
(1 Jaona 1:1-10)
“Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay, ary notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny fiainana; fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin’ny Ray ka naseho taminay ─ izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany. Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. Izao no teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy. Raha hoy isika: manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin’ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina. Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra. Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.
Inona no fepetra takiana mba hahatsapana ny firaisana amin’ny Fanahy Masina?
Tokony hahafantatra sy hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aloha isika ary manadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny finoana.
Raha te-hiray amin’ny Fanahy Masina ianao, voalohany indrindra, dia tokony ho fantatrao fa na dia fahotana kely eo anatrehan’ny Tompo aza dia mahatonga ny firaisana Aminy ho tsy hay atao. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ahoana no tsy hananan’ny olona fahotana na dia kely akory aza eo anatrehan’ny Tompo?’ Fa raha tena maniry ny hanana firaisana amin’ny Tompo ianao dia tsy tokony hisy haizina ao am-ponao. Noho izany, raha te hanana firaisana amin’ny Tompo, dia mila mahafantatra fa tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny fanavotana sy manadio ny tenanao ho afaka amin’ny fahotana rehetra ianao.
Raha tena maniry ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ianao, dia tokony hahafantatra sy hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aloha ianao ary hanadio ny fahotanao amin’ny finoana. Raha tsy mahafantatra ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao ka tsy mandray izany ao am-ponao, dia tsy tokony hieritreritra ny hanana firaisana amin’ny Tompo akory ianao. Ny fananana firaisana amin’ny Fanahy Masina dia tsy mety raha tsy voaisotra tanteraka tao am-ponao ny fahotanao rehetra tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Ny fahotana rehetra dia azo esorina ao an-tsain’ny tsirairay amin’ny alalan’ny fahamarinan’ny ranony sy ny Fanahiny. Ny Tompo dia mitahy anao amin’ny Fanahy Masina rehefa mino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy ianao. Moa ve maniry marina ny hanana firaisana amin’ny Tompo sy ny Fanahy Masina ianao? Dia fantaro aloha ny fahotanao ary minoa ny filazantsara mahafinaritra mba hanadiovana ny tenanao amin’ny fahotana. Aorian’izany dia afaka manana firaisana amin’ny Tompo tokoa ianao.
Raha maniry ny hanana firaisana amin’ny Tompo ianao, dia tsy maintsy mino ny batisa izay noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona tao amin’ny Onin’ny Jordana ary mino koa ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Raha tena maniry ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ny olona iray dia tokony ho fantany hoe iza ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no Iray Masina. Ary noho izany dia tsy afaka mitoetra afa-tsy amin’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra Izy.
Andeha hojerentsika ny fiaiken-keloka nataon’ny olona iray izay efa voadio tamin’ny fahotany tamin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany, ary manana firaisana amin’ny Fanahy Masina ankehitriny.
“Misy olona maro samy hafa eto amin’ity izao tontolo izao ity ary samy manana ny heviny sy ny fomba fiainany ny tsirairay. Izaho dia iray tahaka azy ireo ihany. Nanana fiainana tena tsotra aho ary hatramin’ny fahazazako dia nanaraka ny reniko tany am-piangonana aho ary nanjary nino an’Andriamanitra. Tsy mino an’Andriamanitra ny raiko ary nanakiana ahy matetika noho ny finoako, fa ny sisa tamin’ny fianakaviana kosa nandeha niangona. Ny fandehanana any am-piangonana dia singa lehibe teo amin’ny fiainako.
Na izany aza, nandritra ny taom-pialan-tsakako, isaky ny mijery ny toeram-pandrian’ny raiko aho, dia nisaina zavatra maro momba ny fiainana sy ny fahafatesana, ny lanitra sy ny helo aho. Ny ankamaroan’ny olona dia nilaza fa raha mino an’Andriamanitra aho dia ho afaka ny hiditra any an-danitra ary ho tonga zanany, saingy tsy azoko antoka mihitsy izany. Tsy azoko antoka mihitsy hoe ho zanany aho. Nianatra aho fa raha manao soa ety an-tany aho dia afaka miditra any an-danitra ary noho izany dia niezaka nanao soa ho an’ireo sahirana aho.
Saingy amin’ny lafiny iray amin’ny foko, fantatro fa nanana fahotana aho. Mety ho toy ny olona tsara teo imason’ny hafa aho nefa tsy afaka ny tsy hahatsiaro tena ho meloka noho ny fahotako. Tamin’izany fotoana izany, dia nataoko fahazarana ny nandeha tany am-piangonana sy nivavaka hoe: ‘Miangavy mba avelao aho ho zanakao tokoa. Ampahafantaro ahy ny marina.’ Nanjary nisy faniriana vaovao tao am-poko aho, rehefa nivavaka. Isaky ny nihaino ny fampianaran’ny teniny aho dia tsy nahatakatra na tsy nahita ireo teny. Reraka aho noho ny fahabangana teo amin’ny fiainako, ny fahotako, ny fahafatesana, sns.
Nieritreritra aho hoe: ‘mba te ho ateraka indray aho. Raha azo ateraka indray aho, dia tsy hiaina toy izao.’ Saingy na dia teo aza izany eritreritra izany dia tsy nandeha tany am-piangonana matetika loatra aho ary lasa ny taonan’ny fahatanorako. Nila nitady asa aho izao, nefa sarotra kokoa noho ny noheveriko. Vao mainka ory aho ary na dia niezaka mafy toy inona aza aho, dia tsy afaka nitsiky. Nijery ny tenako tamin’ny fo feno fahabangana aho, ka lavo tao anatin’ny fahakiviana. Tamin’izay fotoana izay dia nandre ny filazantsara tamin’ny zokiko lahy aho.
“Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy ny andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.” (Asan’ny Apostoly 3:19). Izany indrindra no filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny hany nianarako tamin’ireo fivorian’ny fiangonana teo aloha dia ny hoe maty teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy noho ny fahotantsika. Fa ity filazantsara ity dia nilaza tamiko fa Jesosy dia nataon’i Jaona mpanao batisa batisa mba hanaisotra ny fahotantsika ary notsaraina noho ny fahotantsika teo amin’ny Hazo fijaliana.
Nandeha tany am-piangonana aho nandritra ny adrom-piainako rehetra ary nihambo ho zanak’Andriamanitra, saingy tsy nahomby aho. Niezaka ny hahazo ny hevitry ny teniny aho, saingy mbola tsy nahomby. Na izany aza, rehefa nandre ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy aho ary nino izany, dia nanjavona ny fahotana tato anatiko sy ny zavatra rehetra nampijaly ahy ary nanjary feno fiadanana ny foko.
Nieritreritra aho fa raha nino an’Andriamanitra tamin-kafanam-po fotsiny aho ary manatrika tsara ny fivoriana any am-piangonana dia ho any an-danitra aho. Fa nandefasan’Andriamanitra ny filazantsaran’ny rano ary ny Fanahy anefa aho ka voavela ny fahotako. Nomeny ahy ny fanomezana dia ny Fanahy Masina. Talohan’ny nandraisako ny fanavotany dia tsy nahafantatra momba ny Fanahy Masina na ny momban’ny fitenenenana amin’ny fiteny tsy fantatra aho. Nandeha tany am-piangonana fotsiny aho ary nino fa raha miaina amin-kafanam-po sy manompo ny fiangonako aho dia hitahy ahy Andriamanitra. Saingy izao vao fantatro fa rehefa voavela tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ny fahotako vao afaka nandray ny Fanahy Masina aho.
Tamin’ny fiainako teo aloha dia mbola tao anatin’ny fahotana ihany aho na dia efa nino an’Andriamanitra aza. Ary niaina karazam-piainana matimaty aho, tsy nahalala ny maha zava-dehibe ny fandraisana ny Fanahy Masina. Fa tamin’ny alalan’ny mpanompony, izay nitory ny filazantsara mahafinaritra araka ny Baiboly, dia zay vao nino sy nahafantatra aho fa ny Fanahy Masina no mitoetra ato anatiko.
Rehefa avy nahazo fanavotana aho, tamin’ny voalohany dia tsy nety resy lahatra mihintsy aho nae fa mitoetra tato anatiko ny Fanahy Masina na tsia. Saingy nandalina tsy tapaka ny teniny aho ary fantatro amin’izay fa tao am-poko dia nisy finoana vaovao nivelatra ary nahazo ny Fanahy Masina aho. Ankehitriny dia marina izany, ary resy lahatra aho fa ny Fanahy Masina no mitoetra ato anatiko! Rehefa namela ny fahotako Izy, dia fantatro fa izay afaka amin’ny fahotana irery ihany no ho tonga zanak’Andriamanitra sy handray ny Fanahy Masina.
Ary fantatro ihany koa fa ny fiezahana ataoko mba ho tonga lafatra eo imasony na hiaina tanteraka dia tsy hamela ahy handray ny Fanahy Masina velively. Andriamanitra dia tonga ho an’ireo olona mahalala fa mpanota izy ireo nefa tsy mahalala izay tokony hatao amin’izany. Mineho ny Tenany amin’ireo izay mitady sy mila Azy fatratra Izy.
Nasehony ahy fa ny fanaovan-tsoa sy ny finoana an’Andriamanitra amin’ny fandavan-tena tsy amim-piheverana dia tsy hahatonga ahy ho any an-danitra ary i Jesosy Kristy dia tonga teto amin’ity tontolo ity mba hamonjy ahy tamin’ny fahotako amin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy. Nomeny ahy ny Fanahy Masina hitoetra ato anatiko mandrakizay.
Misaotra ny Tompo aho noho ny nanaovany ahy ho zanany sy nitahy ahy tamin’ny fanomezany ny Fanahy Masina ahy. Raha tsy noho ny Tompo, dia mbola nanana fahotana tato am-poko aho ka voaheloka ho amin’ny fiainana an-tranomaizina mandrakizay any amin’ny helo.”
Toy izany koa, taloha dia ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana irery ihany no ninoako ary tsy afaka nandray ny Fanahy Masina aho na dia naniry izany aza. Tamin’izany fotoana izany dia nino an’i Jesosy aho, saingy nanana fahotana tao am-poko ka nanakana ahy tsy handray ny Fanahy Masina izany. Tsy afaka mandray ny Fanahy Masina ao am-pony ny mpanota. Kanefa, maro ny mpanota no miezaka ny handray ny Fanahy Masina na dia feno fahotana aza ny fony.
Raha tena te handray ny Fanahy Masina sy hanana firaisana Aminy ianao, dia mila mino ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy ary mahazo ny fanavotana. Mbola mpanota ve ianao? Noho izany dia afaka mandre ny filazantsara marina avy amin’ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina ianao. Ireo izay maniry ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy manana fo mangetaheta sy matoky ny filazantsara tsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Ny olo-marina ihany no afaka mandre ny tenin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiangonana. Afaka miaina ny fiainany amin’ny fahatokiana izy ireo amin’ny fihainoana ny filazantsara mahafinaritra, fa ny mpanota kosa miaina ny fiainany voaozona ho any amin’ny helo na dia tsy nandre ny filazantsara mihintsy.
Noho izany dia tsy maintsy mianatra momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao. Nahoana ianao no mila mino ity filazantsara ity? Ilaina ho anao ny mandositra ny fivavahana miorina amin’ny lalàna ary manorina ny finoanao amin’ny filazantsara mahafinaritra mifototra amin’ny tenin’Andriamanitra. Nanaraka io filazantsara mahafinaritra io ireo mpianatr’i Jesosy sy ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina izany ankehitriny. Ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy dia mitovy tanteraka amin’ilay narahin’ny apostoly tany am-piandohan’ny fiangonana voalohany. Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina ny Kristianina rehetra. Amin’izay vao ho tonga zanak’Andriamanitra izy ireo.
Ireo izay mbola tsy mino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy dia tsy maintsy mbola manana fahotana ao am-pony. Tsy afaka manana firaisana amin’ny Fanahy Masina izy ireo. Mba hahazoana fiombonana Aminy dia mila mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra azy aloha izy ireo ary mandray ny Fanahy Masina.
Mamerimberina milaza ny Fanahy Masina ny Baiboly
Nanomboka taorian’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Ankehitriny no androm-pamonjena ary izao no fotoanan’ny fahasoavany tsy manam-petra. Fa tena mampalahelo tokoa raha tsy mandray ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika ary miaina tsy misy firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Moa ve mba manana firaisana amin’ny Fanahy Masina ianao? Voasakana tsy hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ve ianao noho ny fahotanao? Noho izany dia mianara momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra anao ary minoa izany. Raha mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao, dia hitoetra ao am-ponao ny Fanahy Masina ary ho lasa namanao. Ny Fanahy Masina ihany no mitoetra ao am-pon’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Matetika ny Fanahy Masina no manambara ny sitrapony ao am-pon’ny olo-marina. Ny asa fanompoan’i Paoly niaraka tamin’ny Fanahy Masina dia ny fampielezana ny filazantsara mahafinaritra.
Ahoana no ahafantaranao ny olona iray izay efa nandray ny Fanahy Masina? Inona no mari-pamantarana izany? Ny mari-pamantarana dia ny hoe mino na tsia ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy izy. Raha mahafantatra sy mino ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy ilay olona, dia olona manana ny Fanahy Masina monina ao aminy izy.
Ny Fanahy Masina dia tsy mitoetra ao anatin’ireo izay tsy mino ny filazantsara mahafinaritra. Ao anatin’ireo izay mino ny famelan-keloky ny fahotana avy amin’ny batisa noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana irery ihany no itoeran’ny Fanahy Masina. Te hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ve ianao?
Fantatrao ve hoe karazana filazantsara inona no tokony ho takatrao mba handraisanao ny Fanahy Masina sy hanananao firaisana Aminy? Ny filazantsara mahafinaritra dia hita ao anatin’ny finoana ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Raha tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao, dia tsy ho voavela ny helokao ka tsy afaka hitoetra ao anatinao ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mitaky fa tokony hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ny olona mba handraisana Azy.
Tsy afaka mitoetra ao anatin’ny fon’ny mpanota ny Fanahy Masina. Raha maniry ny handray ny Fanahy Masina ianao dia tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritra aloha vao afaka manadio ny tenanao amin’ny fahotanao rehetra. Ary koa, raha te hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ianao, dia tokony ho mahatoky amin’ny fitoriana ny filazantsara mahafinaritra. Raha te hotarihin’ny Fanahy Masina ianao, dia tsy maintsy mitia mandrakariva ny filazantsara mahafinaritra ary miezaka mampiely izany na aiza na aiza alehanao. Ny Fanahy Masina dia miaraka amin’izay mitory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Ny Fanahy Masina dia omena ho any olo-marina irery ihany, dia ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra. Ny olo-marina, izay mino ny filazantsara mahafinaritra, ihany no afaka manana firaisana amin’ny Fanahy Masina. Ny filazantsara mahafinaritra izay ankasitrahan’ny Fanahy Masina dia ny filazantsara izay novitaina tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany (1 Jaona 5:3-7).
Nino an’ilay filazantsara tsara tarehy koa i Petera ka nilaza hoe: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa (tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa fitadiavana fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra), amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty.” (1 Petera 3:21). Ao amin’ny Baiboly, ny “rano” dia midika foana hoe batisa izay noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona Mpanao Batisa.
Ireo izay afaka mandray ny Fanahy Masina dia efa nahazo fanavotana tamin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra ary afaka tamin’ny fahotana rehetra. Ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra no afaka mivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy (Jaona 4:23). Ny Fanahy Masina dia manampy ny olo-marina hiaina ny fiainany feno ny Fanahy Masina. Ireo izay manana ny fonenan’ny Fanahy Masina dia afaka miaina mandrakizay midera ny Tompo. Ny Fanahy Masina no miantoka fa zanak’Andriamanitra isika. Afaka miaina mandrakizay ao anatin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary ao anatin’ny Fanahy Masina isika.
Tsy manana fiombonana ny Fanahy Masina miaraka amin’izay mamitaka ny tenany
Ny Fanahy Masina no milaza amin’ny mpanota ao amin’ny 1 Jaona 1:8 hoe : “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” Tsy afaka mitoetra ao anatin’izay mamitaka ny tenany ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mananatra ny mpanota, manao hoe: “Nahoana ianareo no tsy nino ny filazantsara kanto ilay novitaina tamin’ny batisan’i Jesosy sy ny rany?”
Hojerentsika ny fieken-keloka nataon’ny Kristiana nateraka indray izay nino tamin’ny voalohany fa nandray ny Fanahy Masina tsy nisy porofon’ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Io lehilahy io izao dia mino ny filazantsaran’ny rano sy ny ra ary efa nandray ny Fanahy Masina. Eto dia tokony hasongadina tsara hoe iza no itoeran’ny Fanahy Masina.
“Nanomboka nipetraka tao am-poko Andriamanitra rehefa nahafantatra ny antom-pisiako teto an-tany aho. Raha mijery ny tenako aho, dia noheveriko fa ny fahosako ny hiaina irery eto amin’ity tontolo feno lozabe ity no nipoiran’ny faniriako an’Andriamanitra. Tsy nitady an’Andriamanitra aho fa nanaiky ny fisiany ho azy aho na dia tsy hita maso aza Izy, dia eo Izy. Mazava ho azy fa nanontany tena aho hoe: ‘Tena eo ve Izy?’ nefa na ny eritreritro momba izany aza dia nampihorohoro ahy satria tena nino aho fa Izy no Mpamorona ny rehetra.
Ireo izay nandà an’Andriamanitra dia toa adala, nefa amin’ny lafiny sasany dia mahery noho izaho ireo. Toa afaka nandalo samirery izy ireo ary amin’ny lafiny iray dia toa adala malemy aho. Saingy satria nanana fanantenana ny amin’ny fiainana aorian’ny fahafatesana aho, dia nijery an’Andriamanitra tamim-panajana bebe kokoa aho. Nanontany tena aho raha toa ka toerana ho an’ny olona toa ahy izay mahatsapa fa tsy tanteraka ity ny lanitra. Ary io fanontaniana io no nahatonga ahy haniry mafy kokoa ny amin’ny Paradisa any an-danitra.
Ny ray aman-dreniko dia nanao tsinontsinona ny olona manana fivavahana ary ireo mpiray tampo amiko dia nandeha tany am-piangonana tsy tamim-panoloran-tena akory. Nihevitra izy ireo fa hahafaty ahy tsy ho ela ny fikelezako aina amin’ny fiangonana ka tsy nanakana ahy tsy handeha hiangona izy ireo Nandrapaha tonga ahy tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa. Nitety fiangonana àry aho ary nanomboka nankany amin’ny fiangonana kely teo akaikin’ny tranoko mandra-pahatonga ahy tany amin’ny oniversite.
Ny antony nisafidianako ny hanatrika ity fiangonana ity dia noho izy io nanindry mafy ny filazantsara. Ny mpitandrina ny fiangonana dia mpanao fifohazana ara-pilazantsara izay toa tsy nanao na inona na inona izay mandika ny tenin’ny Baiboly. Nanana antony tokony hananako fiainana ara-pivavahana tamim-pahatsorana aho, na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fahatereko tamin’ny fianarako.
Ny antony dia izao, rehefa antsoin’ny olona hoe jentilisa ny mpiara-miangona Tamiko, dia nino aho fa ny fiangonako no marina ary nanantena aho fa ho any an-danitra. Izany fanantenana izany izany dia niorina tamin’ny filazantsara. Nilaza izy ireo fa tsy afaka miditra ny vavahady ny lanitra ny mpanota, nefa ny olona any amin’ny fiangonan-kafa nilaza fa feno fahotana ny fony. Nino ihany koa aho fa mpanota koa ireo mpiara-mivavaka Tamiko talohan’ny niangonako tao am-piangonana, ka tsy nisaina be an’izany fanakianana izany intsony aho.
Kanefa ireo nantsoina hoe fifohazana ara-pilazantsara ireo dia tena zavatra hafa nohon’ny zavatra tsapako teo aloha. Nilaza izy ireo fa raha nino an’I Jesosy amin’ny fomba mety tsara, dia tsy manana fahotana intsony. Ary ireo tsy manana fahotana irery ihany no afaka ho any an-danitra. Nilaza ihany koa izy ireo fa nitondra fitsarana ho antsika teo amin’ny hazofijaliana Jesosy ary noho izany dia tsy mpanota intsony izahay fa olo-marina. Tsy nino izany aho tamin’ny voalohany, saingy rehefa nisaina izany aho, dia azoko ny heviny. Mbola kely aho, ary noheveriko fa raha maniry ny ho any an-danitra aho, dia ho avelan’Andriamanitra fontsiny raha tsy manana fahotana, satria Andriamanitra mankahala fahotana.
Nanana finoana hafa nohon’ny nananako teo aloha ity fiangonana ity, ary ny fomba fanaovan’izy ireo fotoam-pivavahana dia hafa kely koa. Nefa satria ny lanitra no toerana afahan’ireo olom-boafidy vitsy idirana, ohatra ny hoe ireo olona tao amin’io fiangonana io irery ihany no voatsangana ho manana finoana marina. Satria mandray ny tena sy ny ràn’I Jesosy ny fiangonana isaky ny Alahady, mandray mofo kely sy divay kely izahay. Satria mifototra amin’ny baiboly izany fankalazana izany, nekeko izany. Nefa hitako refa taty aoriana fa nandray izany tsy tamim-pahatakarana ny tena lanjany ny olona.
Nino aho fa ny Fanahy Masina no nitoetra tao anatin’ny fon’ireo mpino sy ny fon’ireo olo-marina ary nihaino ny vavak’izy ireo rehetra Izy. Ka nino aho fa ny Fanahy Masina no nitoetra tato amiko. Tena nahazo antoka mihintsy aho fa Andriamanitra no namako ary tsy nanana fanahiana ny amin’io filazantsara io aho fa nino. Rehefa nandalo fotoan-tsarotra aho, dia niresaka tamin’Andriamanitra aho toy ny hoe teo akaiko Izy. Nino aho fa nihaino ahy Izy rehefa niteny zavatra tsy afaka nolazaiko tamin’olo-kafa Taminy aho. Ary dia natoky Azy aho ary niantehitra Taminy.
Tena tsy nety azoko mihintsy ny antony mampiteny amin’ny teny tsy fantatra ny olona rehefa nandeha any amin’ny fivoriam-pifohazana ary nihomehezako ireo olona mamonjy fivoriam-pifadian-kanina. Eo am-pijerena azy ireo dia nieritreritra aho hoe: “nahoana izy ireo no manao fiezaham-poana mba handraisany ny Fanahy Masina? Rehefa tsy manana fahotana irery ihany anefa ny Fanahy Masina vao tonga ary miara-monina amin’izy ireo. Tsy maintsy mpanota izy ireo. Tena nalahelo azy ireo aho. Noheveriko fa adala izy ireo. Raha mbola tao an-tsaiko izany dia nihevitra aho fa ny finoako ny filazantsara no tena tsara indrindra ary ny hafa dia lainga avokoa.
Tafiakatra avo ny fiavonavonan’ny foko. Teo amin’ny 10 taona no nanarahako izany fiainam-bavako manokana izany. Fa arakaraka ny nandehanan’ny fotoana, nanomboka nisy fanontaniana nipoitra tao an-tsaiko sy tao am-poko. Nihevitra aho hoe, “tsy nanana fahotana aho nohon’ny filazantsaran’ny rà teo amin’ny hazofijaliana, fa ireo mpino hafa mba ahoana? Moa ve mb amino ity filazantsara ity marina koa izy ireo. Tsy haiku hoe nahoana aho no nametraka ireo fanontaniana ireo. Tonga ho azy tato an-tsaiko ireo fanontaniana ireo ary tsy afaka nanontany an’iza na iza aho. Finoana manokana izany ary tsy tokony ho rebirebena. Ary tsy fahalalam-pomba ny hanontany izany olon-kafa.
Kanefa nanomboka nanontany ny tenako an’ireo fanontaniana ireo aho. Raha mbola teny amin’ny oniversite aho, dia nanomboka nanao zavatra izay noraran’ny fiangonana aho ary nanomboka nihamaizina ny foko ka nihena ny finoako. Tsy nanana antoka ny amin’ny finoako intsony aho. ‘Moa mba afaka miantso ahy ho olo-marina ve aho?’ Moa ve nanadio ny fahotako rehetra tokoa Jesosy? Tao anatin’izany fahasahiranan-tsaina izany, dia notereko ny tenako mba hisaintsaina ny filazantsaran’ny rà ary nodioviko taamin’izany ny saiko. Fa arakaraka ny nanereko ny tenako no nampahavery ahy bebekokoa, ary tsy nanatrika fotoam-pivavahana intsony aho. Nampiasaiko ho fialana tsiny ny zavatra nataon’ny fikambanako.
Tao anatin’izany fahasahiranan-tsaina sy lavaka izany, no nihaonako tamin’ny fahamarinana nony farany. Nahaino ny momban’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aho ary tonga Tamiko toy ny taram-pahazavana izany. Ny fiatrakany dia tena lehibe ka toa nampitomany ahy. Saingy teo am-pihainoana ny filazantsara, dia tsy maintsy nanaiky aho fa ny zavatra rehetra ninoako hatramin’izay dia diso avokoa.
Mbola tsy namindra ny fahotako tamin’I Jesosy mihintsy aho. Nino fotsiny aho hoe efa nanaisotra ny fahotako Izy ary izaho dia lehilahy tsy misy fahotana, nefa tsy izany no izy. Nahoana no tonga mba hatao batisa teto amin’izao tontolo izao Jesosy? Sa te haneho amintsika Izy fa ondry malemy fanahy ve Izy? Sa mba hanaporofoany fa tonga olona Izy? Sa haminany tsy maintsy hahafatesany? Tsy mbola nofisiko mihintsy na nanjavozavo ny fahalalana ny batisa izay nananako tamin’ireo fandikana azy ireo. Ny marina dia Jesosy nataon’I Jaona, ilay solon-tenan’ny olombelona rehetra batisa, ary tamin’iny batisa iny, no namindrana ny fahotako rehetra Taminy.
“Oh! Izay ny antony nahalasa Zanak’ondrin’Andriamanitra an’I Jesosy, Ilay nitondra ny fahotantsika rehetra niaraka Taminy!” Izao vao azoko ny dikany zava-drehetra. ‘Notsaraina teo amin’ny hazo fijaliana nohon’ny fahotako Jesosy. Izay no mahatonga ahy tsy misy fahotana ao am-poko” Tamin’ny fotoana nahalalako ny filazantsaran’ny rano (batisan’I Jesosy)sy ny rà (ny hazofijaliana), ary ny Fanahy Masina (Jesosy dia Andriamanitra), no nahatsapako fa nanjavona ny fahotana tato am-poko.
Izao aho vao tena tsy misy fahotana sy olo-marina ary mitoetra ato anatiko ny foko ihany ny farany ny Fanahy Masina. Ny finoana nananako tamin’ny hazofijaliana dia tsy ampy nanadio ahy tamin’ny fahotana izay nananako tato am-poko. Raha tsy fantatrao marina hoe ahoana no fomba namindrana ny fahotanao tamin’I Jesosy, dia tsy ho voavela mihintsy ny helokao, ary tsy afaka hitoetra ao aminao ny Fanahy Masina. Misaotra ny Tompo aho. Fa afaka nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra aho.
Tsy nisy fiezahana akory, dia nahazo famela-keloka tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aho, ary mitoetra ato amiko ny Fanahy Masina izao ary mandrakizay. Ankehitriny, afaka miantso am-pireharehana ny tenako ho tsy misy fahotana aho ary afaka mirehareha fa ahy ny fanjakan’ny Lanitra. Raisiko ho tombony ho ahy ny hisaotra ny Tompo ny amin’ny nanomezany ahy izany fitahiana tsy azo vidiam-bola. Haleloia!”
Ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina no afaka milaza fa tsy misy fahotana izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra. Na toy ahoana ny hahalavan’ny fotoana ninoanao an’I Jesosy, raha tsy mino ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’Andriamanitra antsika ianao, dia azo antoka fa manana fahotana ao am-ponao ianao. Ny olona toy izany dia mamitaka ny tenany fa tsy Andriamanitra. Ireo olona ireo dia mbola tsy nifanena tamin’ny Tompo. Raha maniry ny hanana fiarahana amin’ny Fanahy Masina ny mpanota, dia tsy maintsy ajanony aloha ny famitahany ny tenany ary miaiky izy fa efa nanota. Amin’izany irery ihany no hahamendrika azy ny hino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ireo izay mino ity filazantsara mahafinaritra ity irery ihany no mendrika handray ny Fanahy Masina.
Inona no ho lazain’ny Fanahy Masina an’ireo mpanota? Mamporisika azy ireo handray famelan-keloky ny fahotan’izy ireo amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra izay novitaina tamin’ny alalan’ny batisan’I Jesosy sy ny ràny Izy. Raha miteny ianao hoe tsy mpanota nefa mbola manana fahotana, dia tsy handray ny Fanahy Masina mihintsy izany ianao. Ireo izay tsy mino ny filazantsara mahafinaritra ka milaza fa mbola tsy nanota dia mamitaka an’Andriamanitra sy ny tenany. Tsy maintsy mahalala ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy ny mpanota ary mandray ny Fanahy Masina. Amin’izany irery ihany no ahafan’izy ireo ho afaka amin’ny fitsarana mahatahotr’Andriamanitra.
Afaka manana fiarahana amin’ny Fanahy Masina ny olo-marina amin’ny alalan’ny faneken’izy ireo ny fahotany
Miresaka amin’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aho ary ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina. Anda oho jerentsika ny zavatra nolazain’Andriamanitra amin’ireo olo-marina. Ao amin’ny 1 Jaona 1:9, milaza hoe, “Raha miaiky ny fahotantsika isika dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.” Ity andinin-tsoratra masina ity dia midika fa manadio ny fahotantsika ankehitriny isika amin’ny fampahatsiahivana ny tenantsika sy ny finoana ny filazantsara mahafinaritra izay manambara fa Jesosy dia efa naka ny fahotantsika rehetra rehefa natao batisa Izy ary nanonitra izany tamin’ny fihombohana. Ny olo-marina dia mila miaky ny fahotany ankehitriny amin’Andriamanitra. Amin’izany irery ihany no ahafahan’izy ireo manana fiarahana amin’ny Fanahy Masina. Ny olo-marina dia tokony hiaiky ny fahotany ankehitriny ary mitohy mino ny filazantsara mahafinaritra.
Efa ela zay, no nanadiovan’ny filazantsarana kanto ny batisan’I Jesosy sy ny ràny ny fahotantsika rehetra ary noho izany, n yolo-marina dia tokony hino ity filazantsara ity ka ho afaka amin’ny fahotany rehetra. Efa namela ny fahotan’izy ireo rehetra ny Tompo tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny olo-marina tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritra mba ho afaka amin’ny fahotany. Ny olo-marina dia afa manadio ny fony amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy rehefa voaloton’ny fahotany ankehitriny.
Efa ela no nandiovin’ny Tompontsika ny fahotan’ny olo-marina rehetra tamin’ny Batisany sy ny ràny. Noho izany, ireo izay mino no afaka tamin’ny fahotany marina. Saingy, tokony hiaiky sy hibaboka ny fahotany eo anatrehan’Andriamanitra ny olo-marina. Ary avy eo tsy maintsy miverina amin’ny finoana ny batisan’I Jesosy sy ràny ny olo-marina, ilay mandrafitra ny filazantsara mahafinaritra, mba hahafahan’izy ireo amin’ny fahotana rehetra. Noho izany, dia afaka miaina amin’ny fiainam-baovao miaraka amin’ny Fanahy Masina izy ireo. Ireo izay afaka mijery ny Tompo tsy am-piraharahiana ny fahalemeny no afaka manana firaisana marina amin’Andriamanitra, isaorana ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy.
Ahoana no ahafahantsika mahazo fahatsapana ny amin’ny firaisana amin’ny Fanahy Masina?
Misy maro ny olona izay maniry ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina. Saingy tsy fantatr’izy ireo hoe ahoana no hahatonga ny faniriany ho tanteraka, na dia mino an’I Jesosy aza izy ireo. Ny olona rehetra dia afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary manomboka manana fiarahana amin’I Fanahy Masina manomboka amin’izay fotoana izay.
Toy izany koa, ny fomba tokana ahafahan’ny olo-marina manana firaisana amin’ny Fanahy Masina dia ny fahalalana sy ny finoana ny fahamarinan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny fiarahan’ny olo-marina sy ny Fanahy Masina dia tsy ho azo mihintsy raha tsy misy ny filazantsara marina. Ahoana ny amin’ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina? Amin’ny finoana ny fahamarinan’ny filazantsara mahafinaritra irery ihany no mahazo atao izany.
Andriamanitra milaza fa manota ny olona mandritry ny androm-piainany
Ao amin’ny 1 Jaona 1:10, dia milaza hoe, “Raha hoy isika hoe tsy manana ota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ao amintsika ny teniny.” Tsy misy na dia iray aza izay tsy nanota eo anatrehan’Andriamanitra. Na di any baiboly aza dia milaza hoe, “Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota.” (Mpitoriteny 7:20). Ny olona rehetra dia manota eo anatrehan’Andriamanitra avokoa. Raha misy milaza hoe tsy nanota, dia mpandainga izy. Manota ny olona mandritry ny androm-piainany mandra-pahatonga ny ora hahafatesan’izy ireo ary izany no antony nanaovan’I Jaona Batisa an’I Jesosy mba hitondrana ny fahotan’izy ireo rehetra. Raha tsy nanota isika, dia tsy nila nino an’Andriamanitra ho Mpamonjintsika isika.
Hoy ny Tompo, “tsy ao aminao ny Teniko” amin’ireo izay mihevitra ho toy ny tsy ny tsy nanota izy ireo. Raha tsy manana finoana ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy ny olona iray, dia hahazo fandringanana izy. Raha milaza ny olo-marina na ny mpanota iray hoe tsy nanota teo anatrehan’Andriamanitra izy, dia tsy mendrika ny hino ny filazantsara mahafinaritra izy.
Nomen’ny Tompo ny olona tsirairay ny fanomezana mahagagan’ny filazantsara mahafinaritra. Niaiky ny fahotantsika rehetra isika ary nibebaka mba handraisana famelan-keloky ny fahotana tamin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra. Afaka miverina amin’ny filazantsara mahafinaritra izay natolotr’Andriamanitra ho antsika toy ny famelana ny fahotantsika isika ary nino mba hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina. Ny tena dikan’ny hoe firaisana amin’ny Fanahy Masina dia ao amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary ireo izay manana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany no hanana firaisana amin’Andriamanitra.
Nanalavitra an’Andriamanitra ny olona nohon’ny fahotany izay nolovainy tamin’ny Adamas y Eva. Fa ankehitriny isika, izay nanana lovam-pahotana, dia afaka mitady firaisana amin’Andriamanitra indray. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy miverina amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahin’I Jesosy Kristy isika ary aoka ho voavela ny fahotana izay nampalavitra antsika an’Andriamanitra.
Ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra no ho voavonjy amin’ny fahotany ary ho fenoin’Andriamanitra ny Fanahy Masina izy ireo. Ny olo-marina no afaka manana firaisana amin’Andriamanitra, satria efa nandray ny Fanahy Masina izy ireo. Noho izany, ireo izay efa tafasaraka tamin’Andriamanitra nohon’ny fahotany dia tsy maintsy miverina amin’ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy ary mino izany. Amin’izay vao afaka manomboka manana firaisana marina Aminy.
Ny Fanahy masina dia tonga avy amin’ny finoana ny Filazantsara mahafinaritra. Tsy maintsy fantantsika fa ny Fanahy Masina dia avy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany. Ny finoana ny filazantsara mahafinaritra no namorona lalam-baovao ho any amin’Andriamanitra. Ny Tompo no nandrava ny rindrina izay nampisaraka antsika Taminy nohon’ny fototry ny fahotantsika sy ny fahotantsika ankehitriny, ary namela antsika hanana firaisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoantsika ny filazantsara kanton’ny rano sy ny Fanahy.
Tsy maintsy mampitoetra ny firaisantsika amin’ny Fanahy Masina indray mandeha isika. Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina marina dia azo amin’ny alalan’ny fahatakarana ny filazantsara ny rano sy ny Fanahy noho ny fanekem-pinoana. Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina dia mitranga rehefa manana finoana isika fa ny famelana ny fahontantsika dia avy amin’ny filazantsara mahafinaritra. Ireo izay mbola tsy nandray famelana ny fahotany dia tsy afaka hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy misy olona afaka manana firaisana amin’ny Fanahy Masina raha tsy misy finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
Raha toa ka sarotra aminao ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina, dia tokony manaiky aloha ianao fa tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ary miaiky fa mbola tsy voavela ny fahotanao. Moa ve mba maniry ny hanana firaisana amin’ny Fanahy Masina ianao? Inoy ary ny filazantsara izay novitaina tamin’ny alalan’ny Batisan’I Jesosy sy ny ràny. Amin’izay vao ho voavela ny fahotanao rehetra ary ny valisoa dia handray ny Fanahy Masina ao am-ponao ianao.
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.