• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-4] Ireo izay manana finoana mitovy amin’ireo mpianatry Jesosy (Asan’ny Apostoly 3:19)

Ireo izay manana finoana mitovy amin’ireo mpianatry Jesosy
(Asan’ny Apostoly 3:19)
“Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.”
 

Inona ny karazam-pinoana nananan’ireo ny apostoly?
Nino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana izy ireo.

Raha jerena ny mpianatr’i Jesosy Kristy, ny halehiben’ny finoan’izy ireo tamin’izy ireo nanana ny Fanahy Masina tao anatiny dia samihafa tsara nohon’ny finoan’izy ireo fony mbola tsy nanana an’izany. Ny nofon’izy ireo dia tsy nisy hafa tamin’ny endriny, fa rehefa avy nandray ny Fanahy Masina dia niova tanteraka ny fiainany tamin’ny alalan’ny fahazavan’i Jesosy Kristy.
Manana tendrombohitra sy farihy tsara tarehy ny tanàna misy ahy. Rehefa mijery ny toerana mahafinaritra toy izany aho, dia feno fahafaham-po sy manontany tena hoe tsisy azoko atao afa-tsy ny misaotra an’i Jehovah noho ny zavaboary toy izany aho. Ny famirapiratan’ny rano mangatsiatsiaka mamirapiratra amin’ny masoandro dia mameno ny foko ary toa volamena ny tontolo manodidina ahy.
Misy toerana tsy ahitana hatsaran-tarehy toy izany anefa. Misy toerana mangatsiatsiaka ny lanitra, fa toa heniheny kosa ny rano eo ambanin’ny tara-masoandro. Tsy misy famirapiratana amin’ny fahitana toy izany. Rehefa mijery farihy tahaka izao aho dia misaotra ny Tompo noho ny filazantsarany kanto izay nanadio ny fahotako ary nanome ahy ny Fanahy Masina.
Satria tsy afaka mampita hazavana ny eny ambonin’ny farihy feno honahona, dia mety ho lasa lavitra ny fahazavan’Andriamanitra koa isika ka ho lasa tsy nahy mankany amin’ny anjara tsy fantatra noho ny natiora maha-mpanota antsika. Fa raha mitoetra ao am-pontsika ny Fanahy Masina, dia haseho ho zanak’Andriamanitra isika ka ho voatarika hampianatra ny filazantsara amin’ny olona hafa. Satria nanaiky ny fahazavany isika dia hamirapiratra toy ny fahazavana.
Toy izany koa, taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, dia nandray ny Fanahy Masina ny mpianany ka tonga zanaka sy apostolin’ny ny mazava. Ny fahazavan’ny Fanahy Masina dia fitahiana lehibe ho an’ny rehetra ary noho izany ny ankamaroan’ny olona dia maniry ny handray ny Fanahy Masina.
 


Ny Finoan’ny apostoly Paoly


Inona no karazan’ny finoana nananan’i Paoly? Nilaza i Paoly, tamin’ny fiaiken-keloka ny finoany, fa nampianarina sy nampiofanina tsara izy teo ambany fitarihan’i Gamaliela, iray tamin’ireo mpanora-dalàna lehibe indrindra tamin’izany fotoana izany, arakan’ny lalàn-drainy. Niaiky anefa izy fa na dia amin’ny alalan’ny lalàna aza, dia tsy ho voavonjy amin’ny fahotany izy ary mpanenjika an’i Jesosy, Mpamonjy antsika, raha ny marina. Indray andro dia nifanena tamin’i Jesosy teny an-dalana ho any Damaskosy izy ary lasa evanjelisitra ny filazantsarany. Nanana finoana an’i Jesosy Kristy ho Zanak’Andriamanitra Izy, izay tonga teto amin’izao tontolo izao, ary nataon’i Jaona batisa mba hanadiovana ny fahotan’izao tontolo izao, ary nandatsaka ra teo amin’ny Hazo fijaliana mba hitondrany ny fitsarana rehetra momba ireo fahotana ireo. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nanana finoana tao am-pony ny famelan-keloka i Paoly.
Ny mpianatr’i Jesosy dia nino fa ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia ny famelana ny fahotany rehetra. Nifampizara finoana mitovy tamin’ny mpianatra i Paoly ka noho izany dia voavonjy tamin’ny fahotany rehetra izy.
Hoy i Paoly ao amin’ny Galatiana 3:27: “Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy”, ary nanambara ny finoany ny batisan’i Jesosy ho famonjena azy izy. Hoy koa i Petera ao amin’ny 1 Petera 3:21: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa (tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra), tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,” ary nasehony tamin’ny alalan’io andininy io ny filazantsara mahafinaritra momba ny batisan’i Jesosy. Nino ny mpianatr’i Jesosy fa ny batisany tamin’i Jaona no nanadio ny fahotan’izao tontolo izao. Voavela ny helony, ary noho izany dia tsy teo ambanin’ny fanozonan’ny lalàna intsony izy ireo noho ny finoana izany fahamarinana izany.
Nino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana izy ireo. Miharihary fa nilaina izany finoana izany mba hahafeno fepetra ho an’ny mpianatra. Ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:21-22 dia milaza hoe: “Koa amin’izany lehilahy izany, izay niaraka tamintsika mandrakariva, no nidiran’i Jesosy Tompo teto amintsika sy nivoahany, nanomboka tamin’ny batisan’i Jaona ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy tamin’ny hazo fijaliana. antsika, ny iray amin’ireo dia tsy maintsy ho vavolombelona miaraka amintsika ny amin’ny fitsanganany tamin’ny maty.” Ny nahatongavana ho mpianatr’i Jesosy dia nanomboka tamin’ny finoana ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona.
Ny fahamarinana ilaintsika mba hahazoantsika famelana ny fahotantsika dia ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. “Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy” (Galatiana 3:27). Noho izany, i Paoly koa dia nino ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Andeha hojerentsika ny Titosy 3:5. “Dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-pony kosa no namonjeny antsika tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina.” Eto ny fehezanteny hoe “ny fanasan’ny fiterahana indray” dia midika fa voadio avokoa ny fahotan’izao tontolo izao rehetra rehefa nanao batisa an’i Jesosy i Jaona. Toy izany koa, raha te ho voavela heloka ianao, dia mila mino ny filazantsara mahafinaritra, izay milaza fa ny fahotanao dia efa nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona. Ny antony nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana sy nandatsahan-dra ho faty Azy dia satria efa nanaisotra ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny batisa izay noraisiny tamin’i Jaona Izy. Ny finoana izany zavatra izany dia ampy hahazoana ny Fanahy Masina hitoetra ao anatintsika. Niaiky i Paoly fa nino ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana koa izy.
Andeha hojerentsika ny Hebreo 10:21-22, manao hoe: “Sady manana Mpisoronabe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin’ny rano madio”. Eto, ny hoe “voasasa tamin’ny rano madio” dia manondro ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona, izay nanadio ny fahotan’ny olombelona rehetra.
Noho izany, ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao, dia hitantsika fa ireo singa fototra amin’ny filazantsara mahafinaritra dia ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ianareo koa dia tsy maintsy manana finoana mitovy amin’i Paoly.
Ankehitriny, ny ankamaroan’ny kristiana dia minomino foana Azy nefa tsy fantany fa rehefa nanao batisa an’i Jesosy i Jaona dia voadio avokoa ny fahotan’izao tontolo izao. Misy teolojiana milaza fa tsy maintsy atao batisa amin’ny rano ny olona mba ho voavela ny helony. Izany dia vokatry ny tsy fahalalana ny filazantsara mahafinatra marina momban’ny rano sy ny Fanahy, araka ny voasoratra ao amin’ny Baiboly. Tsy azo avela amin’ny fombafomba fotsiny ny fahotantsika rehefa atao batisa amin’ny rano isika. Ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany dia manadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra ihany no ho voavela ny helony. Ary tamin’ny finoana ny rany no nandoavan’izy ireo ny fitsarana azy ireo. Izay manana izany finoana izany ihany no mahazo ny Fanahy Masina.
“Aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin’ny fieritreretana ratsy, sy tena voadio tamin’ny rano madio.” (Hebreo 10:22). Milaza amintsika ny mpanoratra ny Hebreo mba hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo marina amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana. Ianao koa dia tokony hanatona Azy amin’ny fo marina amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra.
Amin’izao andro izao, ny kristiana dia manantena amim-pahatsorana ny hahazo ny Fanahy Masina. Kanefa ao amin’izay efa nahazo famelan-keloka irery ihany no mitoetra ny Fanahy Masina. Maro no tsy mahafantatra izany ka noho izany dia maniry ny handray ny Fanahy Masina nefa tsy mino ny filazantsara mahafinaritra momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Ireo izay mino an’i Jesosy nefa tsy mino ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia tsy afaka ny hahazo ny Fanahy Masina. Ny antony dia satria tsy manana fo madio izy ireo.
Nino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana i Paoly ka nahazo ny Fanahy Masina. Ankoatra izany, dia nampiely izany finoana izany izy ary nenjehina izy fa natao hoe mpivadi-pinoana izy. Fa noho ny Fanahy Masina nitoetra tao am-pony, dia afaka nampiely ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izy hatramin’ny farany izy. “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’i Kristy izay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Isaorana ny Fanahy Masina nitoetra tao aminy, izay nahafahany nanompo an’Andriamanitra izy ary niaina teo ambany fiarovan’ny Fanahy Masina mandra-piakarany ho any amin’Andriamanitra. Ireo izay manana finoana mitovy amin’ny an’i Paoly ihany no afaka mahazo ny Fanahy Masina.
Andeha hojerentsika ny finoan’i Paoly. Ao amin’ny Kolosiana 2:12 dia milaza hoe: “Fa niara-nalevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana Taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty”. Navela ny helony rehetra tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy izay nataon’i Jaona batisa.
 


Ahoana no niovan’ny Kristianisma hatramin’ny taloha?


Andeha hojerentsika izao ny fieken-keloka nataon’ny anabavy iray izay lasa mpianatra tao aorin’ny nandraisany ny Fanahy Masina tao amin’i Jesoa Kristy.
“Efa nihantitra aho nefa tsy afaka niteraka, ka mba hahazoana fitahiana tamin’ny alalan’ny vavaka dia nandeha nitety fiangonana tsirairay aho. Na dia irery tao an-trano aza aho dia nivavaka mba hahazoana zaza iray na adiny roa farafahakeliny ary io fomba fivavahana io dia nanjary anisan’ny fiainako andavanandro.
Nifankahita tamin’ny vehivavy lehibe iray aho, raha teo am-panaovana samirery an’io karazana fiainana ara-pivavahana io. Nilaza tamiko izy fa raha te hangataka zaza amin’Andriamanitra aho dia tokony hiezaka handray ny vavaky ny fametrahan-tanana avy aminy. Reko tany ho any fa irak’Andriamanitra io vehivavy io ka navelako hametraka ny tanany teo amin’ny lohako izy. Tamin’izay fotoana izay dia nisy fahatsapana izay tsy mbola tsapako hatrizay aho. Nanomboka nihodina ny lelako, ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho ary nahatsapa hery hafahafa sy mafana nisintona ahy niakatra.
Noraisiko fa midika hoe nahazo ny Fanahy Masina aho ary izany no valim-bavaka nataony noho izany fahatsapana izany. Ilay vehivavy nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohako dia toa nahazo fanomezana avy tamin’ny Fanahy Masina ka afaka naminany sy nanasitrana. Mbola tsy nianatra momba ny tenin’Andriamanitra mihitsy izy, fa tamin’ny fampiasana ny herin’ny Fanahy Masina dia nanampy mpitandrina maro izy ary nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ireo nahita fianarana.
Nanomboka tamin’izay, dia nanomboka nanatrika fivoriana toy izany aho, ary ny iray tamin’izany dia nantsoina hoe  3Hetsika Fanavaozana/Fifohazana”. Nandritra ny iray tamin’ireo fivavahana nataoko tamin’ity fivoriana ity dia nahatsapa aho fa nangovitrovitra ny vatako ary nirehitra tamin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona tamiko ny foko. Toy izany koa no nitranga tamin’ny hafa ka torana sy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ny olona. Nisy olona nisy demonia tao, ary nandroaka demonia ny mpitarika an’io fivoriana io. Ny tanjon’ity Hetsika Fanavaozana/Fifohazana ity dia ny hanampy ny olona hahatsapa ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny zavatra toy ny fangovitana, ny faminaniana, ny fandroahana demonia, ary ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra. Saingy na dia teo aza ireo zavatra tsapako rehetra ireo dia mbola nanana fahotana ihany aho, ary ny fahotana tao am-poko dia nahatonga ahy hahatsapa tahotra sy henatra.
 
3Ny fanavaozana marina dia zavatra ilaina sy tokony hisy eo amin’ny ampaham-piainan’ny Kristianina, ary izany no mitondra any amin’ny fahamatorana aram-panahy, sy mitondra ny vokatry ny Fanahy. Saingy tamin’ny taona lasa, nisy hetsika izay nantsoina hoe “Fanavaozana” tahak’izany izay tsy misy ifandraisany amin’ny fahamatorana aram-panahy arak any voasoratra ao amin’ny soratra masina. Ny “fanaovazan’izy ireo” izay miteraka fihetseham-po tsy voafehy, dia nanamarika toe-javatra nampiahiahy, sy any ivelan’ny baiboly na fampianarana sy fampiharana tsy ara-baiboly.
Ireo no olana mipetraka eo amin’ny fampianarana sy ny fampiharana izay misondrotra miaraka amin’ny fanavaozana niova sy ny hetsika fifohazana: izay tena amafisin’ny fahatsapan’ny karismatika mihoatran’ny soratra masina, fampisehoana sandoka, fampianaran-diso, faminaniana sandoka, famantarana sy fahagagana sandoka, sns…Fa ny tena zava-doza amin’ireo hetsika ireo dia ny fandrobohan’izy ireo ny olona maro mba tsy hahatakatra ny fahamarinana momban’ny fandraisana ny Fanahy Masina ary tsy miraharaha ny filazantsara mahafinaritra.

Noho izany, isaky ny nivavaka aho, dia nivavaka fatratra aho mba hahafahako mamaha ny olan’ny fahotana. Niaiky aho fa nanota, nefa mbola noheverin’ny olona ho anjely aho. Nihevitra aho fa nanana finoana tsara, saingy diso aho. Raha tsy nahalala ny fahadisoako aho dia mety tsy ho nanana fahafahana handray ny Fanahy Masina.
Taorian’izany dia nihaona tamin’ireo izay mpitory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aho ary nahazo famelan-keloka tamin’ny fahotako rehetra tamin’ny alalan’ny finoana ny tenin’Andriamanitra. Tena faly aho izao. Mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aho ary efa nandray ny Fanahy Masina. Misaotra an’Andriamanitra aho. Enga anie ny Kristianina rehetra maneran-tany mba hino ny filazantsara mahafinaritra sy handray ny Fanahy Masina hitoetra ao anatiny. Misaotra ny Tompontsika aho.”
Nianarantsika teto fa mba hahazoana ny Fanahy Masina dia mila ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika. Raha tinao ho voavela ny helokao rehetra dia tsy maintsy mino ny batisan’i Jesosy izay nataon’i Jaona ianao. Andeha hojerentsika ny Efesiana 4:5. “Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” Eto dia milaza fa iray ihany ny Tompo ary iray ihany ny batisa izay inoantsika. Tsy maintsy mino ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana isika rehetra mba hahazoan’ny Fanahy Masina hitoetra ao anatintsika. Raha tsy manao izany isika dia tsy hitoetra ao anatintsika na oviana na oviana ny Fanahy Masina.
Indray andro izay, dia nisy olona nampianatra sy nino fa ny Hetsika Fanamasinana sy Fanadiovana dia hanampy azy ireo handray ny Fanahy Masina. Kanefa, araka ny hevitrao, mitoetra ao anatintsika ve ny Fanahy Masina raha miditra amin’ny fihetsiketsehana toy izany isika? Efa nahazo ny Fanahy Masina ve ianao noho ny fihetsiketsehana Fanamasinana sy Fanadiovana? Raha azo atao, dia ho fahendrena ny hitazonana ny finoana. Fa raha izany no nahatongavan’ny Fanahy Masina taminareo, dia tsy ho nila nidina hamonjy antsika tamin’ny fahotantsika Jesosy ary tsy nila nataon’i Jaona batisa na nohomboana teo amin’ny Hazo fijaliana Izy.
Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany, izay nitondra ho anao ny famelana ny helokao. Ny fonenan’ny Fanahy Masina dia fanomezana omena ho an’ireo izay voadio sy voavela tamin’ny filazantsara marina ny fahotany.
Amin’izao andro izao, amin’ireo izay manaram-po amin’ny Hetsika Fanavaozana / Fifohazana, dia misy ny mino fa ny vavaka feno fibebahana dia afaka manampy azy ireo handray ny Fanahy Masina. Milaza izy ireo fa na dia manana fahotana ao am-pony aza ny olona iray, raha mivavaka amin’ny fibebahana izy dia hahazo ny Fanahy Masina.
Ny Hetsika Pentekotista-Karismatika, izay niparitaka nanerana an’izao tontolo izao, dia nanomboka tany Etazonia tamin’ny taona 1800. Ity hetsika ity dia nitranga taorian’ny fanaozana Indostrialy, rehefa nihaketraka ny etika sy ny fitondran-tenan’ny olona. Tamin’izany andro izany no nivohitra ny hetsika rehefa reraka ny fon’ny olona maro noho ny Fahakiviana Lehibe. Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nihena ny finoana niorina tamin’ny tenin’Andriamanitra ary nanomboka nitombo ny fihetsiketsehana ara-pivavahana vaovao. Ny Hetsika Pentekotista-Karismatika izay nikendry ny hahatsapa ara-batana ny Fanahy Masina (Andriamanitra) - ny fahitana ny asan’Andriamanitra amin’ny maso sy ny fanandramana ny herin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny vatana sy ny saina.
Saingy ny lesoka mahafaty amin’ity hetsika ity dia ny nampiala ny mpino tamin’ny tenin’Andriamanitra ary misy amin’ny maha-fivavahana azy izay mikatsaka fitahiana ara-batana fotsiny. Vokatr’izany dia lasa mpiaro ny majia ireo mpanaraka an’io hetsika vaovao io. Na amin’izao andro izao aza, ireo izay manaram-po amin’izany Hetsika Pentekotista-Karismatika izany dia mino fa raha mino an’i Jesosy ny olona iray dia hanan-karena izy, ho sitrana ny aretiny, hambinina amin’ny zavatra rehetra izy, handray ny Fanahy Masina ary hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra. manana hery hanasitrana ny hafa. Niparitaka nanerana izao tontolo izao ny Hetsika Pentekotista-Karismatika. Ity hetsika ity dia lasa sakana amin’ny finoan’ny olona ny filazantsara mahafinaritra sy ny fahafahany mandray ny Fanahy Masina.
Ny Kristianisma maoderina dia avy amin’ny finoan’i Luther sy Calvin tokony ho 500 taona lasa izay. Saingy ao anatin’ny faritry ny Kristianisma dia tsy miorina mafy ny fandalinana ara-Baiboly momba ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Ny olana dia hatramin’ny niandohan’ny Kristianisma ankehitriny dia efa nino an’i Jesosy ny ankamaroan’ny kristiana nefa tsy nahafantatra ny dikan’ny batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny ratsy kokoa aza, dia nanomboka nanantitrantitra ny fampianaran-diso momba ny Kristianisma ny olona ary nanantitrantitra ny fahatsapana ara-batana irery ihany. Ny Kristiana rehetra dia tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritra izay milaza fa Jesosy dia nataon’i Jaona batisa mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy mba hotsaraina noho ireo fahotana ireo. Izany finoana izany no hahatonga anao handray ny Fanahy Masina.
Amin’izao fotoana izao, ny antony nahatonga ny Kristianisma ho reraka dia ny tsy firaharahan’ny olona ny fahamarinan’ny batisa izay noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Jesosy dia milaza amintsika mda hamantatra ny marina. Ny finoana ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia midika hoe mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Raha te handray ny Fanahy Masina ianao dia minoa fa rehefa nanao batisa an’i Jesosy i Jaona dia nafindra taminy ny fahotanao ary ny rany no fitsarana sy famelana ny helokao rehetra. Dia hahazo ny Fanahy Masina ianareo.
Kristianina maro no tsy mino afa-tsy ny ran’i Jesosy ho filazantsaran’ny fanavotana. Moa ve afaka tamin’ny fahotana tokoa ianareo izay mino ny rany fotsiny? Ho afaka ve ianao? Raha heverinao fa mety izany, dia angamba tsy manana fahalalana manjavozavo momba ny tena dikan’ny batisan’i Jesosy ianao. Raha izany no izy dia mbola misy fahotana ao am-ponao. Rehefa mampifandray ny batisan’i Jesosy sy ny ran’i Jesosy ho finoana iray ihany ianao vao ho voavonjy amin’ny fahotanao sy handray ny Fanahy Masina. Milaza ny Baiboly fa io no hany filazantsara marina manampy antsika handresy izao tontolo izao. “Ary misy telo izay manambara etỳ an-tany, dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo.” (1 Jaona 5:8). Noho izany, tokony ho fantatsika fa, amin’ny faniriany hamonjy antsika amin’ny fahotantsika, dia nasain’Andriamanitra nanao batisa an’i Jesosy i Jaona ary avy eo dia nasainy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana.
Ny antony tsy ahafahan’ny ankamaroan’ny Kristiana mahazo ny famelan-keloka na dia eo aza ny finoany an’i Jesosy dia noho izy ireo tsy mino ny filazantsara mahafinaritra izay tanteraka tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ireo izay mino ireo zavatra roa ireo no ho voavela ny helony ary hitoetra ao am-pony ny Fanahy Masina.
Rehefa tsapan’ny olona fa voadio ny fahotany, dia lasa miadana sy feno fitoniana toy ny rano tony ny fony. Amin’ny fotoana hitoeran’ny Fanahy Masina ao am-pon’ny olona iray, dia mikoriana miditra sy mivoaka ao am-pony ny fiadanana toy ny ony. Mihaona amin’ny Tompontsika isika amin’ny alalan’ny finoana izany fahamarinana izany sy ny fandehanana miaraka amin’ny Fanahy rehefa mampiely ny filazantsaran’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Mbola tsy nanana fiadanana toy izany mihitsy ny fontsika. Hatramin’ny fotoana nanombohantsika nino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia lasa tony ny fiainantsika ary lasa faly tanteraka ny fontsika. Tsy afaka miala amin’io filazantsara mahafinaritra io isika. Ny Fanahy Masina dia ao am-pontsika mandrakariva, manosika antsika hanaparitaka ny teniny ary mamela ny olona mino izany handray ny Fanahy Masina.
Satria nino ny filazantsara kanto ny amin’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana isika, dia notahina tamin’ny Fanahy Masina. Ankehitriny dia tsy maintsy manana finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana ianao vao mahazo ny Fanahy Masina. Zava-dehibe ny hanombohan’ny olona maneran-tany ny dingan’ny finoana ny tenin’Andriamanitra hoe Jesosy dia nataon’i Jaona batisa mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy mba hotsaraina noho ny fahotany. Rehefa manao izany izy ireo dia hahazo ny Fanahy Masina amin’ny farany. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA