• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-2] Afaka mividy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiezahany ve ny olona iray? (Asan’ny Apostoly 8:14-24)

Afaka mividy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiezahany ve ny olona iray?
(Asan’ny Apostoly 8:14-24)
“Ary nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin’Andriamanitra, dia naniraka an’i Petera sy Jaona izy hankany aminy. Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany izy ireo. Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka nandray ny Fanahy Masina ireo. Ary Simona, nony nahita fa ny fametrahan’ny Apostoly tànan’ny Apostoly no nanomezana ny Fanahy Masina, dia nanome vola azy izy ka nanao hoe: Omeo ahy koa izany fahefana izany, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. Fa hoy I Petera taminy : Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra! Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra . Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao. Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny fehin-keloka ihany ianao.’ Ary Simona namely ka nanao hoe: ‘mangataha ho ahy amin’ny Jehovah Tompo, mba tsy ho tonga amiko izay nolazainareo.”
 

Afaka mahazo ny Fanahy Masina ve ny olona iray amin’ny fametrahan-tanana?
Tsia. Tsy maintsy mino ny filazantsara ny rano sy ny Fanahy izy aloha.

Mifototra amin’ilay andalan-teny fototra, dia te hampita hafatra momba ny hoe “afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiezahany manokana” ve ny olona iray. Nahazo hery avy amin’Andriamanitra ny Apôstôly tamin’ny fotoan’ny fiangonana voalohany ary nalefany tany amin’ny toerana samihafa. Misy fisehoan-javatra mihoatra ny natoraly maro ao amin’ny Asan’ny Apostoly, ny iray amin’izy ireny dia ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny mpino rehefa nametraka ny tanany teo amin’ny lohany ny Apostoly. Hoy ny Baiboly: “Rehefa nametra-tanana tamin’ireo tsy mbola nandray ny Fanahy Masina, nefa efa nino an’i Jesosy ny Apostoly, dia nandray ny Fanahy Masina izy ireo.”
Dia ahoana no nandraisany ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana? Tamin’izany fotoana izany dia mbola voasoratra ny tenin’Andriamanitra ary tsy mbola tanteraka ny asa, ka nomen’Andriamanitra fahefana manokana ireo Apôstôly mba hanao ny Asany. Niaraka tamin’ny Apôstôly Izy ary nanao famantarana sy fahagagana maro tamin’ny alalan’izy ireo. Fotoana manokana izany, izay nanaovan’Andriamanitra famantarana sy fahagagana izay hitan’ny mason’olombelona mba hinoan’ny olona fa i Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra sy Mpamonjy. Tena nilaina ny nanehoan’Andriamanitra tamin’ny fomba mahery ny asan’ny Fanahy Masina, mba hanaporofoana fa i Jesosy Kristy dia Andriamanitra ary Izy no Zanak’Andriamanitra, Mpamonjy. Raha tsy niasa tamin’ny alalan’ny famantarana sy fahagagana ny Fanahy Masina tamin’ny fotoan’ny fiangonana voalohany, dia tsy nisy olona na iray aza nino fa Jesosy no Mpamonjy.
Na izany aza, tsy ilaina ho antsika anefa ny mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny famantarana sy fahagagana hita maso ankehitriny, satria efa feno tanteraka ny Baiboly. Fa ny Fanahy Masina kosa mitoetra ao anatin’ny finoana ankehitriny. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny fahamarinana. Andriamanitra dia manome ny Fanahy Masina ho an’izay mino ny filazantsaran’ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra. Ireo izay mino ny tenin’Andriamanitra irery ihany no hitoeran’ny Fanahy Masina, satria tanteraka tamin’ny fahatongavan’i Jesosy teto amin’izao tontolo izao sy tamin’ny Batisany sy ny rany izany.
Amin’izao andro izao, dia maro ny mpitandrina no mampianatra ny mpino fa ny fisehoan-javatra hita maso amin’ny fahagagana dia famantarana ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Ary mitarika ny mpino handray ny Fanahy Masina toy izany koa izy ireo. Mamitaka ny olona amin’ny fanomezana fampianaran-diso izy ireo, toy ny hoe ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra dia famantarana ny fiavian’ny Fanahy Masina. Mihevitra ny tenany ho apostoly mpanao famantarana sy fahagagana lehibe ireo pasitera ireo, ary misarika ny sain’ny mpivavaka mafana fo izay te hahatsapa an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihetseham-pony.
Niely manerana an’izao tontolo izao izany fahafanam-po izany, ary maro amin’izy ireo no manaraka ny finoany sy mandray fanahy ratsy amin’ny alalan’ny fomba mahagaga. Na amin’izao fotoana izao aza, ireo olona voataonan’ny fahafanam-po ara-pivavahana dia mihevitra fa afaka mitarika ny hafa handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.
Na dia izany aza, tahaka an’i Simona voafitaka, dia lasa toy ny mpamosavy hita ao amin’ny andalan-teny fototra izy ireo. Mamon’ny fahafaham-pon’ny tena sy ny fitiavam-bola ara-nofo izy ireo, fa ny asany rehetra dia miteraka fihasahiranan-tsaina eo amin’ny olona. Io karazana fampianaran-diso io dia efa nivily niala tamin’ny lalana marina handraisana ny Fanahy Masina eo anatrehan’Andriamanitra.
Na dia amin’izao andro izao aza, dia maro ny mpaminany sandoka manao ny asan’i Satana amin’ny alalan’ny fomba fanaony ara-pivavahana diso, ka mody manao ny asan’ny Fanahy Masina. Tsy maintsy mifikitra amin’ny tenin’Andriamanitra ny tena Kristianina marina, ka ny fahalalana ny amin’izany no hany fomba handraisana ny fonenan’ny Fanahy Masina. Ireo antsoina hoe Pentekotista, izay manome lanja lehibe ny fahatsapana ara-batana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tokony hanary ny finoany tsy mitombina, ka hiverina amin’ny tenin’Andriamanitra ary hino ny fahamarinana, izay tena azo antoka fa hitarika azy ireo ho amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina.
Simona dia mpanao ody nalaza tany Samaria tamin’izany fotoana izany. Rehefa avy nahita ny mpianatr’i Jesosy nitarika ny olona handray ny Fanahy Masina izy, dia nitady hividy ny Fanahy Masina tamin’ny vola. Ny olona nanana finoana toy izany dia ho lasa andevon’i Satana, izay nampiasainy mba hanao ny asany. Te-handray ny Fanahy Masina i Simona fa ny faniriany dia tsy inona fa ny fitiavan-karena. Afaka hitantsika izao fa ity karazam-pinoana ity dia tsy finoana marina handraisana ny Fanahy.
Niezaka nividy ny Fanahy Masina tamin’ny vola i Simona noho ny faniriany feno fitiavan-tena ho an’ny fahefany. Nananatra mafy azy i Petera, mpanompon’Andriamanitra, noho izany antony izany. Na dia voalaza aza fa nino an’i Jesosy i Simona, dia tsy lehilahy nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny famelan-kelony ny fahotana izy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nihevitra izy fa afaka nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fanomezana ny zavatr’izao tontolo izao ho an’Andriamanitra.
Na dia naneho ny fomba fisehoany tety ivelany fa mpino an’i Jesosy aza izy, dia tsy nifandray tamin’ny tenin’i Jesosy marina ny tena eritreriny tao anatiny. Feno fitiavam-bola kosa izy. Petera, izay nahafantatra ny eritreritr’i Simona, dia niteny mafy azy noho ny fiezahany hividy ny Fanahy Masina, izay fanomezan’Andriamanitra, amin’ny vola fotsiny. Nilaza tamin’i Simona izy fa ho faty mbamin’ny volany.
Amin’izao fotoana izao, ny mpaminany sandoka izay azon’ny fanahy ratsy dia mitady hamitaka ny olona amin’ny fandresena lahatra azy ireo hihevitra fa ny famantarana sy ny fahagagana rehetra dia asan’ny Fanahy Masina. Matetika isika no mahita olona midera io karazana hery io ary mivavaka mafy mba hahazo ny Fanahy Masina. Na izany aza, tokony hotsaroan’ny olona iray fa tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny vavaka atao noho ny fitiavam-bolan’izao tontolo izao.
Misy olona karismatika koa ve manodidina anao? Tokony ho mailo amin’ireo karazan’olona ireo ianao. Manatona ny hafa amin’ny finoana feno hafanam-po izy ireo. Milaza izy ireo fa afaka mandroaka demonia ary mahatonga ny olona handray ny Fanahy Masina mihitsy aza amin’ny fametrahan-tanana. Kanefa, tsy manana ny herin’ny Fanahy Masina izy ireo, fa ny herin’ny fanahy ratsy. Ireo izay milaza fa nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia samy mitarika ny tenany sy ny hafa handray fanahy ratsy ihany.
Ny tena fonenan’ny Fanahy Masina marina dia tonga amin’izay mino ny tenin’ny rano sy ny Fanahy (1 Jaona 5:3-7). Na dia voasoratra mazava ao amin’ny Baiboly aza ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, satria maro ny olona manana fahotana ao am-pony, dia miezaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hery sy fahatsapana mihoatra ny natoraly izy ireo toy ny fahitana, fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, ny famohazana angatra ary ny fandroahana ny demonia. Izany no mahatonga ny mpaminany sandoka hamitaka ny olona maro mba hino ny finoanoam-poana kristiana avy amin’ny devoly.
Niteny mafy an’i Simona Petera hoe; “Aoka ho very mbamin’ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra! Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao, satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra. Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao, ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao. Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny fehin-keloka ihany ianao. Zanaky ny demonia ianao.” Tokony hisento amin’ny alahelo tokoa isika amin’izao fotoana izao fa maro ny mpanao asa fanompoana tahaka izany. Olona karismatika ny ankamaroany. Mitaky vola amin’ny andian’ondriny izy ireo. Tokony hanalavitra izany karazana finoana izany isika ary handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy marina (Matio 3:15, 1 Petera 3:21, Jaona 1:29, Jaona 19:21-23).
 


Ny olona karismatika no miasa amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana!


Tokony hanalavitra izany karazana finoana izany isika. Ny olona sasany ankehitriny dia manana finoana tsy mitombina fa afaka handray ny Fanahy Masina izy ireo raha mandray ny fametrahan-tanana avy amin’ireo izay nahazo hery. Mihevitra izy ireo fa satria ny Soratra Masina dia milaza fa maro ny olona nandray ny Fanahy Masina rehefa nandray ny fametrahan-tanana avy tamin’ny Apostoly, dia afaka manao izany koa. Misy koa ireo mpisandoka sasany manana finoana tsy mitombina fa afaka manome ny olona ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Tokony ho hitandrina isika amin’ny fisian’ireo karazan’olona ireo.
Tokony ho tadidiantsika anefa fa tsy mitovy amin’ny an’ny Apôstôly tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany ny finoan’izy ireo. Amin’izao fotoana izao ny fanamby lehibe indrindra amin’ny finoan’ny Kristianina sasany dia ny tsy finoany ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy marina. Milaza izy ireo fa mino an’Andriamanitra, nefa tsy manaja Azy fa mamitaka ny tenany sy ny hafa. Na izany aza, ny mpanota iray dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina na hitaona ny hafa handray izany koa. Raha misy milaza fa nisy Fanahy tonga tamin’ny mpanota iray, dia tsy tena Fanahy Masina io fanahy io; fa ny fanahin’i Satana ihany no mody maka endrika ny Fanahy marina.
Ny Apôstôly tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany dia olona nahafantatra sy nino fa i Jesosy Kristy no Mpamonjy, izay nanaisotra ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany tamin’i Jaona sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Afaka nandray ny Fanahy Masina izy ireo satria nino ny fahamarinan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Nitory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy tamin’ny hafa koa izy ireo, ka nanampy azy ireo handray ny Fanahy Masina.
Amin’izao andro izao anefa, dia maro ny Kristianina no manana finoan-diso be. Moa ve hay atao tokoa ho an’ny mpanota ny handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana avy amin’ny mpanompo mpanota iray hafa ankehitriny? Tena tsy misy dikany izany. Misy ny olona milaza fa na dia manana fahotana ao am-pony aza izy dia efa nandray ny Fanahy Masina. Na dia toa mpiandry ondry tsara aza ny olona iray eo imason’ny mpanara-dia azy, dia tsy afaka manao izay hahazoan’ny olona ny Fanahy Masina izy raha misy fahotana ao am-pony.
Na dia izany aza, maro ny olona manana izany karazana finoana diso izany. Izany no mahatonga ny mpaminany sandoka maro be afaka mitarika ny olona ho any amin’ny helo. Tokony ho fantatrao fa mpaminany sandoka ireo mampianatra izany karazana finoana izany. Ireo dia olona efa azon’ny demonia.
Raha misy fahotana ao am-pony, moa afaka mitoetra ao anatiny ve ny Fanahy Masina? Tsia avy hatrany ny valiny. Dia ho hain’ny olona manana fahotana ao am-pony ve no hahatonga ny hafa handray ny Fanahy Masina hitoetra ao anatiny? Tsia indray ny valiny. Inona ary no mahatonga ny olona karismatika amin’izao fotoana izao hanao famantarana sy fahagagana ao amin’ny Kristianisma, nefa mbola misy fahotana ao am-pony? Ny fanahy ratsy no manao izany. Tsy afaka mitoetra ao anatin’ny mpanota na oviana na oviana ny Fanahy Masina. Ao amin’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany no fonenany. Azo antoka ve fa ny Fanahy Masina izay tonga tao aminao?
Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 3:5: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy.” Araka izany, Ny Fanahy Masina dia tsy azo raha tsy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy marina irery ihany. Ny fahadisoan’ny Kristianina maro ankehitriny dia ny finoana fa afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana avy amin’ny mpanompo feno fahotana ny olona iray. Fahadisoana lehibe izany. Amin’izao fotoana izao dia maro ny kristiana sy ny mpanompo no manana finoana sy faharesen-dahatra fa ny Fanahy Masina dia tonga ao aminy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.
 


Ny fifandraisan’ny famelan-keloka ny fahotana marina sy ny fametrahan-tanana


“Ny fametrahan-tanana” dia midika ho famindran’ny olona iray zavatra ao aminy eo amin’ny zavatra iray. Saino ity zavatra ity: Raha miteny amin’ny mikrô isika, dia mandeha amin’ny alalan’ny tariby mankany amin’ny fanamafisam-peo ny feo ary avy eo dia mivoaka avy ao amin’ny fanamafisam-peo mba ho ren’ny rehetra. Toy izany koa, ao amin’ny Testamenta Taloha, rehefa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota ny mpanota iray, dia nifindra tamin’ny fanatitra noho ny ota ny fahotany ka voavela ny helony. Toy izany koa, ny herin’Andriamanitra dia mifindra amin’ny olona rehefa mametra-tanana aminy ny mpanompony. Tamin’izany fomba izany, ny fametrahan-tanana dia nandray ny dikan’ny hoe “manolotra, mamindra”.
Ny olona karismatika dia tsy mahatonga ny olona hanana ny Fanahy Masina ao anatin’ny fametrahan-tanana, fa mahatonga azy ireo hahazo fanahy ratsy. Tokony ho tsaroanao fa ny olona iray manana herin’ny fanahy ratsy dia mampita ny fanahy amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana koa. Rehefa mametraka ny tanany eo amin’ny lohan’ny hafa ny demoniaka iray, dia mamindra ny demonia ao aminy amin’io olona io koa izy, satria miasa amin’ny alalan’ny mpanota i Satana. Noho izany antony izany dia tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ny tsirairay raha te-handray ny Fanahy Masina. Satana no manapaka izay ao anatin’ny ota, na dia efa mino an’i Jesosy aza izy ireo, raha tsy mahazo ny famelan-keloka.
Raha misy mandray ny fametrahan-tanana avy amin’ny olona azon’ny demonia, dia ho avy aminy koa ny demonia ka hanao fahagagana sandoka izy. Tokony ho fantatsika fa ny demonia dia tonga mitoetra ao amin’ny hafa amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary ny fitoeran’ny Fanahy Masina dia tsy azo atao raha tsy amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Ny fametrahan-tanana dia fomba iray napetrak’Andriamanitra ho fampitana zavatra amin’ny hafa. Fa Satana dia mahatonga olona maro handray fanahy ratsy amin’ny fametrahan-tanana. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia misy olona maro miezaka mividy ny herin’ny Fanahy Masina amin’ny vola dia olana lehibe kokoa.
 


Tsy takatry ny ankamaroan’ny Kristianina ny fahamarinana ny fonenan’ny Fanahy Masina


Rehefa nanontaniana ny fomba ahafahan’izy ireo mandray ny Fanahy Masina dia maro ny olona no mamaly fa azo atao izany tamin’ny alalan’ny vavaky ny fibebahana na ny fifadian-kanina. Tsy marina izany. Moa ve ho avy ao aminao ny Fanahy Masina rehefa mivavaka manokana amin’Andriamanitra ianao? Tsia. Ny Fanahy Masina dia tsy tonga afa-tsy amin’izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Satria Andriamanitra no fahamarinana, dia nametraka ny lalàna momban’ny fomba handraisana ny Fanahy Masina Izy. Afaka mitoetra ao anatin’ny olona manana fahotana ao am-pony ve ny Fanahy Masina? Ny valiny dia azo antoka fa tsia. Tsy afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ny olona iray. Na dia misy olona manatrika fivoriam-pifohazana aza ka mivavaka amin’Andriamanitra amin-kavitrihana mba hahazoany ny herin’ny Fanahy Masina, dia tsy ho eo an-tànany ny Fanahy Masina. Ny mpanota dia mazava ho azy fa tsy afaka mahazo ny Fanahy Masina. Ny mpanota dia afaka mandray ny Fanahy Masina marina ho toy ny fanomezana, saingy rehefa mandray ny famelan-keloka izy ireo amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Na iza na iza no tsy mahalala ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina. Amin’izao fotoana izao ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia miely haingana amin’ny alalan’ny literatiora kristiana, ny fivorian’ny fiangonana, ny Internet, ary na dia ireo boky elektronika manerana an’izao tontolo izao aza. Noho izany, na iza na iza mikatsaka ny filazantsara marina dia afaka mino izany ary mahazo ny Fanahy Masina. Raha mbola tsy nandray ny Fanahy Masina ianao dia tokony ho tonga saina fa mba hahazoana izany dia tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao.
 

Ohatra tsara indrindra amin’ny finoana diso!

Amin’izao fotoana izao rehefa mandinika ny soritr’aretin’ny olona nandray fanahy sandoka isika dia afaka mahita ny tena fisian’ny demonia. Ny “fivoriam-pifohazana ho an’ny Fanahy Masina” dia fiaraha-mivory ireo izay ahitana olona maniry mafy handray ny Fanahy Masina. Ao anatin’ireny fivoriana ireny isika dia mahita olona mitehaka sy manao vavaka fibebahana sady mitomany sy mifady hanina. Ny mpitory teny dia nanome toromarika azy ireo hanao vavaka be amin’ny filazana azy ireo fa tsy hidina amin’izy ireo ny Fanahy Masina raha tsy manao izany izy ireo. Dia niantsoantso ny olona hoe: “Tompo ô!” ary manomboka ny fivavahan’izy ireo be.
Afaka hahazo ny Fanahy Masina amin’izany fomba izany ve ireo mpivavaka mafana fo ireo? Tsia. Mety hahita olona mikiakiaka sy mianjera ianao, ary avy eo mangovitra, rehefa manao tabataba hafahafa any amin’ny fivoriana toy izany. Ny sasany mianjera sy mangovitra amin’ny tany etsy sy eroa, ary hitantsika mikiakiaka izy ireo ary manomboka miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Nisy olona nikiakiaka nandritra ny fivoriana ary feno fihetseham-po ny vahoaka. Ny sasany amin’izy ireo dia manomboka mikorontana, mihozongozona ary miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Lazain’ny olona fa ireo fisehoan-javatra ireo no porofo fa nilatsaka tamin’izy ireo ny Fanahy Masina. Eritrereto anefa hoe inona no mitranga rehefa manao ny asany ny demonia? Izany ve no asan’ny Fanahy Masina? Tena tsy izany.
 

Mamitaka Kristianina maro i Satana

Amin’izao andro izao, dia Kristianina maro no manao ny karazana fiainana ara-pivavahana tian’i Satana. Mamitaka ny olona i Satana amin’ny filazana amin’izy ireo fa tsy maintsy mandray ny fametrahan-tanana avy amin’ny mpanompo manam-pahefana iray izy ireo vao hahazo ny Fanahy Masina. Kristiana maro no mirona hino izany ho fotopampianarana ara-dalàna. Satana koa dia mametraka ilay hevitra ao an-dohan’ny olona fa hahazo ny Fanahy Masina izy ireo raha mivavaka mihoatra be. Niezaka nampitombo avo roa heny sy avo telo heny ny isan’ny olona manana finoana toy izany i Satana.
Noho izany dia maro ny olona no tsy mahafantatra, ary tsy miezaka akory ny hianatra momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Tsy maintsy miady mafy isika mba hialana amin’ireo eritreritra izay ezahan’i Satana apetraka ao an-dohantsika ary mahafantatra sy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny Fanahy Masina dia tsy tonga afa-tsy amin’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany. Tsy maintsy mino an’izany ianao.
 

Ny hevi-diso ataon’ny Kristianina momba ny fandraisana ny Fanahy Masina

Voalohany indrindra, misy tsy fifankahazoan-kevitra lehibe eo amin’ny finoan’ny mpanaraka ny Kristianisma karismatika maro. Miezaka ny handray ny Fanahy Masina miaraka amin’ny fahotana ao am-pony izy ireo. Diso hevitra izy ireo fa na dia manana fahotana ao am-pony aza izy ireo dia ho afaka handray ny fonenan’ny Fanahy Masina. Na izany aza, ny olona iray tsy manana finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia tsy afaka handray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.
Faharoa, voalaza fa ny fieboeboan’ny olona no misakana azy tsy hahazo ny Fanahy Masina. Dia midika ve izany fa afaka mandray ny Fanahy Masina ny olona iray raha tsy mieboebo? Moa ve misy olona eto amin’ity izao tontolo izao ity izay tsy dia miavonavona kely indrindra? Ny olona miavonavona izay tsy mahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra dia izay manampy ny heviny amin’ny tenin’Andriamanitra. Olona maro no miezaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fomba fanaony manokana, tsy miraharaha ny tena filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy marina. Na izany aza, ny Fanahy Masina dia tsy tonga afa-tsy amin’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Fahatelo, voalaza fa tonga ny Fanahy Masina rehefa misy olona miaiky ny fahotany rehetra eo anatrehan’Andriamanitra. Koa ampirisihina izy ireo hiaiky ny fahotany rehefa te handray ny Fanahy Masina. Fa tsy maintsy tsaroanao fa tsy ho afaka hitoetra ny Fanahy Masina rehefa misy olona miaiky ny fahotany fotsiny. Ny ankamaroan’ny kristiana amin’izao fotoana izao dia maniry mafy ny hitoeran’ny Fanahy Masina sy ny fahafenoany kanefa tsy afaka mahazo ny Fanahy Masina izy ireo satria mbola manana fahotana ao am-pony. Hosamborin’ny demonia ny olona manana faniriana maimaika toy izany.
Fahefatra, misy milaza fa azo omena ny Fanahy Masina rehefa miangavy mafy amin’Andriamanitra mba hanome antsika ny fitahiana. Saingy tsy azo atao amin’ny fangatahana izany. Fahadisoan-kevitra fotsiny izany.
Fahadimy, ny sasany dia milaza fa ny Fanahy Masina no mitoetra ao anatin’ny fananana fahefana ara-panahy sasany. Toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra dia heverina ho porofon’ny fipetrahan’ny Fanahy Masina ao anatiny. Fa ny Fanahy Masina dia tsy mitoetra ao am-pon’ny olona iray satria fotsiny hoe afaka mandroaka demonia amin’ny anaran’i Jesosy izy na miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. An’i Satana ny fahotana. Afaka milaza marina tokoa ve ny olona manana fahotana ao am-pony fa nandray ny fonenan’ny Fanahy Masina izy satria nanana hery hafahafa? Indray mandeha indray, fisomparana lalaovin’ny demony izany.
Ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’i Jesosy antsika no hany filazantsara marina afaka mitarika antsika handray ny Fanahy Masina. Raha mbola mihevitra ianao fa afaka handray ny Fanahy Masina sy ny famelan-keloky ny fahotana amin’ny alalan’ny fomba hafa, dia voafitaka lalina ianao. Manantena aho fa hanafaka ny tenanao amin’ny finoana diso ianao fa hanana eritreritra ara-panahy sy finoana tena izy.
Tsy fanasarotan-javatra ny filazana fa amin’izao andro izao dia maro ny Kristianina no azon’ny demonia. Kristiana maro manerana an’izao tontolo izao no tonga eo ambany fahefan’ny demonia satria te handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fivoriam-pifohazana manokana na amin’ny fandraisana ny fametrahan-tanana. Mankany amin’ny olona manokana izy ireo toy ny mpitantana ny trano fivavahana, diakona zokiolona, mpanao fifohazam-panahy, na pasitera izay voalaza fa nahazo ny herin’ny Fanahy Masina. Manatona azy ireo amin’ny fanantenana ny handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Na izany aza, tsy misy olona afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’io karazana finoana io, na dia mafy toy inona aza ny finoany an’i Jesosy. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy misy afa-tsy Andriamanitra ihany no afaka mahatonga olona iray handray ny Fanahy Masina.
Toa an’i Simona, dia maro ny olona ankehitriny no miezaka mividy ny Fanahy Masina. Miezaka handray ny Fanahy Masina izy ireo amin’ny finoana ny fampianaran’izao tontolo izao, fa tsy ny filazantsara. Ny ankamaroan’ny Kristianina maneran-tany dia tafahitsoka ao anatin’izany toe-tsaina izany. Ny Fanahy Masina ihany no tonga amin’ireo izay manana ny fepetra ilaina mba handraisana Azy. Ny hany fomba handraisana ny Fanahy Masina dia ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary izany no hany valin’ny fahamarinana (Asan’ny Apostoly 2:38).
Ny fandraisana ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia fotoana fohy monja no nety tamin’ny fotoan’ny fiangonana voalohany. Taorian’izany dia tonga tamin’ny olona ny Fanahy Masina tamin’izany fotoana izany rehefa nahafantatra sy nino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy ireo. Noho izany, ankoatra ny asan’ny Fanahy Masina izay mitranga amin’ny alalan’ny finoana ny tenin’Andriamanitra, ny zavatra hafa rehetra dia asan’ny demonia. Nilaza Andriamanitra fa mpanompon’i Satana ny demonia, ary i Satana dia niasa tamim-pahakingana mba tsy hahazoan’ny olona ny famelan-keloka na dia mino an’i Jesosy aza. Mandainga amin’ny olona i Satana amin’ny filazana fa homeny ny Fanahy Masina izy ireo raha mino an’i Jesosy sy mandray ny fametrahan-tanana. Manitatra ny faritaniny manerana an’izao tontolo izao i Satana amin’ny alalan’io karazana fitaka io.
Hojerentsika izao ny soritr’ireo voababon’ny demonia. Voalohany, rehefa mandinika ny soritr’aretin’ny fananan’ny demonia amin’ny mpamantatra na mpanasitrana isika, dia hitantsika fa mihovotrovotra izy ireo, mihetsiketsika ary torana mihitsy aza. Avy eo dia mivadika ny lelany ary mivoaka avy amin’ny vavany ny teny hafahafa manohitra ny sitrapony. Miteny amin’ny fiteny hafahafa izy ireo.
Samy tompon’io traikefa io avokoa na ny mpanao ody na ny kristiana izay azon’ny demonia tamin’ny fametrahan-tanana. Rehefa namoaka ny feony ny mpanao fifohazana ny karismatika iray ary nihiaka hoe: “Amin’ny afo, amin’ny afo, amin’ny afo”, dia mientanentana ny fiangonana ka tsy mahafehy tena. Ny olona te handray ny fametrahan-tanana avy aminy no miakatra eny aloha. Mihozongozona tsy voafehy izy ireo ary miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Ireo soritr’aretina ireo dia asan’ny demonia izay mody maka endrika ny asan’ny Fanahy Masina.
Ny olona azon’ny fanahy ratsy, izay azon’ny mpanasitrana sy ny mpamantatra ny hoavy avy amin’ny fivavahana rehetra tamin’ny andro fahiny, dia mampiseho soritr’aretina mitovy amin’ny an’ireo Kristianina azon’ny demonia amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Diso hevitra anefa ny olona, na dia eo aza izany porofo izany. Ireo Kristiana ireo dia tafiditra ao anatin’ny fikorontanan-tsaina lalina satria mihevitra izy ireo fa nandray ny Fanahy Masina rehefa niaina ireo karazana soritr’aretina ireo.
 

Satana dia miasa amin’ny alalan’ny Kristianina tahaka ny mpisikidy

Avelan’i Satana hanao vavaka faminaniana ny olona efa babon’ny demonia. Maminany izy ireo hoe: “Ho mpitarika sarobidy ianao. Ondry an’arivony no hiandry eo anoloanao. Hanofana anao amin’ny ho avy Andriamanitra ary hanao mpitarika sarobidy avy aminao.” Amin’ny hafa dia milaza teny mamitaka toy ny hoe: “Ho tonga mpanompon’Andriamanitra sarobidy ianao. Ho mpanompon’Andriamanitra mendri-kaja tokoa ianao”, mba hampirisihana ny olona hanara-dia azy sy ho mpanompon’ny demonia mandritra ny androm-piainany.
Manao faminaniana momba ny hoavin’ny olon-kafa koa ny mpisikidy. “Tokony hitandrina ny rano ianao amin’ny ho avy.” “Hahazo vola be ianao.” “Hisy lehilahy manan-kaja avy any atsinanana ka hanampy anao.” Ohatra amin’ny zavatra lazainy ireo. Ny soritr’aretina voalohany miseho amin’ny olona efa azon’ny demonia dia ny fanaovana faminaniana sandoka.
Avy eo dia miteny amin’ny fiteny tsy fantatra izay tsy azon’ny tenany akory izy ireo. Mangovitra izy ireo ary mampiseho soritr’aretin’ny fikorontanan’ny maha-olona mihitsy aza. Raha mihaona amin’ny mpanasitrana na mpisikidy ianao, afaka milaza ve ianao fa manana toetra tsara izy ireo? Matetika izy ireo no miresaka amin’ny olona efa be taona kokoa noho izy ireo.
Na izany aza, ny olona tena onenan’ny Fanahy Masina dia nandray Azy tamin’ny alalan’ny finoana ny fahamarinana ara-Baiboly izay milaza fa Jesosy no nanadio ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ireo olona ireo koa dia manampy ny hafa hahafantatra sy hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary manampy azy ireo handray ny famelan-keloka ny fahotana sy ny hitoeran’ny Fanahy Masina. Izy ireo mihitsy no miezaka miaina amin’ny fomba marina, ary ny toetrany dia mahafinaritra sy tena mendrim-pankasitrahana ka mitarika ny hafa ho amin’ny finoana voatahy an’Andriamanitra sy ho amin’ny karazana fiainana izay irian’Andriamanitra. Indraindray Andriamanitra dia mamela azy ireo ho alam-baraka mba hampatahotra azy ireo rehefa mitady hiverina any amin’izao tontolo izao ny sainy.
Ny olo-marina izay nahazo ny famelan-keloka ny fahotana rehetra dia tsy mitovy amin’ny olona izay nopotehin’ny fanahy ratsy ny toetrany. Ny tena maha-olona dia velona indray raha mahazo ny famelan-keloka ny olona ka mandray ny Fanahy Masina hitoetra ao anatiny. Fanampin’izany, ny olo-marina dia manahy mafy ny amin’ny hafa ao anatin’ny toe-java-tsarotra, ny amin’izay tena ilainy amin’ny tenin’Andriamanitra, mivavaka mba hanafahana azy ireo, ary tena manolotra fahafoizan-tena mba hanampiana azy ireo.
Etsy an-danin’izany, dia hitantsika fa potika tanteraka ny maha-olona ireo voababon’ny demonia. I Satana no mifehy azy ireo ary manery azy ireo amin’ny sitrapony satria mihevitra izy ireo fa ny zavatra toy ny fangovitana sy fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Na izany aza, ireo fahatsapana ireo dia azo antoka fa tsy fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina.
Be dia be ny mpanompo izay mirehareha amin’ny heriny toy ny manao faminaniana amin’ny anaran’Andriamanitra, fahaizana manao fahagagana maro sy miteny amin’ny fiteny tsy fantatra. Fa raha mbola misy fahotana ao am-pony, dia ny heriny no porofo manamarina fa efa babon’ny demonia izy ireo. Noho izany, tsy afaka manome ny Fanahy Masina ho an’ny hafa izy ireo, fa ny an’ny demonia ihany no afaka omeny. Ary koa, satria feno fitaka i Satana, dia mora fongana ao anatin’ny fotoana fohy ilay fahagagana nataon’izy ireo.
Misy fahasamihafana mazava eo amin’ny asan’ny Fanahy Masina sy ny asan’ny demonia. Na dia toa tsy manome fahatsapana manokana na fanomezam-pahasoavana manokana aza ny asan’ny Fanahy Masina tany am-piandohana, rehefa mandeha ny fotoana, dia mitombo tsy an-kijanona ao am-pon’ny olo-marina ny herin’Andriamanitra toy ny fiposahan’ny masoandro amin’ny maraina.
 

Kristianina voababon’ny demonia

Nahoana no be dia be ny olona lasa azon’ny demonia na dia miezaka manao izany aza mba handraisany ny Fanahy Masina?
Satria nandray demonia tamin’ny alalan’ny ny fametrahan-tanana avy mpaminany sandoka izy ireo.

Mahatalanjona, fa afaka mahita mpino an’i Jesosy maro izay efa simba ny vatany sy ny fanahiny satria nandray demonia tamin’ny fametrahan-tanana tamin’ny mpaminany sandoka izy ireo. Tsy misy ifandraisany amin’Andriamanitra ireo olona ireo satria tsy miorina amin’ny tenin’ny Baiboly ny finoany. Mampiasa ny heriny izy ireo, nefa tsy fantany fa mahatonga ny olona maro ho mpanompon’i Satana ny fanompoana ataony. Nahoana izy ireo no miasa mafy amin’ny fandaniana ny heriny ao amin’ny maha-kristianina? Satria tsy ho ela dia hanjavona ireo antsoina hoe fahefany raha tsy mampiasa azy ireo. Izany no mahatonga azy ireo ho sahirana be.
Tsy maintsy mivavaka sy manao fahagagana sy famantarana tsy tapaka amin’ny anaran’i Jesosy izy ireo. Ny olona izay milaza hoe: “Nahazo ny fanomezam-pahasoavana hitory ny filazantsara aho,” dia tsy maintsy mitory ny filazantsara hatrany satria raha tsy manao izany izy ireo dia tsy ho ela dia hanjavona ny fahasambarana sandokany. Raha tsy mahatoky amin’ny fanomezan’ny demonia miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, fanasitranana, na faminaniana ireo olona ireo, raha lazaina amin’ny teny hafa, raha tsy mahatoky amin’ny asan’i Satana izy ireo, dia mety hahatonga azy ireo harary tsy misy antony manokana i Satana. Sahala amin’ny mpisikidy na mpanasitrana iray voan’ny aretina mitaiza rehefa manao kitoatoa ny anjara asan’ny fanompoany an’i Satana izy. Izany no antony tsy maintsy hampiasany amin-kafanam-po ny fanomezam-pahasoavana azony avy amin’i Satana sao ilaozany ao anatin’ny fahoriana rehefa avy nandany ny heriny.
Nahafantatra olona iray izay tena mpino an’i Jesosy aho taloha ary toa nanana hery maro avy tamin’Andriamanitra. Namporisika ny olona handray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina izy ary nitarika fivorian’ny fifohazana izay namoahany demonia tamin’ny fametrahan-tanana, ary nanao fahagagana toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy fanasitranana koa. Lasa nampitsiriritra sy najaina izy noho ny asa mahagaga nataony. Mpino an’aliny maro no nanaraka azy. Tsy ela anefa dia nanomboka nanda an’i Jesosy izy ka nilaza hoe: “Famitahana fotsiny i Jesosy Kristy. Tsy Zanak’Andriamanitra Izy.” Nanamavo an’i Jesosy Kristy izy ary nilaza mihitsy aza fa izy mihitsy no Andriamanitra. Novonoiny tao am-pony sy tao am-pon’ny Kristianina maro i Jesosy Kristy tamin’ny farany.
Ny olona toy izany no mandà ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy satria i Satana no mpitarika azy ireo. Lasa manana finoana diso hatrany am-boalohany izy ireo satria manana hevi-diso izy ireo fa manana hery mitovy amin’ny Apôstôly, mahita ny fahaizany, mampiteny ny olona amin’ny fiteny tsy fantatra ary mandroaka demonia amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Manana finoana mafy orina izy ireo fa efa monina ao aminy ny Fanahy Masina.
Mampianatra ny olona momba ny fomba fandraisana ny Fanahy Masina izy ireo, ka mihevitra fa azo atao ny mandray Azy amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana. Saingy, izany fomba fandraisana ny Fanahy Masina izany dia tsy mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra. Na dia eo aza izany, dia lazain’izy ireo fa raha miteny amin’ny fiteny tsy fantatra sy maminany ny mpino an’i Jesosy, dia porofon’ny fiavian’ny Fanahy Masina aminy izany. Satria maro ny olona no tsy mahatakatra marina ny fiavian’ny Fanahy Masina, dia mino izy ireo fa afaka mandray ny Fanahy Masina koa izy ireo amin’ny alalan’ny fianarana sy fanarahana ny fampianaran’ny mpaminany sandoka. Toy izany no nahafahan’i Satana nameno ny Kristiana tamin’ny fanahin’ny demonia sy nanjaka tamin’ireo olona ireo. Ireo fomba rehetra ireo dia fandrik’i Satana.
Olona maro no azon’ny demonia noho ny fampianaran’ny mpaminany sandoka. Ny mpino tsotra dia manao fiainana ara-pivavahana tsy misy dikany, fa ny olona efa azon’ny demonia dia mampiasa ny herin’ny fanahy ratsy ary toa mitondra fiainana ara-pivavahana mafana fo. Inona avy ireo fahaiza-manao asehon’izy ireo? Manana fahaizana manasitrana, miteny amin’ny fiteny tsy fantatra ary mitarika ny hafa ho azon’ny demonia amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Tokony ho fantatsika fa ny fametrahan-tanana dia fomba iray hampita zavatra amin’ny hafa ary ny fanjakan’ny demonia dia efa nitatra be tamin’ny alalan’izany fomba izany.
 

Miasa amin’ny alalan’ny fitsiriritan’ny olombelona ny fanahy ratsy!

Satana dia miasa amin’ny olona toa an’i Simona ao amin’ny andalan-teny fototra. Milaza ireo olona ireo fa afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana izy ireo, ka tsy miraharaha ny finoany ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Amin’izao fotoana izao dia maro ny olona voafitaky ny satana ka miezaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana, fifadian-kanina, fahafoizan-tena na fametrahan-tanana. Azon’ny demonia anefa izy ireo, ka manana fiainana voaozona.
Tokony ho fantatsika tsara fa ny Kristianisma ankehitriny dia manampy ny demonia hanao asa ao amin’ny fanahin’ny tsirairay amin’ny alalan’io fomba antsoina hoe ‘fametrahan-tanana.’ Ireo olona manana toetra mitovy amin’i Simona ireo dia mpaminany sandoka eo anatrehan’Andriamanitra. Na dia ireo mpino an’i Jesosy aza, raha manana fahotana ao am-pony, dia mety ho azon’ny demonia. Mahay manao fahagagana amin’ny alalan’ny asan’ny devoly ireo olona ireo. Mitarika ny olona handray ny fametrahan-tanana avy amin’ny mpanompony i Satana mba hanamora ny fananan’ny demonia azy ireo sy hanorina ny fanjakany manerana an’izao tontolo izao. Amin’izao fotoana izao, ny fiangonan’ny  2fihetsehana Pentekotista-Karismatika dia ekena amin’ny fomba ofisialy ho antokom-pinoana kristianina ofisialy manerana an’izao tontolo izao.
 
 2Nanomboka nalazo ny Kristianisma tandrefana teo anatrehan’ny fanambinana ara-nofo sy ny fanjifàna faobe tamin’ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-20 Tamin’izany fotoana izany, vokatr’izany, dia tsy afa-po ny Kristianina maro izay nitady fomba handehanana akaiky kokoa an’i Jesosy. miaraka amin’ny fahamainan’ireo fiangonany teo aloha. Ny hafa dia nijaly noho ny tsy fahampian’ny fitomboana ara-panahy, na ny tsy fahampian’ny fitomboana ara-panahy, ary ny hafa kosa kivy noho ny tsy fahafahany nandika ny finoany ho amin’ny fitiavana manokana an’i Jesosy.
Nipoitra tao anatin’izany toe-javatra izany ilay antsoina hoe Hetsika Pentekotista-Karismatika. Ireo izay nanaram-po amin’ity hetsika ity dia mitady traikefa sy fanao feno hafanam-po toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra, ny faminaniana, ny fanaovana fahagagana sy ny fahagagana, ny fiderana ny fisehoan-javatra voalohany amin’ny Pentekotista. Tao anatin’ny hafanam-pony, dia nanankina an-tsitrapo ny tenany tamin’ilay antsoina hoe Fanjakan’ny Fanahy Masina izy ireo, nefa raha ny marina, ny ankamaroan’ny fampianarany sy ny fanaony dia tsy mifototra amin’ny Baiboly.
Ao amin’ny tontolo an-dalam-pandrosoana, ity hetsika ity dia nivoatra be tao anatin’ny tontolon’ny filan’izy ireo. Ny mpitarika azy ireo dia nanintona ireo Kristiana maneran-tany an-dalam-pandrosoana tamin’ny fitahian’ny harena sy ny fahasalamana mbamin’ny hafanam-po ara-pivavahana. Ny fivilian-dàlana sasany amin’ny hetsika tahaka ny Neo-Pentekotista aza dia voalaza fa ny hetsika mizara fampianarana mitovy amin’ny Hetsika New Age.

Mifarana tsikelikely ity izao tontolo izao ity. Raha te hateraka indray amin’ny andro farany isika, dia tsy maintsy mahafantatra ny fomba fiasan’ny devoly sy hiatrika tsara amin’ny teti-dratsiny. Tsy maintsy voavonjy amin’ny fahotantsika indray mandeha ihany koa isika ary mandray ny Fanahy Masina ho fanomezana amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Tsy maintsy miverina amin’ny fahamarinana isika miaraka amin’ny fahalalana lavorary ny fomba hidiran’ny Fanahin’Andriamanitra ao amintsika.
Tahaka ny nilazan’Andriamanitra hoe: “Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana.” (Hosea 4:6), ankehitriny dia maro amin’ireo mpitady fahamarinana no ringana rehefa mamitaka azy ireo noho ny tsy fahalalany ny olona karismatika. Milaza ny olona fa na dia any an-tany efitra aza ilay antsoina hoe fiangonana Pentekotista-Karismatika, dia hivory any ny olona. Nahoana no toy izany? Ny olona karismatika dia manitatra ny fiangonany amin’ny alalan’ny fanakorontanana ny hafa amin’ny fahefana sandoka, mitarika azy ireo ho azon’ny demonia amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Anisan’ny talentany manokana ny hoe rehefa misy demonia ny olona amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, dia lasa mafana fo amin’ny fiainana ara-pivavahana.
Ny mampiavaka manokana ny olona karismatika dia ny fanomezana vola be ho an’ny fiangonany ary lasa mpino mafana fo be tsy nahy izy. Na dia ny kristiana maro aza dia mazoto amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ny herin’ny demonia, nefa azo antoka fa ho any amin’ny helo tsy mahatsapa ny alehany. Ireo olona ireo, izay mino fatratra ny herin’ny devoly ho porofon’ny famonjena azy, dia miandrandra ny lanitra tsy misy fisalasalana. Kanefa, manana fahotana ao am-pony izy ireo ary voaheloka ho ringana.
Raha apetraka amin’izy ireo izao fanontaniana manaraka izao: “Manana fahotana ao am-ponao va ianao, na dia mino an’Andriamanitra aza?” dia hamaly tokoa izy ireo fa ara-dalàna ny ao amin’ny fahotana. Mihevitra izy ireo fa tsy azo atao ny tsy hanana fahotana ao am-pony, na dia mino an’i Jesosy aza izy.
Mihevitra ny olona fa mendrika ny hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra izy ireo, na dia manana fahotana aza ao am-pony, satria mahazo fampiononana izy ireo amin’ny finoana an’i Jesosy manana ny porofon’ny hery sandoka.
Fanantenana tsy mitombina re izany! Ny anton’ny mampiorina mafy ny finoany dia ny hoe manana karazana fahaizana mihoatra ny natoraly izy ireo. Efa niaina tamin’ny fitenenana tamin’ny fiteny tsy fantatra izy ireo, nahazo fahitana ary nanasitrana ny marary, ary mihevitra sy mino mafy fa asan’ny Fanahy Masina ireo fahatsapana ireo. Noho izany dia milaza amin’ny tenany izy ireo fa tena nahazo fanavotana sy ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ireo fahatsapana ireo.
Satria tsy lavorary ny fahalalan’ireo olona ireo ny momba ny tenin’ny famonjena, dia tsy manam-pahatokiana ny amin’ny famonjena azy izy ireo raha toa ka tsy miseho amin’izy ireo ny karazana fahaizana hita maso. Noho izany, ireo olona ireo dia miezaka mafy mba hahita fanomezan-toky hita maso momba ny famonjena ary taty aoriana dia lasa ampiasain’i Satana amin’ny asany. Satria ireo olona ireo dia miezaka mitady ny famalian’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana na fahafoizan-tena nohon’ny hoe mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ka fanahy ratsy no azon’izy ireo amin’ny farany fa tsy ny Fanahy Masina.
Miampanga ny olona ny devoly amin’ny fibitsibitsika eo an-tsofiny hoe: “Efa nanota ianao, sa tsy izany?” ary mitarika azy ireo ho lavo amin’ny fanamelohan-tena. Misy olona fantatro izay efa nahazo ny famelan-keloka sy ny Fanahy Masina ankehitriny. Izany no nitranga taminy talohan’ny nahaterahany indray, fony izy mpino nafana fo foana an’i Jesosy. Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra mihitsy io olona io ary nanao fahagagana maro. Na dia nitomany sy nanao vavaka fibebahana nandritra ny alina aza izy, na dia teo aza ny finoany an’i Jesosy, dia mbola nampijaly azy hatrany ny fahotana tao am-pony. Teo no nanomboka ny bitsiky ny satana. “Efa nanota ianao, koa aleo maty toy izay velona.” Matetika i Satana no nanatona azy ary niampanga azy, nampijaly azy sy nampahatsiahy azy ny fahotany. Nitarika azy ho amin’ny fanamelohana ny tenany sy ny fitsarana ny tenany i Satana. Ny hany azony natao anefa dia ny niaiky ny fahotana tao am-pony. Tsy afaka nanafaka ny tenany tamin’ny fiampangan’i Satana izy nandra-pahatonga azy naheno sy nino ny filazantsara mahafinaritra.
Tokony ho fantatrao fa ireo izay tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia lasa rembin’ny devoly. Mihevitra ve ianao fa hanana hery handàvana ny devoly ve ny olona mbola tsy nahazo ny famelan-keloka ny fahotany rehetra? Na iza na iza tsy mifikitra amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy marina dia hobaboan’i Satana sy hampijalin’i Satana. Tena ilaina tokoa ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy mba handroahana an’i Satana. Koa izay rehetra mino an’i Jesosy dia tokony hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary hitory izany amin’ny olona rehetra amin’izao tontolo izao koa. Izay mandre izany dia tokony hankatò sy hino izany.
 

Efa hita sahady fa miasa ny misterin’ny fandikan-dalàna eto amin’izao tontolo izao!

Feno ny asan’ny demonia izao tontolo izao. Raha te-hitory ny filazantsara izay mitarika ny olona handray ny Fanahy Masina isika, dia tsy maintsy esorina ny tsy fifankahazoana lalina momba ny fandraisana ny Fanahy Masina.
Voalohany indrindra dia tokony hazavaintsika fa lainga ny hoe avy amin’ny fametrahan-tanana no ahazoana ny Fanahy Masina. Tokony hijoro ho vavolombelona mazava tsara isika fa ireo fahatsapana toy ny “fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra rehefa avy nandray ny fametrahan-tanana, ny fahatsapana zavatra mafana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fifadian-kanina ary ny fihainoana hafatra mivantana avy amin’i Jesosy” dia asan’ny devoly. Amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ihany no ahafahan’ny olona manafaka amin’ny fitaky ny devoly. Amin’ny alalan’ny finoana ihany no ahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahotantsika amin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Tsy maintsy mandresy ny devoly, “rain’ny lainga,” miaraka amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika. Nofatoran’i Satana tamin’ny fatoran’ny fanamelohana ny tenany ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao, ka tokony haverintsika amin’ny fahamarinana ireo olona ireo amin’ny fampahafantarana azy ireo fa ny fahatsapany sy ny fihetseham-pony dia fitaka ataon’i Satana.
Amin’izao andro izao, ny olona toa an’i Simona Samaritana, izay nanandrana nividy ny Fanahy Masina tamin’ny vola, dia manompo ny fiangonana. Izy ireo no jamba mitarika ny jamba. Tsy afaka mampiseho amin’ny olona ny lalana mankany amin’ny famonjena tanteraka izy ireo satria tsy mahafantatra ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary manana fahotana ao am-pony. Noho izany dia mahatonga an’i Satana hitoetra ao am-pon’ny mpanara-dia azy izy ireo amin’ny fanaovana fotoam-bavaka mandritra ny alina, amin’ny fiantsoana ny fivavahan’ny fibebahana sy amin’ny fampiasana ny fametrahan-tanana. Ireo olona ireo raha ny marina dia azon’ny devoly, ary raha tiantsika ny hiverenan’izy ireo amin’ny tenin’Andriamanitra, dia tsy maintsy mandrava ny asan’i Satana isika amin’ny fanomezana azy ireo fahalalana tonga lafatra momba ny rano sy ny Fanahy. Raha tsy mahafantatra ny paikadin’i Satana ny olona, dia tsy hanana safidy hafa afa-tsy ny hijaly ao anatin’ny fandrika tsy hisy mpanampy.
Araka ny nolazaiko teo, ny fanaovana fahagagana toy ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy ny famoahana faminaniana rehefa avy nandray ny fametrahan-tanana dia asan’ny devoly avokoa. Amin’ny teny hafa, ny herin’ny olona karismatika dia miseho amin’ny alalan’ny asan’ny devoly. Tokony hampianatra azy ireo isika. “Ny devoly no miasa ao anatinao raha mbola misy fahotana ao am-ponao. Raha heverinao fa mitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina, na dia manana fahotana aza ao am-ponao aza ianao, dia efa voafitaka ianao.”
Ny finoan’ny Apôstôly sy ny an’ny olona izay nandray ny fametrahan-tanana ao amin’ny andalan-tsoratra fototra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 dia napetraka tao amin’ny sokajy iray ihany, satria samy nahafantatra momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy nataon’i Jesoa Kristy izy ireo. Saingy hafa tanteraka ny finoan’ny Apôstôly raha oharina amin’ny an’ny ankamaroan’ny Kristianina ankehitriny izay mino fa ny fametrahan-tanana fotsiny no hahatonga azy ireo handray ny Fanahy Masina.
Moa ve ny olona iray mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ny olona iray izay nahazo ny famelan-keloka? Tsia. Milaza ny Baiboly fa ny Fanahin’Andriamanitra dia nanenika ny rano (Genesisy 1:2). Midika izany fa raha te hahazo ny famelan-keloka sy ny Fanahy Masina ny olona iray, dia tsy maintsy mihaino sy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy. Andriamanitra dia naniraka ny Fanahy Masina ho fanomezana ho an’ny Kristiana efa nateraka indray izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Tokony hotadidintsika fa ho toy ny fanoherana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, izay nokasain’Andriamanitra hamonjena antsika amin’ny fahotantsika izany, raha mampianatra ny olona hikatsaka ny fametrahan-tanana mba handraisana ny Fanahy Masina isika. Ny fiheverana fa afaka manome ny hafa ny Fanahy Masina ny olona iray dia toy ny mihantsy an’Andriamanitra, ary ny olona manana finoana toy izany dia ho tafalatsaka ao anatin’ny fandrik’i Satana. Tsy tokony havela hitranga mihitsy izany.
Ho voavela ny helotsika rehetra rehefa mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika, ary ny Fanahy Masina dia manambara izany. Izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia tsy manana fahotana intsony ao am-pony. Izany dia tsy noho izy tsy nanota, fa noho izy mino ny herin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia manambara fa tsy manana fahotana ao am-pony izy, ary ny Fanahy Masina koa dia mijoro ho vavolombelona momba izany. Tsy afaka miantso an’i Jesosy ho Mpamonjy ny olona raha tsy manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny.
Ny olona voababon’ny demonia dia tsy mahalala ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary tsy manao izany ho foto-dresaka mihitsy aza. Tsy fantany akory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary ankoatra izany dia tsy hainy ny manavaka ny fahamarinana. Milaza izy ireo fa rehefa mametra-tanana sy ametrahan’olona tanana irery ihany no hahatongavan’ny Fanahy Masina. Na izany aza, tsy tonga amin’ny fametrahan-tanana mihitsy ny Fanahy Masina. Tokony ho tsapanao fa ny asan’ny devoly ankehitriny dia mampihatra hery lehibe eo amin’ny olona ao amin’ny fiangonana manerana an’izao tontolo izao miaraka amin’ny fampianaran-disony. Noho izany antony izany dia tena ilaina ny mandray ny Fanahy Masina marina amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA