(Asan’ny Apostoly 19:1-3)
“Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny faritany ambony kosa I Paoly ka tonga tany Efesosy. Ary nahita ny mpianatra sasany teo izy, dia nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Dia hoy ireo taminy: Tsy mbola renay akory ny amin’izany Fanahy Masina izany; ary hoy Paoly: ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo?’ Dia hoy ireo: ‘Ho amin’ny batisan’i Jaona.”
Nahoana ny Baiboly no milaza hoe: “Avy amin’ny ny andron’i Jaona Mpanao Batisa mandraka ankehitriny ny Fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka an-keriny?
Satria afaka mahazo ny Fanjakana ny lanitra ny olona amin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra izay milaza fa nofafan’i Jesosy ny fahotana rehetra izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny batisany tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Filazantsara inona no notorin’i Paoly? Nitory ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany izy. Hoy ny Asan’ny Apostoly 19:1-2: “Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nandeha nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy. Ary nahita mpianatra sasany Izy, dia nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo?” Na izany aza, ireo olona ireo dia nino an’i Jesosy nefa tsy niala tamin’ny lanjan’ny batisan’i Jesosy. Tsy fantatr’izy ireo ny filazantsara mahafinaritra izay mitondra any amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Izany no nahatonga ny fanontanian’i Paoly hoe: “Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo?” fanontaniana tsy nahazatra ny mpianatra sasany tany Efesosy izany. Mety ho nanontany azy ireo ny sasany hoe: “Nino an’i Jesosy ve ianareo?” Tamin’ny fomba miavaka anefa no nametrahan’I Paoly fanontaniana mba hahafahan’izy ireo mandray ny Fanahy Masina amin’ny fanavaozana ny finoany ny filazantsara mahafinaritra. Ny asa fanompoan’i Paoly dia ny fitoriana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Paoly, Petera ary Jaona koa dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona Mpanao Batisa.
Andeha hojerentsika ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny apôstôly momba ny filazantsaran’ny batisa. I Paoly voalohany dia nanambara hoe: “Tsy izany tokoa! Hataon’ny olona efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany? Sa tsy fantatrareo fa na iza na iza isika no natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany?” (Romana 6:2-3) ary “Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy.” (Galatiana 3:27).
Ny apostoly Petera koa dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy ao amin’ny 1 Petera 3:21-22, manao hoe: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa (tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo, fa fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra), tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, Izay niakatra ho any an-danitra ka mitoetra eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra, dia efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.”
Nijoro ho vavolombelona momba io filazantsara mahafinaritra io koa i Jaona Apôstôly ao amin’ny 1 Jaona 5:5–8. “Iza moa no maharesy izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra? Izy Ilay avy tamin’ny rano sy ny rà ─ dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo izay manambara any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny ary ny Fanahy Masina; ary iray ihany ireo telo ireo. Ary misy telo izay manambara etỳ an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo.”
Nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny fanatanterahana ny filazantsara mahafinaritra i Jaona Mpanao Batisa. Izao no lazain’ny Baiboly momba an’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Malakia 3:1-3 sy Matio 11:10-11. I Jaona Mpanao Batisa no solontenan’ny olombelona ary izy no ilay Elia nambara fa ho avy, araka ny voasoratra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny fanatitra noho ny ota dia novonoina mba handatsahana ny rany rehefa avy nandray ny fahotan’ny olona tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Ao amin’ny Testamenta Vaovao anefa dia Jesosy no fanatitra noho ny ota izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba handoavana ny tambin’ny ota. Jesosy dia namonjy ny olombelona satria i Jaona Mpanao Batisa no namindra ny fahotan’izao tontolo izao Taminy tamin’ny alalan’ny batisa tao amin’ny Onin’ny Jordana.
Asa lehibe roa no nomanin’Andriamanitra mba hamonjena ny olombelona amin’ny fahotany ary notanterahiny avokoa izany rehetra izany. Ny voalohany dia ny nahatongavan’i Jesosy teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny vatan’i Maria virjiny, ary ny nanaovana Azy batisa sy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny faharoa dia ny nahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa tamin’ny alalan’i Elizabeta. Nataon’Andriamanitra hitranga ireo fisehoan-javatra roa ireo mba hamonjena ny olombelona amin’ny fahotany. Izany no asa nomanin’Andriamanitra tao amin’ny Trinite. Naniraka an’i Jaona Mpanao Batisa teto amin’izao tontolo izao Andriamanitra enim-bolana talohan’i Jesosy, avy eo dia naniraka an’i Jesosy Kristy, Mpamonjy ny olombelona, ho eto amin’izao tontolo izao mba hanafaka ny olombelona amin’ny fitsarana noho ny fahotany.
Nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesosy ao amin’ny Matio 11:9. “Hijery inona anefa no nivoahanareo? Mpaminany? Eny, lazaiko aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany.” Fanampin’izany, rehefa nahita Azy i Jaona Mpanao Batisa, izay namindra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’i Jesosy nony ampitso, dia nijoro ho vavolombelona izy nanao hoe: “Indro! ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jaona 1:29).
Misy fitantarana maro momba an’i Jaona, izay nanao batisa an’i Jesosy, ao amin’ny Baiboly, ary tokony hiezaka hahazo fahalalana bebe kokoa momba azy isika. I Jaona Mpanao Batisa dia tonga teto amin’izao tontolo izao talohan’i Jesosy. Ny anjara asany dia ny fanatanterahana ny filazantsara mahafinaritra, izay drafitr’ Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa noraisin’i Jesosy avy tamin’i Jaona ny fahotan’izao tontolo izao ary nafindran’i Jaona teo Aminy izany mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra.
Antsointsika hoe Jaona Mpanao Batisa izy satria izy no nanao batisa an’i Jesosy. Inona no tena dikan’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona? Ny teny hoe “batisa” dia midika hoe “manasa”. Koa satria nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny Batisany ny fahotan’izao tontolo izao, dia efa voasasa izany. Ny batisan’i Jesosy dia nanana dikany mitovy amin’ny “fametrahan-tanana” izay noraisin’ny fanatitra noho ny ota tao amin’ny Testamenta Taloha. Ny dikany ara-panahy amin’ny batisa dia “mamindra amin’ny”, “manasa” na “mandevina”. Ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona dia asa fanavotana hanalana ny fahotan’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao.
Ny batisan’i Jesosy dia manana dikany mitovy amin’ny fametrahan-tanana, izay fomba nampitana ny fahotana amin’ny fanatitra noho ny ota ao amin’ny Testamenta Taloha. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia namindra ny fahotany isan-taona tamin’ny fanatitra noho ny ota tamin’ny Andro Fanavotana tamin’ny alalan’ny fametrahan-tànan’ny mpisoronabe ny Zanak’Isiraely. Io sorona ao amin’ny Testamenta Taloha io dia nanana anjara asa mitovy amin’ny batisan’i Jesosy sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Notendren’Andriamanitra ho fotoana hanalana ny fahotan’ny Isiraelita ny Andro Fanavotana. Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafito, ny mpisoronabe dia namindra ny fahotana rehetra nandritry ny taona teo amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota tamin’ny alalan’ny fametrahana ny tanany teo amin’ny sorona mba hanonerana ny fahotan’ny olona. Izany no rafitra fanaovana sorona izay napetrak’Andriamanitra. Izany no hany fomba namindrana ny fahotan’ ny olona ho amin’ ny fanatitra noho ny ota, ary ny famindrana ny fahotana amin’ ny fametrahan-tanana no lalàna mandrakizay izay naorin’ Andriamanitra.
Dia hapetrak’I Arona amin’ny lohan’ny osilahy velona ny tanany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra noho ny fahotany rehetra, dia hametraka izany eo amin’ny lohan’ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ny lehilahy voatendry ho any an-efitra. Ary ho entin’ny osilahy ho any an’efitra ny helok’izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.” (Levitikosy 16:21-22).
Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny mpanota iray dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota ary nafindrany teo amin’izany ny fahotany mba hahazoany famela-keloka. Ary tamin’ny Andro Fanavotana, dia I Arona mpisoronabe, izay solontenan’ny Isiraelita rehetra, no nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny fanatitra mba hamindra ny fahotan’ny Isiraely. Avy eo dia novonoina ny fanatitra rehefa avy nandray ny fahotan’izy ireo.
Misy dikany ara-panahy mitovy amin’ny batisa (Baptisma -βάπτισμα- amin’ny teny grika midika hoe “manasa, mandevina, mamindra”) izay noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona tao amin’ny Testamenta Vaovao. Tahaka ny nametrahan’ny mpisoronabe ny tanany teo amin’ny fanatitra noho ny ota mba hamindrana ny fahotan’ny vahoakan’Isiraely, dia toy izany koa no namindrana ny fahotan’ny olombelona rehetra tamin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Batisany izay nataon’i Jaona Mpanao Batisa. Jesosy dia maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hanonerana ny fahotantsika. Izany no filazantsaran’ny fahamarinana kanto.
Tahaka an’i Arôna mpisoronabe nanolotra ny sorona ho sorompanavotana ho solon’ny vahoakan’i Israely, i Jaona Mpanao Batisa, anisan’iray tamin’ny taranak’i Arona, dia nanao ny andraikitra amin’ny maha-solontenan’ny olombelona azy amin’ny fanaovana batisa an’i Jesosy, ary amin’izany no namindrana ny fahotan’ny olombelona rehetra ny olombelona teo Aminy. Nofaritan’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly ny drafitra mahagagan’ny fitiavany toy izao ao amin’ny Salamo 50:4-5, manao hoe: “Miantso ny lanitra any ambony sy ny tany Izy, mba hitsara ny olony;, dia ireo izay nanao fanekena tamiko tamin’ny fanatitra”. Amena, Haleloia.
Ny tantaram-piangonana dia nilaza fa tsy nisy Noely nandritra ny taonjato roa voalohany tao amin’ny fiangonana voalohany. Ny Kristianina voalohany niaraka tamin’ny Apôstôlin’i Jesosy dia tsy nankalaza afa-tsy ny 6 Janoary ho “andron’ny batisan’i Jesosy” tao Jordana nataon’i Jaona Mpanao Batisa. Nahoana izy ireo no nanome lanja lehibe ny batisan’i Jesosy tao amin’ny finoany? Ny valiny dia io no tena fanalahidin’ny Kristianisma amin’ny fomba amam-panao Apostolika. Fa manantena aho fa tsy hafangaronareo ny batisan’ny ranon’ny mpino sy ny batisan’i Jesosy.
Ny batisan’ny mpino izay misy ankehitriny dia manana heviny hafa tanteraka amin’ny batisa noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona. Noho izany dia tokony hanana finoana mitovy amin’ny mpianatr’i Jesosy isika rehetra raha te-handray ny Fanahy Masina. Tokony handray ny Fanahy Masina isika rehetra amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy Kristy, izay noraisiny tamin’i Jaona, sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana
Raha noheverin’ny fiangonana tany am-boalohany ho fombafomba tena manan-danja tokoa ny batisa, dia noho ny finoan’izy ireo niavaka tamin’ny batisan’i Jesosy izany, ary tokony hoheverintsika ho singa tena ilaina amin’ny famonjena antsika amin’izao andro izao koa ny batisan’i Jesosy izay nataon’i Jaona. Ankoatra izany, dia tsy maintsy mahatratra sy mitazona ny finoana marina momba ny fahalalana tonga lafatra isika, izay milaza fa tsy maintsy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy noho ny Batisany nataon’i Jaona. Tokony hotsaroantsika fa manomboka mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina rehefa mino isika fa Jesosy dia natao batisa, sy maty teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty mba ho Mpamonjy antsika. Ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia manana heviny manokana ao amin’ny filazantsara mahafinaritra.
Ny fomba mahomby ho antsika mba handraisantsika ny Fanahy Masina dia ny finoana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Ny batisan’i Jesosy no nanadio indray mandeha ny fahotan’ny olombelona rehetra. Ny batisan’ny fanavotana no mitarika antsika handray ny Fanahy Masina. Koa satria tsy tsapan’ny olona sasany ny herin’ny batisan’i Jesosy, dia amin’ny fombafomba fotsiny no ahatakarany izany.
Ny batisan’i Jesosy dia anisan’ny filazantsara mahafinaritra, izay milaza ny nanesorany ny fahotan’izao tontolo izao sy ny nanekeny ny fitsarana ho azy ireo tamin’ny nandatsahany rà teo amin’ny Hazo fijaliana. Na iza na iza mino ny tenin’ity filazantsara mahafinaritra ity dia ho lasa mpikamban’ny fiangonana, izay fananan’ny Tompo, ary mahazo ny fitahian’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’izay efa voavela ny helony.
Tamin’ny alalan’ny Batisany, dia tonga “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” i Jesosy (Jaona 1:29). Ao amin’ny Jaona 1:6-7 dia milaza: “Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. Izany Lehilahy izany dia tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra amin’ny alalany”. Mba hinoana an’i Jesosy ho Mpamonjy antsika, izay nanaisotra ny fahotantsika rehetra, dia tsy maintsy takatsika ny asa fanompoan’i Jaona sy ny fijoroana ho vavolombelona araka ny voasoratra ao amin’ny Baiboly. Amin’izay dia ho afaka hino an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika isika. Mba handraisana ny Fanahy Masina, dia mila ny finoantsika miorina mafy amin’ny fijoroany ho vavolombelona koa isika. Noho izany, mba hamenoana ny filazantsaran’ny fahamarinana kanto dia tsy maintsy mino ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana isika.
Ao amin’ny Matio 11:12 dia voasoratra hoe: “Ary hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.” Ity andalan-teny ity dia fantatra ho iray amin’ireo andalan-teny sarotra indrindra ao amin’ny Baiboly. Na izany aza, dia tsy maintsy mitandrina ny teny hoe “tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa” isika. Azo antoka fa manambara fa ny asa fanompoan’i Jaona dia mifandray mivantana amin’ny asa fanompoan’i Jesosy ho an’ny famonjena antsika.
Tian’i Jesosy hiditra ao amin’ilay Fanjakana amin’ny finoana feno fahasahiana isika, sahy toy ny lehilahy mahery setra. Manota isan’andro isika, malemy, kanefa Izy dia mamela antsika hiditra ao amin’ny Fanjakany amin’ny finoana feno fahasahiana na inona na inona faharatsiantsika. Koa io andalan-teny io dia midika fa ny olona dia afaka mahazo ny fanjakan’ny lanitra amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra izay milaza fa Jesosy no namafa ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazofijaliana. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia midika izany fa afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny finoana feno fahasahiana ao amin’ity filazantsara kanto momba ny batisa sy ny ran’i Jesosy ity ny lanitra.
Ny batisan’i Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika rehetra, ary ny finoantsika izany no antoka fa hahazo ny Fanahy Masina isika. Tsy maintsy mitory ity filazantsara ity amin’ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny havana, ny olom-pantatsika, ary ny olon-drehetra eto amin’izao tontolo izao isika. Tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritra izay milaza fa nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny Batisany ny fahotan’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’ny finoantsika no hahazoantsika ny fitahian’ny fanavotana sy ny Fanahy Masina.
Ny batisan’i Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika rehetra, ary ny rany no fitsarana ny fahotana. Tsy maintsy manazava amin’ny tsy mpino ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy isika. Amin’ny fanaovana izany ihany no hinoan’izy ireo ny filazantsara sy handraisan’izy ireo ny Fanahy Masina. Tiako hino izany ianao. Amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana ihany no ahafahan’ny olona mahazo famelan-keloka amin’ny fahotany rehetra sy mahazo ny Fanahy Masina.
Ny olon-drehetra dia afaka ny ho tonga zanaky ny Tompo, izay hitoeran’ny Fanahy Masina, ary iray amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Tokony hanana finoana mitovy amin’ny an’ny filazantsara kanto tahaka an’i Paoly ianao. Misaotra ny Tompo aho fa nanome antsika ity filazantsara mahafinaritra ity sy midera Azy. Amena.
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.