• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-6] Inoy fa mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina (Matio 25:1-12)

Inoy fa mitoetra ao aminao ny Fanahy Masina
(Matio 25:1-12)
“Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia oharina tahaka ny virijiny folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra. Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa Hendry. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza; ary ny Hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany. Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory. Ary nony namantonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena Azy. Dia nitsangana ireo virijina ireo, Ka samy namboatra ny fanalany. Dia hoy ny adala tamin’ny Hendry: mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay. Fa ny Hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo. Fa raha mbola lasa lasa nividy izy, dia tong any mpampakatra, ary izay efa niomana dia naira-niditra Taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana. Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay. Fa izy namely hoe: lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.” 
 


Iza avy no nosoloan’ireo virijina tena izay nanan’ny Fanahy Masina nitoetra tao aminy?


Ho an’iza no niavian’ny Fanahy Masina?
Ho an’ireo efa nahazo famelan-keloka ny fahotany Rehetra tamin’ny finoana ny batisan’I Jesosy Sy ny ràny no niaviany

Ao amin’ny andinin-teny etsy ambony, dia nisy virijina dimy Hendry sy virijina dimy adala. Nangataka solika kely tamin’iray tamin’ny dimy Hendry ny iray tamin’ny dimy adala. Saingy ny Hendry niteny tamin’ny adala hoe, “Tsia, Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo” Ka, raha mbola nandeha nivoaka hividy solika ny adala iray, dia niditra tao amim’ny lanom-pampiakaram-bady ireo dimy Hendry izay nanana solika tao amin’ny fanalany. Ahoana ary no ahafahantsika mikolokolo ny solika ho an’ny Tompo? Ny zavatra tokana mila ataontsika dia ny miandry Azy miaraka amin’ny famelan-keloka ny fahotana ao am-pontsika.
Misy karazany roa ny finoana afaka hitantsika eo amin’ny olona. Ny iray dia ny finoana ny filazantsaran’ny famelan-keloka ny fahotana. Izany no mitarika antsika amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Ny iray dia tsotra, ny fahatokiana be ho an’ny fitiavam-bola ny fiangonany - tsy miraharaha na voavela na tsia ny fahotan’ny olona iray.
Ireo izay mahatoky ho an’ny fitiavam-bolany manokana, dia mbola enta-mavesatra ny filazantsara mahafinaritra. Tahaka ny virijina adala izay nandeha nivoaka hividy solika rehefa ho tonga ny mpampakatra. Ireo izay mifindrafindra trano fivavahana amim-panantenana fa handray ny Fanahy Masina dia tsy afaka ny hamitaka an’iza na iza fa tenany ihany no fitahiny. Ireny olona ireny dia tsy mahalala ny zava-marina fa tsy maintsy manana finoana ny filazantsara ao am-pony izy ireo alohan’ny andron’ny fitsarana. Maniry ny handray ny Fanahy Masina Izy ireo amin’ny fanehoan’izy ireo zotom-po eo anatrehan’Andriamanitra. Hojerenjika ny zavatra nambaran’ilay diakona iray izay nanao ezaka lehibe mba handraisany ny Fanahy Masina. Tena hanampy anao be Ity fanambarana ity.
“Nanao ny zavatra rehetra aho mba handraisana ny Fanahy Masina. Nieritreritra aho fa raha mazoto manokan-tena ho any finoako aho, dia afaka ny handray ny Fanahy Masina ary ka nandeha nifindrafindra trano fivavahana avy amin’ny iray nankany amin’ny hafa aho. Ny olona tao amin’ilay fiangonana iray dia nitendry piano sy amponga ho anatin’ny fandraharam-potoana ny fivoriana. Ary antsoin’ilay pastora mpitarika ny fivoriana tsirairay ireo izay maniry handray ny Fanahy Masina ary raha vao nametraka ny tanany teo amin’ny handrin’ny olona iray izy, dia nanomboka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy. Av yeo, niazakazaka nanodidina niaraka amin’ilay micro fanamafisam-peo no sady mihiaka mafy hoe “Raiso ny afo, afo, afo” ary nampetrany teo an-dohan’ny olona, ka nahatonga ny sasany nifanentana sy azon’izy ireo. Nanana fisalasalana ihany ny amin’izany zavatra ve ny atao hoe fandraisana ny Fanahy Masina saingy efa voarendrika tao anatin’izany fivoriana izany aho. Na dia teo aza izany rehetra izany, dia tsy nety nahazo ny Fanahy Masina mihintsy aho.
Tao aorian’izany fahatsapana izany, dia nandeha niakatra an-tendrombohitra aho ary niezaka nihiaka sy nivavaka nandritry ny alina manontolo na dia tao amin’ny kesika hazo aza. Efa nanandrana nivavaka tany an-davaka koa aho fa tsy nisy vokany ihany. Tao aorin’izany, niezaka nivavaka mandritry ny alina manontolo nandritry ny 40 andro aho fa mbola tsy nahavita nandray ny Fanahy Masina ihany aho. Ka indray andro izay nisy nanasa ho amin’ny semineran’ny Fanahy Masina iray izay aho. Indray mandeha isan-kerinandro no nanaovana izany seminera izany ary nifarana tao anatin’ny ny fito herinandro.
Nifantoka tamin’ny fitiavan’Andriamanitra, ny hazofijaliana, ny fitsanganan’ny Jesosy tamin’ny maty, ny fametrahan-tanana, ny vokatry ny Fanahy ary ny fitomboana aram-panahy ny seminera. Tamin’izay fotoana izay rehefa ho vita ny fandaharam-potoanan’ilay seminera, dia nametraka ny tanany teo an-dohako ilay mpitoriteny tao amin’ilay seminera ary nangataka ny Fanahy Masina, dia nataoko izay nasainy nataoko. Nitony aho ary nampitraka ny lohako mba hanatrika ny lanitra ary niantsoantso mafy aho hoe “la-la-la-la” naverimberiko foana. Tampoka teo, raha mbola niantsoantso hoe “la-la-la-la” aho, dia nanomboka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho. Maro ny olona niarahaba ahy ny amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Saingy rehefa izaho irery no an-trano, dia natahotra aho. Ka, nanomboka nanolon-tena an-tsitrapo hiasa tao amin’ny seminera aho. Nieritreritra aho hoe tokony hanolon-tena an-tsitrapo hiasa be araky tokony ho vitako aho, ka nandeha nitety faritra aho mba hanaovako izany. Ary rehefa nametra-tanana tamin’ny marary sasany aho, dia toa sitrana ny aretin’izy ireo, na dia miverina marary indray aza izy ireo tao aorina kelin’izay. Avy eo nanana fahitana indray aho teo aloha ny masoko ary hitako fa afaka naminany aho. Tsy nampoizina, fa tena tanteraka hatrany ny faminaniako. Nanomboka tamin’izay fotoana izay, dia nasaina tamin’ny toerana maro aho ary natao ho toy n yolo-malaza. Saingy mbola natahotra ihany aho. Ary indray andro izay aho, nandre feo nilaza hoe, “aza mirenireny mifindrafindra toerana toy izao, fa mandehana ary ampio ny ankohonanao handray famonjena.” Saingy, tsy fantatro hoe inona izany famonjena izany. Ny zavatra mba fantatro dia izay nolazain’ny olona Tamiko_ fa raha tsy mampiasa an’io fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina io aho, dia ho esorina amiko izany. Amin’ny lafiny iray, dia natahotra aho nampiasa izany fahaizako izany na dia tsy afaka nanajanona izany aza aho.
Indray andro, naheno aho fa nisy vehivavy mpanao ody izany mba te hino an’I Jesosy ary nandeha namangy azy aho niaraka tamin’ny namako. Tsy nampiomana azy nialoha izahay hoe hamangy azy izahay. Fa efa niandry anay teo ivelan’ny vavahadiny anefa ilay vehivavy mpanao ody ary nilaza hoe, “efa fantatro fa ho tonga ianareo.” Avy eo nofafazany rano tampoka izahay ary hoy izy, “tsy misy fahasamihafana eo amin’ny mpanao ody tantsinana sy ny mpanao ody tandrefana!” Nantsoiny hoe “mpanao odin’I Jesosy” izahay, ary nanondro anay izy no sady niteny hoe, “ity iray ity no mampatahotra, fa ity iray ity tsy maninona.” Ny zavatra nolazain’ilay mpanao ody vehivahy dia toa lasa tahaka rivotra nitsioka ny lohako Tamiko. Dia nanomboka nieritreritra aho fa ny zava-drehetra nataoko izany dia tsy hafa amin’ny zavatra nataon’ny mpanao ody. Tsisy na inona na inona nataoko mba nitondra ny Fanahy Masina tato amiko satria mbola nanana fahotana tato am-poko aho.”
Avy amin’ity fanambarana ity, no ianarantsika fa ny fandraisana ny Fanahy Masina dia mihoatra nohon’ny fahaizantsika. Satria ireo finoana ireo dia tsy niorina amin’ny filazantsaran’Andriamanitra, ireo izay mbola miaina amin’ity karazam-pivavahana ity no tsy manana solika ao amin’ny fanalany.
Ny fanala ao amin’ny baiboly dia ampitoviana amin’ny fiangonana ary ny solika dia ampitoviana amin’ny Fanahy Masina. Ny baiboly dia milaza fa ireo izay miangona any am-piangonana na fiangonan’Andriamanitra na tsia, ka tsy misy fandraisana ny Fanahy Masina dia adala.
Ny olona adala dia mora mandrehitra ny fitiavany ny fiangonany sy ny zotom-pony isan’andro isan’andro. Apetraho mazava tsara, fa ny adala dia mandrehitra ny fihetsem-pony foana amim-pahazotoana ho an’Andriamanitra. Raha lazaintsika hoe manodidina ny 20 cm eo ho eo ny fahafanam-pontsika ary mila indray andro ny mampirehitra ny 1cm, dia mila 20 andro fotsiny izany dia levon’ny afo ny fahafanam-pontsika. Ny fahafanam-po ao ambadiky ny finoan’izy ireo dia mandray hery avy amin’ny vavaka marain’alina, alim-bavaka, vavaka fifadian-kanina ary fivoriam-pifohazana, fa ny fahafanam-pon’izy ireo ihany koa dia mihamay mandritry ny androm-piainan’izy ireo. Tena voarendrika ao anatin’izany izy ireo ary tsy mitsahatra mandoro ny fahafanam-pon’izy ireo manokana.
Levon’ny anaran’I Jesosy ny hafanam-pon’izy ireo. Miangona any am-piangonana izy ireo ary mandrehitra ny fony saingy mbola sahirana sy mitady zavatra hafa hatrany ny fon’izy ireo. Ny antonin’izany dia satria avy amin’ny fahatsapana ara-batana fotsiny ny finoan’izy ireo; noho izany, dia mangetaheta zavatra mitovy hatrany izy ireo mba hanomezana hery indray ny fahatsapan’izy ireo mba tsy hahafaty ny lela afo. Saingy, tsy afaka mandray ny Fanahy Masina izy ireo amin’izany karazam-pinoana izany. Ny fandrehetana ny fihetseham-pon’izy ireo dia tsy hitarika azy ireo handray ny Fanahy Masina mihintsy.
Isika rehetra dia mila manomana finoana madio mba handraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny fahafenoan’ny fanatrehan’Andriamanitra. Avy eo zay vao ho mendrika ny handray ny Fanahy Masina izy ireo. Ahoana no ahazoantsika izany finoana izay mampahamendrika antsika handray ny Fanahy Masina izany? Ny marina dia mifamatotra amin’ny filazantsara mahafinaritra izay novitaina tamin’ny alalan’ny Batisan’I Jesosy tao Jordana sy ny fandatsahany ny ràny teo amin’ny hazofijaliana.
Nosokajian’Andriamanitra ho “taranaka mpanao ratsy” (Isaia 1:4) isika. Mila manaiky ny tenantsika amin’izany isika. Ny olona dia nateraka niaraka tamin’ny fahotana 12 karazana hatrany am-boalohany (Marka 7:21-23). Ny olombelona dia tsy afaka manao na inona na inona afa-tsy ny manota hatramin’ny andro nahaterahany ka hatramin’ny andro hahafatesan’izy ireo.
Ao amin’ny Jaona 1:6-7, dia voasoratra hoe, “Nisy lehilahy nirahin’Andriamanitra, Jaona no anarany. Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ny olona rehetra nohon’ny teniny” Jaona mpanao batisa no nanao batisa an’I Jesosy ary namindra ny fahotan’izao tontolo izao Taminy, ka nilaza hoe, “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jaona 1:29). Novonjena tamin’ny fahotantsika rehetra isika, isaorana ny batisan’I Jaona teo amin’I Jesosy Kristy. Raha tsy nanao batisa an’I Jesosy I Jaona no sady tsy nanambara fa Izy no Zanak’ondrin’Andriamanitra izay izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, dia tsy afaka nahalala isika fa I Jesosy no nanaisotra ny fahontantsika rehetra niaraka Taminy hatreny amin’ny hazofijaliana. Fa isaorana ny fijoroana vavolombelon’I Jaona, fa lasa takantsika fa I Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika rehetra ary afaka mandray ny Fanahy Masina isika.
Amin’ity finoana ity, no mahalasa ampakarina izay voaomana tsara mba hitsena an’I Jesosy, ilay mpampakatra. Isika no virijina izay mino an’I Jesosy ary tena voaomana tanteraka mba handray ny Fanahy Masina.
Moa ve mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy amin’ny fonao rehetra ianao? Moa ve mino ianao fa Jesosy Kristy no nanaisotra ny fahotanao rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany tamin’I Jaona? Ny baiboly dia milaza hoe, “Ny finoana dia avy amin’izay re, ary izay re dia avy amin’ny tenin’Andriamanitra” (Romana 10:17). Tsy maintsy mino isika fa Jesosy dia nataon’I Jaona batisa ary maty teo amin’ny hazofijaliana mba handraisana ny Fanahy Masina. Tsy maintsy fantantsika fa ny fandraisana ny Fanahy Masina dia avy amin’ny Finoana fa Jesosy dia tonga teto an-tany tahaka ny olombelona ary nataon’I Jaona batisa, avy eo maty teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana tamy maty.
Na dia ankehitriny aza, dia misy vondrona roan y mpino, mitovy amin’ireo virijina 10 tao amin’ny tantara tetsy ambony no fizaran’izy ireo. Amin’iza amin’ireo ary ianao? Tsy maintsy mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana ny rano sy ny Fanahy ianao. Miangona amin’ny fiangonana ve ianao, nefa mbola miandry ny Fanahy Masina ho tonga aminao ihany? Tsy maintsy fantatrao ny fomba marina mba handraisanao ny Fanahy Masina.
Amin’ny finoana inona no ahafahantsika mandray ny Fanahy Masina? Afaka ny mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny hafanam-po faly ny majika ve ianao? Afaka mandray ny Fanahy Masina eo am-bavahaona ny fahafatesana ve ianao? Afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana ny fivavahana tafahoatra ve ianao? Moa ve tokony hivavaka ho amin’ny famelan-keloka ny fahotanao hatrany amin’Andriamanitra ve ianao? Ny baiboly dia milaza fa rehefa avy natao batisa I Jesosy dia niakatra avy tao anaty rano, ary ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala. Natao batisa Izy mba hitondrany ny fahotantsika rehetra, ary mba hilazany amintsika, fa hihombo eo amin’ny hazofijaliana Izy mba handoavany ny tambin’ny fahadisoantsika rehetra.
Nataon’I Jaona batisa I Jesosy mba hitondra ny fahotan’izao tontolo izao ary nandeha teny amin’ny hazofijaliana mba ahafahantsika ho voavonjy sy handray ny Fanahy Masina. Izany no fahamarinana. Jesosy dia natao batisa tamin’I Jaona, notsaraina nohon’ny fahotantsika teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana tamin’ny maty. Tsy maintsy mino ny batisan’I Jesosy tamin’i Jaona sy ny ràny teo amin’ny hazofijaliana isika mba hahazoantsika ny famelan-keloky ny fahotantsika. Afaka hitantsika tamin’ny batisan’I Jesosy (Matio 3:13-15) fa ny Fanahy Masina dia tonga tamim-pilaminana toy ny voromailala teto amintsika izay efa voasasa tamin’ny finoana ny Batisany. 
Mba hahazoana ny Fanahy Masina, dia ilaina ny mino ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny Fanahy Masina dia tonga amin’ny olona iray milamina toy ny voromailala rehefa mino ny famelan-keloka izy. Ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina dia tokony hahafantatra fa izany dia tanteraka noho ny famelana ny fahotana tamin’ny alalan’ny finoana. Midina ao amin’izay mino ny famelan-keloka amin’ny fony manontolo ny Fanahy Masina.
Tonga tamin’ny mofo sy ny divain’ny fiainana mandrakizay Jesosy Kristy (Matio 26:26-28; Jaona 6:53-56). Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy taorian’ny batisany, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17).
Zavatra mora ny mino an’Andriamanitra ho Trinite. Andriamanitra no Rain’i Jesosy ary Jesosy dia Zanak’Andriamanitra. Andriamanitra koa ny Fanahy Masina. Ny Trinite dia Andriamanitra Iray ho antsika.
Mila fantatrao fa tsy handray ny Fanahy Masina na oviana na oviana ianao amin’ny finoana ny Hazo fijaliana na amin’ny fiezahana hanamasina ny tenanao amin’ny asa marina. Rehefa mino fa i Jaona no nanao batisa an’i Jesosy mba hametraka ny fahotantsika rehetra teo Aminy, ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy mba hanonerana ny fahotantsika rehetra irery ihany ianao vao afaka mandray ny Fanahy Masina ianao. Tsotra sy mazava tokoa ny fahamarinana! Tsy sarotra ny mandray ny famelan-keloka sy ny Fanahy Masina.
Niteny tamintsika tamin’ny fomba tsotra Andriamanitra. Ny IQ an’ny olon-tsotra dia manodidina ny 110 ka hatramin’ny 120. Ny filazantsarany dia mora azon’ny olon-tsotra. Na dia ho an’ireo ankizy 4 na 5 taona aza dia tsy sarotra ho azy ireo ny mahatakatra ilay filazantsara mahafinaritra. Fa raha niresaka tamintsika ny amin’ny hitoeran’ny Fanahy Masina amin’ny fomba raitra kokoa ve Andriamanitra, dia ho afaka hahazo Azy ve isika? Namela ara-drariny ny fahotantsika rehetra Andriamanitra ary nanome ny Fanahy Masina ho fanomezana ho an’izay mino izany.
Andriamanitra dia milaza amintsika fa tsy afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana na ny vavaky ny fibebahana isika. Ny Fanahy Masina dia tsy tonga noho ny fifadian-kanina na ny fanoloran-tena na ny fivavahana mandritra ny alina eny an-tendrombohitra. Karazana finoana inona no miteraka ny fandraisana ny Fanahy Masina ao anatintsika? Finoana ny nahatongavan’i Jesosy teto amin’izao tontolo izao, Ilay natao batisa mba hanala ny fahotantsika rehetra, maty teo amin’ny Hazo fijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty.
 


Tena tsy maintsy mino an’izany ve isika?


Nahoana isika no tokony handray famelan-keloka sy handray ny Fanahy Masina? Mba hahatonga antsika ho olom-pirenen’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia mila ny Fanahiny isika. Noho izany, mba hahazoana ny Fanahy Masina, dia mila mino an’i Jesosy ho Mpamonjy antsika isika, ny Batisany sy ny Rany, ary farany, dia tsy maintsy voavela ny fahotantsika.
Nahoana Andriamanitra no manome ny Fanahy Masina ho an’ireo izay nahazo famelana ny fahotany? Ny antony dia ny hanasiana marika amin’ny maha-olony azy ireo. Mba hanisy tombo-kase ireo izay mino an’i Jesosy miorina amin’ny tenin’Andriamanitra, dia omeny azy ireo ny Fanahy Masina ho antoka.
Be dia be ny olona manana finoana diso. Zavatra mora tokoa ny mino ny batisan’i Jesosy sy mandray ny Fanahy Masina. Mora amintsika izay efa nandray ny Fanahy Masina, saingy tsy hain’ireo izay tsy mbola nahazo ny famelan-keloka atao izany. Tsy mahalala ny fahamarinana izy ireo fa mitady fomba hafa handraisana ny Fanahy Masina, toy ny fandrendrehana ny tenan’izy ireo any amin’ny fivavahana mahafaty amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana tafahoatra. Tsy mahalala na inona na inona izy ireo ka lasa very hevitra noho ny voa nafafin’i Satana, ka latsaka teo ambanin’ny fitaoman’ny finoanoam-poan’ny fiangonana.
Ny Fanahy Masina dia mitoetra ao anatin’ireo izay mino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana ka efa nahazo ny famelan-keloka. Ireo izay mino ny famonjen’Andriamanitra ihany no afaka miaiky hoe: “Tsy manana fahotana aho”. Raha tsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ny olona iray, dia tsy afaka milaza izy fa tsy manana fahotana. Toy izany koa, Andriamanitra dia nanome ny Fanahy Masina ho fanomezana antoka ho an’ireo zanany izay mino ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana ka efa nahazo ny famelan-keloka.
Iza no nijoro ho vavolombelona fa ny batisan’i Jesosy sy ny rany dia nanaisotra ny fahotantsika rehetra? Nijoro ho vavolombelona izany i Jesosy sy ny mpianany ary ny Fanahy Masina. Iza no nikasa hamonjy ny olona rehetra ho afaka amin’ny fahotany? Ny Ray Masina no nanao izany. Iza no nanatanteraka izany drafitra izany? Jesosy Kristy no nanao izany. Iza no nanome antoka fa ho tanteraka io drafitra io? Ny Fanahy Masina no nanao izany.
Te hanao antsika ho olony Andriamanitra ka nanapa-kevitra ny hamonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Noho izany, ny Trinite Masina dia niantoka ny famonjena antsika farany ary nanaiky ny famelana ny fahotantsika.
Ao amin’ny Matio 3:17, dia voasoratra hoe: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Ireo izay manana ny Fanahy Masin’Andriamanitra no olon’Andriamanitra. Izy ireo no Zanany. “Ity no Zanako malalako izay sitrako.” Jesosy dia Andriamanitra hatrany am-boalohany. Hoy Andriamanitra Ray amintsika: “Raha te hahazo famelan-keloka ianareo, dia minoa fa ny fahotan’ny olombelona rehetra dia nesorin’i Jesosy, Zanako Lahitokana, mandrakizay, raiso ny Fanahy Masina, ka aoka ho lasa zanako.” Ireo izay mino izany dia hahazo famelana ny fahotany ary ho tonga zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Nomeny azy ireo ny fanomezana dia ny Fanahy Masina mba hamehezana azy ireo ho zanany. Rehefa mino ny batisan’i Jesosy sy ny rany miaraka irery ihany isika vao afaka mahazo famelan-keloka.
Rehefa tsy mamoaka ny ao am-pony ny olona ary tsy mino ny filazantsaran’ny famelan-keloka, dia mirona amin’ny finoana ny hoe ny fahotan tany am-boalohany ihany no efa lasa fa tokony hivavaka tsy an-kijanona amim-pibebahana izy ireo mba hahazoana famelan-keloka ho an’ny fahotany ankehitriny. Raha lavo amin’ny eritreritra toy izany izy ireo, dia lasa hanahirana ny sainy sy tsy ho azony mihintsy ny Baiboly. Noho izany dia lasa manana finoana hafa noho ny an’ny mpianany izy ireo.
Misy milaza fa ny Fanahy Masina dia tonga ao aminy “amin’ny alalan’ny vavaka”. Tsy marina anefa izany raha jerena ny Baiboly. Mety ho mitombina izany, nefa ny Baiboly dia milaza fa rehefa nivoaka avy tao amin’ny rano i Jesosy taorian’ny nanaovan’i Jaona batisa Azy, dia nidina teo amboniny toy ny voromailala ny Fanahy Masina. Manaporofo izany fa raha te handray ny Fanahy Masina isika, dia mila mino fotsiny fa Jesosy tonga teto amin’izao tontolo izao, ary nataon’i Jaona batisa mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, sy notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana ho azy ireo, ary nitsangana tamin’ny maty mba ho tonga Mpamonjy antsika.
Inona no lazain’Andriamanitra amintsika rehefa mino izany fahamarinana izany isika ary efa nandray ny Fanahy Masina? Hoy izy: “Zanako ianao. Ity no Zanako malalako izay sitrako.” Toy izany koa no holazain’Andriamanitra amin’ireo izay mino an’i Jesosy ka voavela ny helony amin’ny ho avy. Io fahamarinana io no fampanantenan’Andriamanitra ny hahatonga antsika ho zanany.
Saingy mbola mihevitra ny olona fa misy fomba hafa handraisana ny Fanahy Masina. Mihevitra ve ianao fa hidina ao aminao ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fitarainanao sy ny ezaka ataonao eto an-tany? Ny asan’Andriamanitra dia baikoan’ny sitrapony irery ihany ary ireo izay mahazo famelan-keloka ihany no homeny ny Fanahy Masina. Hoy Izy: “Nasaiko natao batisa ny Zanako mba hanaisotra ny fahotanareo rehetra sy ny hanomboana Azy amin’ny hazo fijaliana mba hotsaraina noho ireo. Izaho no nanendry ny Zanako ho Mpamonjy anao. Raha manaiky ny famelan-keloka izay nataon’ny Zanako ianareo, dia haniraka ny Fanahy Masina ho anareo Aho.”
Izay tian’ny Raintsika ihany no ataony. Na dia handohalika mandritra ny alina aza ny olona iray ka hitomany Aminy mandra-pahamaina ny havokavony, dia tsy voatery handefa ny Fanahy Masina ho azy Andriamanitra. Holaviny fotsiny izy ka hilazany hoe: “Mbola tsy nandray ny fahalalana marina ianao ka mbola mifikitra amin’ny finoana diso. Ny Fanahy Masina dia hosakanana tsy ho aminao raha mbola mandà ny finoana marina ianao.”
Eto amin’ity izao tontolo izao ity, ny fanapahan-kevitry ny olombelona dia mety hiova arakaraka ny toe-javatra iainany, fa ny lalàna izay napetrak’Andriamanitra ho famelan-keloka sy fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy hiova. Raha lavo eo ambanin’ny fandriky ny finoana diso ianao, dia sarotra ny hahita ny lalana marina indray. Milaza ny Baiboly fa vato mahatafintohina an’ireo tsy mpankatò i Jesosy (1 Petera 2:8).
Ny olona izay mino an’i Jesosy nefa tsy mahafantatra ny antony nanaovana batisa Azy dia ny antsasaky ny filazantsaran’ny fanavotana ihany no inoany ary azo antoka fa ho very any amin’ny helo. Noho izany, raha vao mino an’i Jesosy ianao, dia tokony ho fantatrao ny momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany, izay ahitana ny filazantsaran’ny famelan-keloka. Ary raha mahazo famelan-keloka ianareo, dia handray ny Fanahy Masina koa.
Andeha isika hosainintsika ny fiainan’i Jesosy teto an-tany. Tonga olombelona i Jesoa ary nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany. Maty teo amin’ny Hazo fijaliana koa Izy ary notsaraina noho ny fahotantsika mba hamonjena antsika amin’ny afon’ny helo. Ireo izay mino Azy no handray ny Fanahy Masina ho fanomezana.
Noho izany dia tsy maintsy manaraka ny lalana marina isika rehetra mba hahazoana ny Fanahy Masina. Ny ilaina dia ny mieritreritra araka ny tenin’ny fahamarinana. Rehefa manao izany isika dia hiaro anao sy hitahy anao Jesosy. Ireo izay manafoana ny fony sy mino ny teniny dia afaka miaina amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fahazoana ny famelan-keloka, ary hotarihin’ny Fanahy Masina. Ankoatra izany, dia afaka mitarika ny hafa amin’ny lalana marina izy ireo miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina.
Minoa ny fanavotana vita tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Amin’izay isika vao afaka manaraka Azy amim-pinoana ka mandray ny fitahian’ny famelan-keloka, ny fiainana mandrakizay ary ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao anatintsika. Jesosy no Tompon’ny famelan-keloka, izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Nodiovin’i Jesosy ny fahotantsika rehetra ary nomeny ny Fanahy Masina ireo izay mino ny filazantsaran’ny fahamarinana. Afaka mandray ny Fanahy Masina ianao amin’ny alalan’ny fanekena ny finoana marina. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA