotoana izao. Afaka mianatra momban’ny fomba honenan’ny Fanahy Masina monina ao aminao ianao ary mandray izany avy amin’ity boky iray ity. Raha toa ka tsy mbola ampy anao ity boky iray ity dia manasa anao aho mba hamaky ireo boky roa efa nampieleziko teo aloha. Dia ho azonao ny finoana tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo boky ireo.
 
  1Ny Fanahy Masina dia monina ao am-pon’ireo efa nateraka indray, izay efa navel any helony rehetra tamin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Raha ao tonga ao amin’ny olo-masina Izy, dia mitoetra ao aminy mandrakizay, ary tsy miala ao raha mbola mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy. Izy no mandresy lahatra ny olo-masina, sy mitarika azy ireo mba hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny baiboly, mampahery azy ireo mba haharesy ny fakam-panahy sy ny zava-tsarotra eto amin’izao tontolo izao, ary mamela azy ireo hitondra ny vokatry ny Fanahy mitobaka. Andriamanitra no manome voninahitra ny vatan’ireo olo-masina ho toy ny tempolin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina monina ao amin’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 2:38-39, Jaona 14:16, 16:8-10, 1 Koritianina 3:16, 6:19, Galatiana 5:22-23)


Maro ireo Kristianina no miezaka mba hahazo ny Fanahy Masina tahaka ny nirotsahany teo amin’ireo mpianatry Jesosy tamin’ny andron’ny pentekosta. Ny olona sasany indray efa nandany vola marobe mba hampamokatra ity paik’ady ity. Ataon’izy ireo fa afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny fiezahan’ny olona ny Fanahy Masina. Maniry ny hanana fahitana, hanao fahagagana, handre ny feon’I Jesosy, hiteny amin’ny teny tsy fantatra, hanasitrana ny marary ary hamoaka demonia izy ireo. Kanefa, mbola manana fahotana ao am-pony izy ireo, ary ao ambanin’ny fanangolen’ny fanahy ratsy (Efesianina 2:1-2). Na ankehitriny aza dia mbola maro ny olona mitohy miaina tsy misy fahalalana fa ao ambanin’ny herin’ny fanahy ratsy izy ireo. Izany no mahatonga an’I satana mandrebireby sy mamitaka ny olona amin’ny fomba rehetra toy ny fahagagana sy famantarana izay nofinofy fotsiny.
Namepetra ireo mpianany Jesosy “mba tsy hiala an’I Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray” (Asan’ny Apostoly 1:4). Ny fandraisana ny Fanahy Masina voambara ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia tsy azo amin’ny alalan’ny “fahatsapana”, “fanoloran-tena” na “vavaka fibebahana,” fa tamin’ny fiandrasana “ny fampanantenan’Andriamanitra” mba hanomezana ny Fanahy Masina ho azy ireo. Ny zavatra tokony hianarantsika avy amin’ity andalan-tsoratra masina ity dia izao ny Fanahy Masina dia tsy azo avy amin’ny vavaka fitalahoan’ny olona. Fa fanomezan’Andriamanitra izany, ary amin’ny alalan’nyfinoana feno ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy irery ihany no ahafahana mahazo izany, ilay nomen’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy ny olombelona. Ny tena fandraisana ny Fanahy Masina dia mitranga amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’I Jesosy Kristy antsika. Nomen’Andriamanitra antsika ny fahamarinan’ny rano sy ny Fanahy mba hahafahantsika mandray ny Fanahy Masina (Jaona 3:3-5). 
Ny fehezanteny “Ny fampanantenan’ny Fanahy Masina” dia mipoitra imbetsaka ao amin’ny testameta vaovao. Manambara ny batisan’ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny pentekosta tao amin’ny toriteniny I Petera (Asan’ny Apostoly 2:38-39), “Fampanantenan’Andriamanitra ny hanome ny Fanahy Masina ho an’ireo izay nandray ny famelan-keloky ny fahotany nohon’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra.”
Ny Fanahy Masina dia fanomezana izay omena ireo izay nandray ny famelan-keloka ny fahotany, ary misy ny lanjan’ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina ao testameta vaovao dia tsy zavatra avy tamin’ny fifanarahan’Andriamanitra sy ny olombelona, fa fanomezana nampanantenan’Andriamanitra. Noho izany, ny Fanahy Masina, toy ilay nambara tao amin’ny asan’ny Apostoly tsy zavatra azo avy amin’ny vavaka (Asan’ny Apostoly 8:19-20).
Ny Fanahy Masina dia tonga eo amin’ireo mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’I Jesosy irery ihany. Nampanantena ny mpianany Jesosy fa haniraka ny Fanahy Masina mba hahafahan’izy ireo manana ny Fanahy Masina. “Fa Jaona nanao Batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy.” (Asan’ny Apostoly 1:5). Ka, niandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ireo mpianany. 
Amin’ny alalan’ny fijrena ny finoan’ireo izay nandray ny Fanahy Masina ao amin’ny baiboly dia hitantsika fa tsy tamin’ny alalan’ny fiezahan’izy ireo no nisehoan’izany fa tamin’ny alalan’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny firotsahan’ny Fanahy Masina tamin’ireo mpianatra tao amin’ny asan’ny Apostoly dia Tsy Tonga tamin’ny alalan’ny asan’olombelona na fiezahana ara-panahy.
Ny fiavian’ny Fanahy Masina teo amin’ny Mpianany, araka ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly, lasa zava-marina tao aorina kelin’ny izay. Arakan’ny nambaran’I Jesosy hoe, “rehefa afaka andro vitsivitsy.” Io no fitahiana voalohany tamin’ny fotoanan’ny fiangonana tany am-piandohana. Rehefa mijery ny soratra Masina, dia afaka hitantsika fa ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy niseho nohon’ny fifadian-kanina, na vavaka na fanaovana sorona ny tena, fa tamin’ny alalan’ny finoana an`i Jesosy. Tao aorinan’ny fiakaran’I Jesosy, dia nahazon’ny famelan-keloky ny fahotana sy ny Fanahy Masina tamin’ny fotoana iray ireo mpino.

 


Tampoka ny niavian’ny Fanahy Masina tamin’ny mpianatry Jesosy!


“Nony tonga ny andro Pentekosta, dia teo amin’ny toerana iray izy rehetra” (Asan’ny Apostoly 2:1). Niangona tamin’ny toerana iray ireo mpianatr’I Jesosy rehefa niandry ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ny amin’ny hanomezana azy ireo ny Fanahy Masina. Ary nohon’ny farany dia tonga teo amin’izy ireo ny Fanahy Masina.
“Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery mifofofofo ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona. Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, arak any nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” (Asan’ny Apostoly 2:2-4).
Tonga tampoka teo amin’izy ireo ny Fanahy Masina “tonga tampoka avy tany an-danitra.” Eto ny teny hoe “tampoka” dia midika fa tsy avy amin’ny sitrapon’olombelona. Fanampin’izany, ny fehezanteny hoe “avy tany an-danitra” dia manazava ny toerana niavian’ny Fanahy Masina, ary manohitra ny hevitra izay milaza fa ny fandraisana ny Fanahy Masina dia avy tamin’ny sitrapo sy ny fiezahan’ny olombelona. Ny fehezanteny “avy tany an-danitra” dia maneho fa ny filazana fa ny Fanahy Masina dia afaka azo amin’ny alalan’ny vavaka dia filazan-diso.
Raha amin’ny teny hafa, ny filazana fa tampoka ny niavian’ny Fanahy Masina avy tany an-danitra dia midika fa ny fahazoana ny Fanahy Masina dia tsy nitranga tamin’ny alalan’ny fahatsapan’ny tany, toy ny fitenenana amin’ny teny tsy fantatra na fanaovana sorona ny tena. Niteny tamin’ny fiteny maro samihafa aloha ny mpianatry Jesosy mba hitorian’izy ireo ny filazantsaran’ny Rano sy ny Fanahy amin’ny firenena rehetra. Ny antony izany dia ny hanomezana alalana azy ireo hitory ny filazantsara amin’ny fitenim-pirenena hafa ny Jiosy amin’ny fitenin’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Noheverin’ireo olona avy tamin’ny firenena hafa ho zavatra tsy nahazatra ny nahenoan’izy ireo ny fitenenan’ireo mpianatra tamin’ny fitenin’izy ireo, satria Galiliana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ireo.
“Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara ary nipetraka tamin’izy rehetra isan’olona. Dia samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” (Asan’ny Apostoly 2:3-4). Eto dia mila jerentsika am-pahamalinana tsara ity fehezanteny ity, ny Fanahy Masina “dia nizarazara sy nipetraka tamin’izy ireo.” Ireo mpianatra, dia niara-niandry ny fiavian’ny Fanahy Masina tamin’ny toerana iray, izay efa nino ny filazantsaran’ny fahaterahana indray amin’ny rano sy ny Fanahy. 
Maro ny kristianina amin’izao andro izao no tsy mahatakatra ity andalan-tsoratra masina ity, amin’ny finoana fa ny fahatongavan’ny Fanahy Masina dia avy toy ny fitsokan’ny rivotra rehefa mivavaka izy ireo. Nefa, ity dia tsy fahatakarana momban’ny Fanahy Masina nohon’ny tsy fahalalana sy ny fahasahiran-kevitra. Moa ve hamoaka izany feo izany ny Fanahy Masina rehefa tonga eo amin’ny olona? Tsia, tsy manao an’izany Izy.
Ny zavatra henon’ireo olona amin’ny sofiny dia feo ataon’i satana rehefa mandevona ny fanahin’ny olona izy. Mamoaka feo izy rehefa miasa amin’ny nofinofy, maka tahaka feo, sy manao fahagagana sandoka amin’ny ezaka hampirobohana ny olona ao anatin’ny fisafotofotoana amin’ny fakany tahaka ho Fanahy Masina. Diso hevitra ny olona ka mihevitra izany ho filatsahan’ny Fanahy Masina. Mieritreritra koa ny olona hoe Tonga amin’ny alalan’ny feon-drivotra “shhh” ny Fanahy Masina. Efa voavilin’i demonia izy ireo. Ny fiavian’ny Fanahy Masina voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly dia amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra irery ihany no azahoana azy.
 


Ny finoan’I Petera (1 Petera 3:21) dia ampy tanteraka ka nahafahany nandray ny Fanahy Masina


Tamin’ny alalan’ny fanavohirana ny zava-nisy tamin’ny andron’ny pentekosta voalohany tao amin’ny Asan’ny Apostoly 2, dia te hanindry mafy ny marina Andriamanitra fa ny Fanahy Masina dia tonga teo amin’izy ireo satria efa ninon y filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy ireo. Saingy ny olona no mihevitra ny “pentekosta” fa rehefa midina avy any an-danitra ny Fanahy Masina dia miaraka amin’ny famantarana mahagaga sy Fitabatabana be.
Izay no mahatonga ny any amin’ny fivoriam-pifohazam-panahy ankehitriny, mino fa ny olona iray dia afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fivavahana tsy misy faranhy, fifadian-kanina, na fametrahan-tanana. Trangan-javatra tahakan’ny olona misy devoly, tsy fahatsiarova-tena, ny fahazoana tsindrimandry mandritry ny andro maromaro, na fihovitrovitana tsy voafehy dia tsy asan’ny Fanahy masina avokoa. 
Ny Fanahy Masina dia zavatra manana saina ary tsy manao tsinontsinona ny maha-olona. Tsy manambany olona Izy satria Izy no Andriamanitra manana faharanitan-tsaina sy fihetseham-po ary sitrapo. Rehefa mino ny tenin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany ny olona vao tonga amin’ny olona Izy (Asan’ny Apostoly 2:38).
Nijoro ho vavolombelona i Petera fa tonga teo amin’ny mpianatra ny Fanahy Masina araka ny faminanian’i Joela mpaminany. Izany dia fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra, izay nilaza fa hilatsaka amin’izay mahazo ny famelan-keloky ny fahotany ny Fanahy Masina. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fitoeran’ny Fanahy Masina dia omena izay mino ny fahamarinana fa Jesosy dia nataon’i Jaona batisa sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana mba hamonjena ny olombelona rehetra amin’ny fahotany. Asehon’ny toritenin’i Petera sy ny faminanian’i Joela fa ilaintsika ny mahafantatra ny antony nanaovana batisa an’i Jesosy sy ny antony tsy maintsy hinoantsika izany. Ny fahafantarana izany fahamarinana izany dia mitarika ny kristiana handray ny Fanahy Masina.
Moa ve mino ny filazantsara mahafinaritra izay ijoroan’i Petera ho vavolombelona ianao? (1 Petera 3:21) Sa mbola manana finoana tsy misy ilana azy sy finoanoam-poana tsy misy ifandraisany amin’ny filazantsara kanto ve ianao? Moa ve ianao miezaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiezahanao manokana na inona na inona drafitr’Andriamanitra? Na dia mino an’Andriamanitra aza ny olona iray ka manao vavaka fibebahana amin’ny fanantenana hanadio ny fahotany, dia tsy misy fomba hafa handraisana ny Fanahy Masina afa-tsy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Mbola miandry mba hitoeran’ny Fanahy Masina ve ianao na dia tsy manana fahalalana momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aza? Fantatrao ve ny tena dikan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana, izay mahatonga ny Fanahy Masina hitoetra ao am-ponao? Tokony ho fantatrao fa ny fitoeran’ny Fanahy Masina dia tsy azo atao raha tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao. Ny fonenan’ny Fanahy Masina marina dia tsy azo omena afa-tsy izay mino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy. Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny nanomezany antsika ny filazantsarany momba ny rano sy ny Fanahy, izay mamela antsika handray ny Fanahy Masina. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA