(Isaia 9:5-6)
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanjakana dia eo an-tsorony. Ary ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanjakany sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerina azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’ny Tompon’ny tafika no hahatanteraka izany.”
Inona no mamela ny Fanahy Masina hitoetra ao amin’ny?
Ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy
Mba hahazoana ny Fanahy Masina dia mila mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika. Ny Tompontsika dia atao hoe Mahagaga sy Mpanolo-tsaina ary Andriamanitra Mahery. Ny Tompontsika dia naneho ny tenany ho lalana mankany an-danitra. Nanolotra ny olona rehetra ny fanomezam-pahasoavan’ny filazantsara mahafinaritra i Jesoa Kristy.
Na izany aza, eto amin’ity izao tontolo izao ity dia misy olona maro izay mbola miaina ao anatin’ny fahamaizinana. Miezaka ny handositra amin’izany haizina izany izy ireo saingy noho ny tsy fahafantarany ny filazantsara mahafinaritra dia tsy afa-miala amin’ny fahotany mihitsy izy ireo. Nefa, tokony hiala amin’ny finoany ny fampianaran-diso izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa, ho an’ireo izay mikatsaka ny fahamarinana, dia hihaona amin’ny filazantsara mahafinaritra izy ireo ary hiaina ny androm-piainany manontolo amin’ny alalan’ny fitahian’Andriamanitra. Mino aho fa ny fitahian’Andriamanitra manokana no mamela ahy hanampy azy ireo hahita ilay filazantsara mahafinaritra sy hanadio azy ireo amin’ny fahotany.
Noho izany, ny fahafahana amin’ny fahotana dia tsy ho tanteraka raha tsy noho ny fitahiany. Raha nihaona tamin’ny Tompo isika ka nandray ny Fanahy Masina dia tena sambatra tokoa. Saingy ny mampalahelo fa maro ny olona no tsy mahafantatra fa ny fitahian’Andriamanitra dia avy amin’ny finoana an’io filazantsara mahafinaritra io.
Ny fitahian’Andriamanitra dia vokatry ny finoana ny filazantsara kanto izay nomen’i Jesosy Kristy, Zanany lahitokana ho antsika. Jesosy no Ilay namonjy antsika tamin’ny fahotan’izao tontolo izao sy nitahy antsika tamin’ny famindram-pony. Tsy misy olon-kafa afaka hamonjy antsika amin’ny fahotantsika na hanampy antsika hamafa ny fahamelohana ao am-pontsika. Iza no afaka hamonjy ny tenany amin’ny fahotany sy ny fanaintainan’ny fahafatesana mandrakizay?
Izao no lazain’Andriamanitra amintsika: “Misy lalana ataon’ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany.” (Ohabolana 16:25). Manorina ny fivavahany manokana ny olona ary mitarika ny tenany ho amin’ny fandringanana sy ny fahafatesana. Betsaka ny fivavahana mirehareha fa manantitrantitra ny fahamarinana ary mampiseho ny fiezahany hamonjena ny olona amin’ny fahotany nefa ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’ny Tompontsika antsika ihany no mahavonjy antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Jesosy irery ihany no Mpamonjy afaka mamonjy ny mpanota amin’ny fahotany.
Ao amin’ny Jaona 14:6, ny Tompontsika dia nilaza hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.” Nanome ny nofony sy ny rany ho an’ireo izay efa an-dalana ho any amin’ny fahafatesana Izy. Nohariny ho lalana mankany amin’ny tena fiainana ihany koa ny Tenany. Andriamanitra dia milaza fa raha tsy mino ny filazantsara mahafinatry Jesosy ny olona iray, dia tsy afaka miditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra izy.
Tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika, mba ho voavela ny helotsika ary mino fa Izy no Mpamonjy antsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Indray mandeha tany Israely fahiny!
“Ary tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia, mpanjakan’ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan’i Syria, sy Pelza, zanak’i Remalia, mpanjakan’ny Isiraely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy naharesy azy izy.” (Isaia 7:1).
Firenena iray ihany ny Israely tany am-boalohany. Saingy, nizara ho atsimo sy avaratra anefa ny Israely. Ny tempolin’Andriamanitra dia tao Jerosalema any atsimon’i Jodia, izay nanjakan-dRehoboama, zanak’i Solomona mpanjaka. Tatỳ aoriana, dia nanorina firenena hafa tany avaratra i Jeroboama, iray tamin’ireo mpanompon’i Solomona, ka nizarazara ny Israely. Nanomboka tamin’izay, dia niharatsy ny finoana an’Andriamanitra. Ny fiharatsian’ny finoana no lasa loharanon’ireo fivavahana mpivadi-pinoana ankehitriny. I Jeroboama àry no nahatonga ny fivavahan-diso. Nanova ny lalàn’Andriamanitra izy mba hihazonany ny seza fiandrianany ka lasa rain’ny mpivadi-pinoana. Namorona fivavahana hafa ho an’ny olony tany Israely izy, dia ny Fanjakana Avaratra ka nanandrana nanafika an’i Joda, ilay Fanjakana Tatsimo. Efa ho 200 taona no lasa, nefa tsy niova ny fifandraisan’ny fanjakana roa.
Kanefa Andriamanitra dia niteny tamin’ny alalan’i Isaia hoe: “Satria efa nanao saina hampidi-doza anao Syria sy Efraima ary ny zanak’I Remalia ka nanao hoe: Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy, ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’i Tabela ho mpanjaka ao afovoany. Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka ary tsy hisy izany. Fa ny lohan’i Syria dia Damaskosy, ary ny lohan’i Damaskosy dia I Rezina. Ao anatin’ny dimy amby enimpolo taona dia ho rava i Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony. Ary ny lohan’i Efraima dia Samaria, ary ny lohan’i Samaria dia ny zanakalahin’i Remalia. Raha tsy mety mino ianareo, dia tsy ho tafatoetra.” (Isaia 7:5-9).
Tamin’izany fotoana izany, Andriamanitra dia naminany tamin’ny alalan’i Isaia ny amin’i Ahaza Mpanjaka, nefa tsy nino Azy ny mpanjaka. Nanahy fotsiny i Ahaza sao tsy hahatohitra ny tafik’i Syria akory, fa rehefa nandre ny amin’ny fanafihan’ny Syriana sy ny Isiraely tamin’ny fifanekena, dia nangovitra izy. Fa tonga kosa ny mpanompon’Andriamanitra iray, dia Isaia, ka nilaza taminy hoe: “Tsy ampy dimy amby enimpolo taona, dia ho rava ny Isiraely avaratra. Ary tsy ho tanteraka ny teti-dratsy izay nokasain’ireo mpanjaka roa ireo.”
Nilaza tamin’i Ahaza Mpanjaka ny mpanompon’Andriamanitra mba hitady famantarana avy amin’Andriamanitra. “Mangataha famantarana amin’i Jehovah Andriamanitrao; eny mangataha na ho avy amin’ny lalina, na ho avy amin’ny avo any ambony.” (Isaia 7:11). Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ry taranak’i Davida! Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, no dia hanasatra an’Andriamanitro koa ianareo? Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.” (Isaia 7:13-14). Izao no faminaniany: Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.
Iza no fahavalon’Andriamanitra?
Ny fahavalon’ny olombelona dia ny fahotana ary ny fahotana dia avy amin’i Satana. Ary iza no Mpamonjy amin’ny fahotantsika? Ny Mpamonjy dia tsy iza fa i Jesosy Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra. Manana fahalemena fototra amin’ny nofo ny olona ka noho izany dia tsy afaka ny tsy hanota. Eo ambany fahefan’i Satana izy. Betsaka ny olona mbola miandeha any amin’ny mpisikidy ary miezaka ny miaina araka ny nampianarin’ireo mpaminany sandoka azy ireo. Izany dia porofo mivantana fa eo ambany fifehezan’i Satana izy ireo.
Nanome porofon’ny famonjena an’i Isaia ny Tompo, tamin’ny filazana fa ny virijiny iray dia hiteraka zazalahy iray ary hiantso azy hoe Imanoela. Planin’Andriamanitra ny naniraka an’i Jesosy hanam-pitoviana amin’ny nofon’olombelona, mba hamonjeny ny mpanota amin’ny fampahorian’i Satana tamin’ny alalany. Araka ny faminaniana dia tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy tamin’ny naha-olombelona naterak’i Maria virjiny.
Raha tsy tonga teto amintsika i Jesosy, dia ho mbola niaina teo ambanin’ny fanjakan’i Satana isika. Fa Jesosy dia tonga teto amin’izao tontolo izao ary nataon’i Jaona batisa ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hanomezana antsika ny filazantsara mahafinaritra izay hamonjy ny mpanota rehetra amin’ny fahotany. Noho izany dia maro ny olona nino ny filazantsara kanto, ka nahazo famelan-keloka ny fahotany ary tonga zanak’Andriamanitra.
Na amin’izao andro izao aza, dia maro ny teolojiana miady hevitra hoe Andriamanitra ve i Jesosy Kristy sa olombelona. Milaza ny teolojiana mpandàla ny nentin-drazana hoe “Andriamanitra i Jesosy”, nefa nisy Teolojianina Vaovao namaly tamin’ny filazana fa zanak’i Josefa tsy ara-dalàna i Jesosy. Filazana mampitomany tokoa izany!
Misy teolojianina vaovao milaza fa tsy afaka mino izy ireo hoe nahay nandeha teo ambony rano i Jesosy. Lazain’izy ireo fa: “Jesosy nandeha teny amin’ny havoana iva, ary ny mpianany, raha nahatazana Azy teny lavidavitra, dia nihevitra fa nandeha tambonin’ny rano Izy”. Ireo dokotera nianatra ny zavatra avy any an-danitra amin’izao fotoana izao izay ao amin’ny sekolin’ny Teolojia Vaovao dia tsy lehilahy lehibe amin’ny teolojia. Ny ankamaroan’izy ireo dia misafidy ny tsy hino afa-tsy izay azony ao amin’ny Baiboly.
Mba hanomezana ohatra iray hafa, dia milaza ny Baiboly fa namahana olona 5 000 tamin’ny hazandrano roa sy mofo dimy i Jesosy. Mbola misalasala ihany anefa izy ireo momba io fahagagana io. Manazava izany amin’ny teny manaraka izy ireo. “Nanaraka an’i Jesosy ny olona ka maty noana. Koa nasain’i Jesosy nanangona ny sakafo sisa rehetra ny mpianany. Avy eo dia nisy zaza nanome Azy an-tsitrapo, ary ny olon-dehibe rehetra dia nokasihina ka namoaka ny sakafony avy. Ary rehefa nangoniny ny hanina rehetra ka nihinana, dia nisy harona roa ambin’ny folo sisa tsy lany. Ireo karazana teolojiana ireo dia miezaka fotsiny ny manao ny tenin’Andriamanitra hifanaraka amin’ny fahatakarany manokana.
Ny finoana ny fahamarinan’Andriamanitra dia fananana finoana fotsiny ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’Andriamanitra. Ny finoana dia tsy midika hoe mino zavatra iray fotsiny satria toa misy dikany na tsy mino zavatra hafa satria tsy tsy misy dikany izany. Na azontsika izany na tsia, dia tsy maintsy matoky Azy isika ary manaiky ny teniny araka ny voasoratra.
Ny nahatongavan’i Jesosy ho Zanak’olona dia midika fa nirahina hamonjy antsika amin’ny fahotantsika rehetra Izy. Jesosy, izay Andriamanitra, dia tonga teto an-tany hamonjy antsika. Efa naminany i Isaia fa ho avy amintsika amin’ny maha-Zanak’olona Azy Izy, ary hateraky ny virijiny Izy.
Ao amin’ny Genesisy 3:15, dia hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ilay menarana: “Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; Izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”. Midika izany fa Andriamanitra no nikasa ny handefa an’i Jesosy, amin’ny fisehoany amin’ny maha-olombelona, ho Mpamonjy antsika mba hamonjy ny olombelona amin’ny fahotany.
Izao no voasoratra ao amin’ny Baiboly: “‘Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?’ Fa ny ota no fanindronan’ny fahafatesana, ary ny lalàna no herin’ny ota.” (1 Korintiana 15:55-56). Ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana. Rehefa manota ny olona, dia ny fahafatesana no mahatonga azy ho andevony. Saingy nampanantena ny Tompontsika hoe: “Ny taranaky ny vehivavy no hanorotoro ny lohanao.” Midika izany fa handrava ny fanindronan’ny fahotana nentin’i Satana i Jesosy.
Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy, ary natao batisa mba hanala ny fahotan’izao tontolo izao ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana sy notsaraina ho azy ireo. Novonjeny tamin’ny fahotany izay rehetra mino ny filazantsara mahafinaritra. Rehefa nanota i Adama sy Eva, dia nampanantena Andriamanitra fa hamonjy ny olombelona amin’ny herin’i Satana. Ao amin’ny tontolon’ny maoderina, ny fahavalon’Andriamanitra dia ireo izay tsy mino ny filazantsara mahafinaritra.
Nahoana no nateraka teto amin’izao tontolo izao I Jesosy?
Nomen’Andriamanitra antsika ny lalàna sy ny filazantsara kanto mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika. Teo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra, dia lasa mpanota teo anatrehany ny olona. Toy izany koa, ny lalàna dia nomena mba hahafantataran’ny olona ny fahotany. Rehefa lasa andevon’ny fahotana sy ny lalàna mihitsy ny olona, dia tonga teto amin’izao tontolo izao ny Tompontsika mba hanatanteraka ny fepetra marina ao amin’ny lalàna.
Nateraka tao ambanin’ny lalàna i Jesosy. Nateraka tao amin’ny taonan’ny lalàna Izy. Ny antony nilàn’ny olona ny lalàna dia satria mila fantatr’izy ireo ny fahotany mba hahazoana famelan-keloka ho azy ireo. Manadio ny loto amin’ny akanjony ny olona rehefa fantany fa maloto izy ireo. Toy izany koa, mba hahafantarana ny fahotany, dia tokony hahafantatra ny lalàn’Andriamanitra ny olona. Raha tsy nisy lalàna, dia tsy nisy fahatsapana ny fahotana, ary Jesosy dia tsy voatery ho tonga teto amin’izao tontolo izao.
Raha fantatrao ny lalàn’Andriamanitra dia manana fahafahana hihaona Aminy ianao. Nahafantatra ny lalàna isika ka afaka nianatra momba ny fahotantsika. Rehefa avy nahafantatra ny fahotantsika isika aloha vao nitondra ny filazantsara kanto mba hinoantsika izany I Jesosy Kristy. raha tsy nomen’Andriamanitra antsika ny lalàna, dia tsy ho mpanota isika ary tsy hisy fitsarana. Noho izany, no nanomezan’Andriamanitra antsika ny lalàna sy nanolorany antsika ny filazantsara mahafinaritra mba hamonjena ny mpanota rehetra amin’ny fahotany.
Ny lalàna izay tsy maintsy misy eo amin’ny Mpahary sy ny zavaboariny dia ny lalàn’ny famonjen’Andriamanitra. Izany no lalàn’ny fitiavana. Hoy Andriamanitra tamin’ny olombelona: “Fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana.” (Genesisy 2:17). Izany no lalàna nomen’Andriamanitra antsika, ary ny lalàna no fototry ny fitiavana izay namonjen’Andriamanitra antsika rehetra tamin’ny fahotantsika. Ny lalàn’ny famonjena dia nanana ny fototry ny famelana ny fahotantsika. Andriamanitra dia milaza amintsika fa Izy no Mpamorona antsika ary ny zava-drehetra dia tonga araka ny sitrapony. Midika izany fa Andriamanitra no Tena Izy ary tokony hino ny lalàn’ny famonjena izay novitaina tamin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra ny olona.
Tena tsara tokoa ilay Andriamanitry ny fahatanterahana. Ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao no nanosika Azy hanao sorona ny Zanany lahitokana, izay tonga Mpamonjy ny mpanota rehetra. Raha Andriamanitra no namboatra antsika ka tsy nanome antsika ny filazantsara mahafinaritra mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika, dia ho nimonomonona Taminy isika. Fa Andriamanitra dia naniry ny hamonjy antsika amin’ny fandringanana antsika ary noho izany dia nanangana ny lalàn’ny famonjena. Noho ny lalàna dia afaka nahatsapa ny fahotantsika isika ary tamin’ny fijerena azy ireo mivantana, dia manomboha mino ny filazantsara kanto nataon’i Jesosy. Rehefa mandika ny tenin’Andriamanitra isika, dia miseho ho mpanota eo anatrehan’ny lalàna, ary aorian’izany rehetra izany dia mandohalika isika mpanota mba hangataka ny famindram-pony amin’ny famelan-keloka eo anatrehan’Andriamanitra.
Nateraky ny vehivavy Jesosy ary tonga teto amin’izao tontolo izao mba hamonjy ny olombelona amin’ny fahotany. Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy mba hanatanteraka ny drafitr’Andriamanitra ho antsika. Mino ny filazantsarany tsara tarehy isika. Koa midera ny Tompo isika.
Ny sasany mimonomonona hoe: “Nahoana no nataon’Andriamanitra ho malemy aho ka mora latsaka tao anatin’ny fahotana sy nijaly mafy noho ny fahadisoako?” Tsy tian’Andriamanitra hijaly anefa isika. Navelany hijaly isika satria tsy resy lahatra amin’ny filazantsaran’i Jesosy. Nomen’Andriamanitra antsika ny fijaliana sy ny filazantsara kanto mba hananantsika hery mitovy aminy Amin’ny zanany. Izany no tanjony.
Fa hoy ny demonia: “Tsia! Tsia! Andriamanitra dia mpanao didy jadona! Mandehana ary miaina araka izay tianao. Mahaleo tena! Miharia ny harenanao amin’ny ezaka ataonao manokana!” Miezaka manakana ny finoan’ny olombelona an’Andriamanitra koa ny demonia. Fa ireo izay misafidy ny hisaraka amin’Andriamanitra no vato misakana ny tanjony ho an’ny famonjena. Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy ary niantso ireo izay eo ambany fahefan’i Satana mba hiala amin’ny fahotany. Tsy tokony ho tafasaraka amin’Andriamanitra isika.
Ny olombelona dia nateraka ho mpanota efa voalahatra hankany amin’ny helo
Tsy misy fahamarinana eto amin’ity tany ity ka tsy miova. Fa ny filazantsara mahafinaritry Jesosy no fahamarinana tsy azo ovaina. Noho izany dia afaka miantehitra amin’izany fahamarinana izany ny olona ary afaka amin’ny herin’i Satana. Nandova ny fahotan’i Adama sy Eva ny olombelona ary raha tsy nisy ny fanelanelanan’i Kristy dia ho voaozona ho any amin’ny afon’ny helo. Fa kosa, noho ny sorona nataony, dia nahazo hery ho tonga zanak’Andriamanitra ny olona. “Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana” (Isaia 8:23a). Nandefa ny Zanany teto amin’izao tontolo izao Andriamanitra ary nanome voninahitra izay mino ny famonjena mahafinaritra.
“Ny olona izay nandeha tamin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; izay mitoetra ao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava.” (Isaia 9:1). Androany dia tanteraka amiko sy aminao izany teny izany. Tamin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra dia notahiana tamin’ny fiainana mandrakizay izay tsy ho azontsika eto amin’ity tany ity isika. Namonjy ny olombelona tamin’ny fahotana rehetra teto an-tany i Jesosy Kristy ary nanome ny fiainana mandrakizay sy ny Fanjakan’ny lanitra ho an’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra.
Nampiposaka ny fahazavana tsaran’ny filazantsara Izy ho an’ireo izay tsy nanana fanantenana
Ny olombelona, dia toy ny zavona, dia misy eto amin’ity izao tontolo izao ity mandritra ny fotoana kelikely nefa vetivety dia levona. Toy ny zava-maniry sy ahitra isan-taona ny fiainany. Ny ahitra dia mitazona ny heriny mandritra ny volana vitsivitsy mandritra ny taona ary manjavona araka ny fanomezan’Andriamanitra azy. Zava-poana ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika, tsy misy dikany tahaka ity ahitra ity. Fa Andriamanitra dia nanome ny filazantsara mahafinaritra ho an’ny fanahintsika reraka ary noho ny fahamarinany no nahatonga antsika ho zanany. Fahasoavana mahagaga tokoa izany! Lasa fiainana mandrakizay ny fiainantsika tsy misy dikany noho ny fitiavan’Andriamanitra ary nomena zo ho tonga zanany koa isika.
Ity ny fanambarana nataon’ny fanahy iray izay nahazo ny fahasoavan’Andriamanitra tamin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra.
“Nateraka tao amin’ny fianakaviana tsy nino an’Andriamanitra aho. Noho izany dia notezaina aho nihevitra fa tsara ho an’ny reniko ny mivavaka amin’ireo andriamanitry ny lanitra sy ny tany mba hahasoa ny fianakaviako isa-maraina miaraka amin’ny lovia iray misy rano eo anoloany. Rehefa nihalehibe aho, dia tsy fantatro ny hasarobidiko na ny antom-pisiako, izay nahatonga ahy hino fa tsy mampaninona na velona na maty aho. Noho ny tsy fahafantarako ny hasarobidiko, dia nipetraka irery aho.
Nandreraka ahy izany karazana fiainana izany ka nihazakazaka nanambady aho. Nahafinaritra ny fiainako tamin’ny fanambadiana. Tsy nanana na inona na inona irina aho, ka nanana fiainana tony sy nilamina. Dia nanan-janaka aho ary nanomboka teo dia hitako fa nanomboka niseho tato anatiko ny fitiavana. Nanomboka nanary ny fanirian-tenako aho, nefa natahotra ny hahafaty ny olona akaiky ahy.
Teo no nanomboka nitady an’Andriamanitra aho. Olona marefo aho ary tsy vitako anefa izany, ka dia nila olona iray tanteraka hiambina ireo olon-tiako. Nanomboka nandeha tany am-piangonana àry aho, saingy niavaka kely tamin’ny an’ny reniko ny finoako rehefa nivavaka teo anoloan’ny lovia misy rano izy ─ tahotra sy fanantenana manjavozavo fotsiny no nifotorako tamin’ny vavaka nataoko.
Indray mandeha, dia nanatrika ny iray tamin’ireo fivoriana kely natao tao amin’ny fiangonana teo an-toerana aho, ary rehefa nivavaka aho, dia nanomboka nirotsaka ny ranomasoko. Menatra aho ary niezaka ny tsy nitomany, saingy nitohy ny ranomaso. Ny olona nanodidina ahy dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohako ary niarahaba ahy tamin’ny fandraisako ny Fanahy Masina. Very hevitra anefa aho. Tsy nahafantatra ny tenin’Andriamanitra akory aho ary manjavozavo fotsiny ny finoako Azy, ka tsy natoky aho fa avy amin’ny Fanahy Masina io hery io.
Ny fiangonana nalehako dia nifandray tamin’ny Hetsika Pentekotista-Karismatika, ary maro no nanana fahatsapana toa ahy ary saika ny rehetra no niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra. Indray andro, nasaina hanatrika fivoriana fifohazana notarihan’ny pasitera iray izay nolazain’ny olona fa feno ny Fanahy Masina aho. Nanangona olona maro tao amin’ilay fiangonana ilay pasitera ary nilaza fa hanasitrana ny sinusitisan’ny olona iray Izy araka ny heriny ara-panahy ny manao izany. Noheveriko anefa fa aretina mora sitrana tany amin’ny hopitaly ny sinusitis, ka nahaliana ahy kokoa ny fomba nandraisany ny Fanahy Masina. Saingy rehefa hita fa nahomby tamin’ny fiezahany nanasitrana ilay pasitera, dia nanomboka nirehareha izy fa afaka maminavina raha hahomby amin’ny fanadinana fidirana amin’ny oniversite ny mpianatra iray na tsia. Olona maro no nidera ny heriny toy ny hoe an’Andriamanitra.
Saingy tena tsy azoko mihintsy izy. Ary tsy afaka nilaza aho fa na inona na inona fahefana ananan’ny pasitera, dia misy ifandraisany amin’ny Fanahy Masina. Tsy noheveriko fa zava-dehibe raha afaka manasitrana sinusitis izy na maminavina ny fahombiazan’ny olona amin’ny fanadinana. Noho izany, tsy azoko raisina ho asan’ny Fanahy Masina ireo fahagagana hitany.
Tsy mitovy amin’ny hery sy ny fitiavan’Andriamanitra tao an-tsaiko ny zavatra hitako. Noho izany antony izany, dia tsy nivory intsony aho ary nanalavitra ireo olona nino ny fahefan’ny pasitera. Taorian’izay dia nivory tany amin’ny fiangonana mangina kokoa aho, izay nofidiko satria nino aho fa mifandray bebe kokoa amin’ny tenin’Andriamanitra izany. Nahafantatra ny lalàna aho ary tamin’ny alalan’izany fa tena tsy marina aho. Lasa fototry ny tahotro Andriamanitra ary nianatra aho fa tsy afaka mijery ny voninahitra eo anatrehany aho ary toa tsy miraharaha ahy ny Fanahiny.
Ao amin’ny Isaia 59:1-2 dia voasoratra hoe: “Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy; ary tsy lalodalovana ny sofiny, fa mahare. Fa ny helokareo no mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo; ary ny fahotanareo no nanafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.” Toa nifanaraka tamin’ny toe-javatra nisy ahy izany. Tsy afaka ny ho tonga zanany sy handray ny Fanahy Masina aho satria fahotana avokoa ny zavatra rehetra nataoko na noheveriko.
Natahotra an’Andriamanitra aho ka nanao vavaka fibebahana tsy tapaka. Tsy nisy olona niteny tamiko hanao izany, fa te hijoro amim-panajana teo anatrehan’Andriamanitra aho. Satria nanota aho, dia nanao vavaka fibebahana bebe kokoa. Saingy tsy nahavita nanasa ny fahotako ireo vavaka ireo. Ny hany nataoko dia nasehoko Azy ny eritreritro sy ny fahatsorako ka mbola tao anatiko ny fahotako. Nanomboka nitaraina tamin’Andriamanitra aho nanomboka tamin’izay. Naniry ny ho tanteraka teo imasony aho saingy tsy afaka ny ho tanteraka avy hatrany, ka nivangongo ny fitarainako sy ny fahotako.
Tapaka lalan-dra ny raiko nandritra izany fotoana nisian’ny fisafotofotoana ara-pivavahana izany. Nijaly nandritra ny 40 andro tao amin’ny efitrano fandidiana sy fandriana hopitaly izy talohan’ny nahafatesany. Saingy tsy mba afaka nivavaka ho an’ny raiko na dia indray mandeha aza aho. Mpanota aho, ka nihevitra aho fa raha mivavaka ho an’ny raiko aho, vao mainka hiharatsy ny fanaintainany. Ory aho noho ny tsy fahampian’ny finoako ary naniry ny hanaraka an’Andriamanitra aho saingy tsy afaka, ka nanohy nitaraina aho ary farany dia niala Taminy. Nifarana toy izany ny fiainako ara-pivavahana. Nihevitra aho fa raha mino Azy aho dia hitoetra ato anatiko ny Fanahiny ary hahita fiadanana aho, saingy tsy izany no izy. Vao mainka tsy nisy dikany ny fiainako taorian’izay, ary niaina tao anatin’ny tahotra sy ny tsy fahasambarana aho.
Fa ny Tompo tsy nahafoy ahy. Izy no nahatonga ahy hihaona tamin’ny mpino iray izay tena nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Nianatra tamin’io olona io aho fa Jesosy dia naka ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny Batisany tamin’i Jaona ary Izy dia notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana noho izany. Noho izany dia voavela avokoa ny fahotan’izao tontolo izao, anisan’izany ny ahy. Rehefa nandre sy nahafantatra izany aho, dia hitako fa voadio avokoa ny fahotako rehetra. Nanampy ahy hahazo famelan-keloka noho ny fahotako Andriamanitra, nanome ahy ny fitahian’ny Fanahy Masina ary nanome ahy fiainana milamina. Nitarika ahy mangina Izy, nanome ahy fahatakarana mazava ny tsara sy ny ratsy ary nanome ahy hery handresena ny fakam-panahin’izao tontolo izao. Namaly ny vavaka nataoko izy ary nanampy ahy hanana fiainana marina sy mendrika. Tena misaotra an’Andriamanitra aho noho ny nanomezany ahy ny Fanahy Masina.”
Ny tsirairay amintsika dia voatahy amin’ny fahasoavan’ny Tompo ary afaka mandray ny Fanahy Masina. Misaotra ny Tompo aho noho ny nanomezany antsika ny filazantsarany mahafinaritra. Notahin’Andriamanitra tamin’ny fahasambarana toy izany ny olo-marina. Faly ny fon’ny olo-marina; Nomen’ny Tompo fahasambarana mandrakizay isika. Fantatsika ny maha-sarobidy ny famonjen’Andriamanitra sy ny fitiavana ary ny fahasoavany ary mankasitraka azy ireo isika. Nomen’ny Tompo fahasambarana isika tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny lanitra kanto. Zavatra tsy azo vidim-bola izany. Nirahin’Andriamanitra ho antsika ny Fanahy Masina sy ny filazantsara mahafinaritra mba hahatonga antsika ho faly sy hilamina tsara. Ny filazantsara mahafinaritra no mahatonga ny fiainantsika ho voatahy. Nomen’ny Tompo antsika ny filazantsara kanto ary faly Izy fa manana fiainana feno fitahiana ny olo-marina.
Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka, dia hoy i Maria: “Fa amin’Andriamanitra dia tsy misy tsy hainy atao… Indro ny ankizivavin’ny Tompo! Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.” (Lioka 1:37-38). Tamin’ny fotoana ninoan’i Maria ny teny mahafinaritra nataon’Andriamanitra, araka ny nolazain’ny anjeliny, dia notorontoronina an’i Jesosy izy. Toy izany koa, tamin’ny alalan’ny finoany, no nitorontoronina ny filazantsara kanto tao am-pony ny olo-marina.
“Fa ny bao fitondran’entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; izay tsorakazon’ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ny andron’ny Midiana.” (Isaia 9:3). I Satana no nahatonga ny fahoriana sy ny aretina ary ny fampahoriana rehetra teo amin’ny fiainantsika, saingy malemy loatra isika ka tsy afaka nandresy azy. Saingy tia antsika anefa Andriamanitra ka niady tamin’i Satana sy noreseny izy.
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony. Ary ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanjakany sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” (Isaia 9:5-6).
Nampanantena Andriamanitra fa hanome voninahitra antsika amin’ny maha-zanany antsika amin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra izay nentin’i Jesosy. Nandresy an’i Satana araka ny fampanantenany Izy ary nanafaka antsika tamin’ny herin’i Satana.
Tonga teto an-tany ny Tompo ary nampanantena fa hanaisotra ny haizin’ny fahotana tamin’ny heriny. Koa antsoina koa hoe Ilay Mahagaga ny Tompontsika. Nanao zava-mahagaga maro ho antsika izy. Mifono mistery ny fanapahan-kevitr’Andriamanitra ho tonga eto amin’izao tontolo izao amin’ny maha-Zanak’olona. Hoy ny Tompo: “Avia ary hifandahatra isika; Na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala; na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy.” (Isaia 1:18).
Nampanantena ny Tompo fa hamonjy antsika amin’ny fahotantsika sy hanome antsika famelan-keloka mandrakizay. Jesosy dia atao hoe Ilay Mahagaga ary, araka izany, dia nanao fahagagana ho antsika. “Ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery”. Andriamanitra, amin’ny maha-Mpanolotsaina antsika, dia nanomana ny famonjena ho antsika tamin’ny alalan’ny filazantsara kanto ary nanatanteraka ny drafiny hamonjena antsika mandrakizay tamin’ny fahotantsika.
Ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona. Fahendreny ho an’i Jesosy ny nanaovan’i Jaona batisa Azy sy ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana mba hamonjeny antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Asa mifono mistery izay nataony ho antsika izany, fa ny lalàn’ny fitiavana no nanavotra antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Ny lalàn’ny fitiavana dia ny filazantsaran’ny fahamarinana izay mitarika antsika handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny rano sy ny rany.
Hoy ny Tompo ao amin’ny Isaia 53:10, “Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro Azy; hampangirifiry Azy”. Jesosy dia nanolotra ny fanahiny ho fanatitra noho ny ota mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Nafindrany tamin’i Jesosy Kristy Zanany ny fahotan’izao tontolo izao, ary nasainy niaritra ny fanaintainan’ny fanomboana Azy Izy mba hitsarana Azy noho ireo. Izany no filazantsara kanto izay namonjy ny olombelona tamin’ny fahotany indray mandeha. Nanolotra ny ainy ho antsika i Kristy, ary nandoa ny tambin’ny fahotana ary nitahy antsika tamin’ny famonjena.
Ny rafim-pisoronanan’Andriamanitra
Firy ny ota noraisin’i Jesosy tamin’ny batisany tamin’i Jaona?
Fahotana taloha sy ankehitriny ary ho avy hatramin’izay ny fiandohana ka hatramin’ny farany
Ny Baiboly dia miresaka momba ny fanatitra iray izay nahatonga ny famelan-keloka indray mandeha isan’andro. Tsy maintsy nitondra biby tsy nisy kilema ny mpanota iray ary nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay biby mba hamindrana ny fahotany. Avy eo dia tsy maintsy namono ny sorona izy ary nanolotra ny rany tamin’ny mpisorona. Ary ny mpisorona naka ny ran’ny biby ka nararany teo amin’ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny sisa dia naidiny teo am-bodin’ny alitara.
Amin’izany fomba izany, no namelana ny fahotana iray andro ny olona iray. Ny fametrahan-tanana no fomba namindran’ny mpanota ny fahotany ho amin’ny sorona. Ireo izay nanolotra ny sorona nataony araka ny fomba fanaovana sorona dia afaka nahazo famelan-keloka noho ny fahotany. Ny rafim-pisoronana no fomba nanonerana ny fahotantsika tamin’ny fotoana talohan’ny nanalàn’i Jesosy ny fahotana rehetra.
Notendren’Andriamanitra koa ny Andro Fanavotana, mba hahafahan’ny zanak’Israely hanao fanavotana noho ny fahotana natao nandritra ny herintaona. Tamin’ny andro fahafolo amin’ny volana fahafito no nanaovana ny sorona. Andriamanitra dia nanendry an’i Arona, mpisoronabe, ho mpamindra ny fahotana nandritry ny taona rehetra ho an’ny Isiraely ho amin’ny osilahy. Natao araka ny drafitr’Andriamanitra ny fombafomba. Ny famelan-keloka dia avy amin’ny fahendreny sy ny fitiavany ny olombelona. Izany no fahefany.
“Ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana” no maneho ny “Bokin’ny Fitsarana” (Apokalypsy 20:12), izay nanoratana ny fahotan’ny olombelona. Ny antony nametrahan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanatitra noho ny ota teo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia mba hamafana ny anarana sy ny fahadisoan’izy ireo izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny fitsarana. Ny ra no ain’ny nofo rehetra. Nanaisotra ny fahotan’ny Isiraelita ny sorona ary novonoina ny osilahy ho tambin’ny ota. Nasain’Andriamanitra namono biby natao sorona izy ireo mba hanaiky ny fitsarana noho ny fahotany. Izany no mariky ny fahendreny sy ny fitiavany antsika.
Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy Kristy ho fanatitra noho ny ota mba hanatanterahana ny tanjon’Andriamanitra. Nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Jesosy tamin’ny alalan’ny sorona nataony. Raha mijery ny tenin’ity fampanantenana ity isika dia mahita hoe: “Nefa sitrak’i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy” (Isaia 53:10) na “Nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Izy” (Jaona 1:29).
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony. Ary ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.” (Isaia 9:5-6).
Ny fampanantenana mifono mistery sy mahatalanjona dia ny hanatanterahan’i Jesosy ny sitrapon’Andriamanitra sy hanome fiadanana ny mpino rehetra amin’ny alalan’ny fanesorana ny fahotan’izao tontolo izao. Ny fampanantenan’Andriamanitra dia fampanantenana fitiavana, izay nikasany ny hitondra fiadanana ho an’ny olombelona rehetra. Izany no nampanantenain’Andriamanitra antsika, ary izany no nataony.
Hoy ny Matio 1:18, “Ary izao no nahaterahan’i Jesosy Kristy: Rehefa nanaiky Maria, renin’i Jesosy, ho fofom-badin’i Josefa, raha mbola tsy nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy amin’ny Fanahy Masina izy.” Ny hoe “Jesosy” dia midika hoe Mpamonjy, ilay hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Ny hoe “Kristy” dia midika hoe Mpanjaka Voahosotra, Jesosy Mpanjaka tsy nanana fahotana, ary Izy no Mpanjaka sy Mpamonjy antsika izay nateraky ny virijiny mba hamonjena ny olony ho afaka amin’ny fahotany.
“Ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY, fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany. (Matio 1:21-22).
Jesosy no nitondra ny fahotan’izao tontolo izao niaraka Taminy amin’ny alalan’ny Batisany
Izao no voasoratra ao amin’ny Matio 3:13-16: “Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanantona an’i Jaona mba hataony batisa. Ary Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.’ Dia navelany Izy. Ary reha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny”.
Hita ao amin’io andalan-teny io i Jaona Mpanao Batisa. Nahoana i Jesosy no tsy maintsy nataon’i Jaona batisa? Tsy maintsy natao batisa i Jesosy mba handraisany ny fahotana rehetra eto amin’izao tontolo izao, ary hanesorana azy rehetra araka ny drafitr’Andriamanitra.
“Ny fanapahana dia eo an-tsorony.” (Isaia 9:5). Eto ny “fanapahana” dia midika fa i Jesosy no Ilay manana fahefana sy hery amin’ny maha-tompon’ny lanitra Azy, amin’ny maha-Mpanjakan’izao tontolo izao Azy. Izany no fahefana nomena an’i Jesosy Kristy irery ihany. Nanao zava-mahagaga i Jesosy mba hanesorana ny fahotan’ny olombelona rehetra. Izany zava-mahagaga izany no nanaovan’i Jaona batisa Azy. Ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “Izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” dia ny hanalana ny fahotan’izao tontolo izao dia mety sy mety.
Hoy ny Romana 1:17: “Fa amin’izany no anehoana ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra avy amin’ny finoana sy ny finoana.” Aseho ao amin’ny filazantsara ny fahamarinan’Andriamanitra. Tena manambara ny fahamarinan’Andriamanitra tokoa ve ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy? Eny! Ny filazantsara marina dia ny hoe Jesosy Kristy no nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny fanomboana Azy. Ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy no filazantsara mahafiritra izay nanehoana ny fahamarinan’Andriamanitra. Nanao ahoana no fomba nanesoran’i Jesosy Kristy ny fahotan’izao tontolo izao? Nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao Izy rehefa nataon’i Jaona batisa tao amin’ny Onin’i Jordana Izy.
“Ny fahamarinana rehetra” dia “πᾶσαν δικαιοσύνην (pasan dikaiosune)” amin’ny teny grika. Midika izany fa nesorin’i Jesosy tamin’ny fomba marina sy mahatalanjona indrindra ny fahotan’ny olombelona rehetra. Midika izany fa ara-drariny sy hitsiny tanteraka ny nanadiovan’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao. Tsy maintsy nataon’i Jaona batisa i Jesosy mba hanongotana ny fahotan’izao tontolo izao.
Fantatr’Andriamanitra fa tena nilaina ny batisan’i Jesosy mba hisian’ny fiadanana ho an’ny olombelona. Tsy ho lasa Mpamonjy antsika anefa i Jesosy, raha tsy nataon’i Jaona batisa sy nandatsaka ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Jesosy no natao ho fanatitra noho ny ota amin’ny fanalana ny fahotan’izao tontolo izao.
Hoy Andriamanitra ao amin’ny Isaia 53:6: “Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry; samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra. Ary nataon’i Jehovah nihatra taminy ny helotsika rehetra.” Tsy maintsy nandray ny fahotan’izao tontolo izao i Jesosy mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no nahatonga an’i Jesosy ho fanatitra noho ny ota tamin’ny nofon’olona ary nataon’i Jaona batisa.
Tsy maintsy nandray ny fahotan’ny olombelona rehetra i Jesosy ary notsaraina ho azy ireo mba hahafahany manatanteraka ny drafitr’Andriamanitra sy maneho ny fitiavany tsy mety maty. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy taorian’ny batisany, dia hoy Andriamanitra: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” (Matio 3:17).
Fa Zaza no teraka ho antsika
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” (Isaia 9:5). Jesosy no Zanak’Andriamanitra. I Jesosy no Andriamanitry ny famoronana izay namorona izao rehetra izao. Tsy hoe Zanak’ilay Andriamanitra Tsitoha fotsiny Izy, fa Mpamorona sy Mpanjakan’ny fiadanana koa. Jesosy no Andriamanitra nanome fahasambarana ho any olombelona.
I Jesosy no Andriamanitry ny fahamarinana. Izy no nanaisotra ny fahotantsika rehetra, namonjy antsika ary nanome antsika fiadanana. Mbola misy fahotana ve eto amin’izao tontolo izao? Tsia, tsy misy fahotana. Ny antony ahafahantsika milaza amim-pahatokiana fa tsy misy fahotana dia noho isika mino ny filazantsara kanto, izay milaza fa Jesosy no nanasa ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Tsy nandainga tamintsika i Jesosy. Nandoa ny tambin’ny fahotana tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny rany i Jesosy. Navelany ho zanany izay rehetra nino izany ka nanome fiadanana ho antsika rehetra. Izy no nanao antsika ho zanany nohamasinina tamin’ny finoana ho mandrakizay. Midera ny Tompo aho ary misaotra Azy.
Indro! Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!
Hoy ny Jaona 1:29 : “Nony ampitso, dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: Indro! Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!’” Niseho teo anatrehan’i Jaona Mpanao Batisa indray i Jesosy Kristy ny ampitson’ny andro nanesorany ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesosy i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Indro! ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” Nijoro ho vavolombelona indray izy ao amin’ny Jaona 1:35-36, manao hoe: “Ary nony ampitson’iny indray, dia nitsangana Jaona mbamin’ny mpianany roa lahy. Ary nijery an’i Jesosy nandeha Izy, dia nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!”
Jesosy no Mesia tonga Zanak’ondrin’Andriamanitra, araka ny nampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny Mesia Jesosy Kristy dia tonga amintsika amin’ny maha-Mahagaga sy Mpanolo-tsaina ary Andriamanitra Mahery Azy, ary natao batisa mba hamonjy antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Fa Zaza no teraka ho antsika. Nandray ny fahotan’izao tontolo izao Izy tamin’ny alalan’ny Batisany tamin’i Jaona, nandoa ny tambin’ny fahotana, ary tonga Andrian’ny fiadanana izay manome antsika fiadanana sy famelana ny fahotantsika rehetra. “Indro! ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!”
Tsy nanana safidy hafa ny olona taloha afa-tsy ny ho faty noho ny fahotany. Voalahatra hanao fahotana tsy tambo isaina ny olombelona noho ny toetra maha-mpanota azy ary ho voaheloka any amin’ny helo amin’ny farany. Nitondra fiainana mampalahelo izy ireo; tsy nisy na dia iray aza afaka niditra na nanonofy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra noho ny fahalemeny. Jesosy Kristy, izay Andriamanitsika, dia nandray ny fahotan’izy ireo rehetra rehefa nataon’i Jaona batisa tao amin’ny ony Jordana Izy ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana noho ny fahadisoan’izy ireo. Rehefa maty i Kristy dia nilaza hoe: “Vita” (Jaona 19:30). Izany no hiakan’ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’ny hoe namonjy ny olombelona rehetra tamin’ny fahotany sy ny fahafatesany i Jesosy, ary nanafaka tanteraka izay rehetra mino ny filazantsara mahafinaritra Izy.
“Indro! ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao”. Fantatrao ve hoe aiza ny fahotan’izao tontolo izao? Moa tsy ao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy va izy ireo? Aiza ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra izay nampietry antsika teto amin’izao tontolo izao? Efa nafindra amin’i Jesosy Kristy izy rehetra. Aiza daholo ny fahotantsika? Ao amin’ny nofon’Ilay manana fanapahana eo an-tsorony ireny; ao amin’ny nofon’Andriamanitra Tsitoha izy ireo.
Ny fahotana rehetra hatrany am-bohoka ka hatrany am-pasana!
Manota isika mandritra ny fiainantsika. Nanota isika nanomboka tamin’ny andro nahaterahantsika ka hatramin’ny faha-20 taonantsika. Nankaiza daholo ireo fahotana natao nandritra ny 20 taona ireo? Efa nafindra ho amin’ny nofon’i Jesosy Kristy izy ireo. Ny fahotana vitantsika teo anelanelan’ny 21 sy 40 taona dia nafindra tamin’i Jesosy koa. Na firy taona na firy ny androm-piainan’ny olona iray dia nafindra tamin’i Jesosy Kristy ny fahotana vitany hatramin’ny niandohan’ny fiainany ka hatramin’ny farany. Ny fahotana rehetra nataon’ny olombelona, nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny olona farany eto an-tany, dia nafindra tamin’i Jesosy. Na ny fahotan’ny zanatsika sy ny zafintsika aza dia efa nafindra tamin’i Jesosy. Nafindra tamin’i Jesosy avokoa ny fahotana rehetra tamin’ny fotoana nanaovana batisa Azy.
Mbola misy fahotana ve eto amin’izao tontolo izao? Tsia. Tsy nisy tavela na iray aza. Tsy misy fahotana tavela eto amin’izao tontolo izao satria mino ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’i Jesosy Kristy antsika isika. Misy fahotana ve ao am-ponao? Tsia. Amena! Mino ny filazantsara mahafinaritra isika izay milaza fa i Jesosy Kristy no namonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Midera an’i Jesosy Tsitoha isika noho ny nanaovany izany asa mahagaga izany ho antsika.
Naverin’i Jesosy Kristy amin’ny laoniny ho antsika indray ny fiaintsika very. Ankehitriny dia mino ny filazantsara mahafinaritra isika mba hahafahantsika miara-miaina amin’Andriamanitra. Na dia ireo olona izay fahavalon’Andriamanitra aza – ireo mpanota izay tsy nanana safidy hafa afa-tsy ny niafina tao anaty ala maizina – dia afaka ho voavonjy amin’ny fahotany ankehitriny amin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra.
Ny filazantsara mahafinaritra no mampianatra antsika fa ny Tompo dia nanasa ny fahotantsika rehetra tamin’ny fotoana nanaovan’i Jaona batisa Azy, nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty. Lasa zanak’Andriamanitra nohamasinina isika tamin’ny finoana ny filazantsaran’i Jesosy. Jesosy dia nanolotra ny tenany ho fanatitra noho ny fahotantsika. Izy, ilay Zanak’Andriamanitra Tsitoha, izay tsy nanota na dia iray akory aza teto amin’izao tontolo izao, dia nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ary namonjy izay rehetra mino Azy. Hoy ny Isaia 53:5: “Notorotoroina noho ny fahadisoantsika Izy, ary notorotoroina noho ny helotsika.”
Nesorin’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao, anisan’izany ny fahotana tany am-boalohany sy ny tena fahotana ary tsy navelany na dia fandikan-dalàna iray aza. Nandoa ny tambin’ny fahotana tamin’ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana Izy ka namonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Nosasan’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ity filazantsara mahafinaritra ity. Nahita fiainana vaovao tamin’ny alalan’i Jesosy isika. Ireo izay mino ity filazantsara mahafinaritra ity dia tsy maty ara-panahy intsony. Manana fiainana vaovao sy mandrakizay isika izao, satria Jesosy no nandoa ny tambin’ny fahotantsika rehetra. Lasa zanak’Andriamanitra isika noho ny finoana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy kanto.
Mino ve ianao fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra? Mino koa ve ianao fa Izy no Mpamonjy anao? Eny, mino aho. Jesosy Kristy no Fiainana ho antsika. Nahita fiainana vaovao tamin’ny alalany isika. Voalahatra ho faty isika noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika. Fa Jesosy no nandoa ny tambin’ny ota tamin’ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana. Nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny ota Izy, tamin’ny herin’ny fahafatesana sy ny famatoran’i Satana.
Ny Tompo dia ilay Andriamanitra namonjy antsika tamin’ny fahotantsika ary tonga Mpamonjy izay rehetra mino an’i Jesosy. Rehefa mijery ny Hebreo 10:10-12, 14 sy 18 isika, dia hitantsika fa nohamasinin’ny Tompo isika ka tsy ilaina intsony ny hahazo ny famelan-keloka. Miditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy. Voalahatra ho faty noho ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika isika, kanefa afaka miditra any an-danitra isika ankehitriny ary mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany.
“Ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” (Jaona 10:11). Tonga teto amin’izao tontolo izao ny Tompontsika mba hamonjy antsika amin’ny fahotan’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Izy koa dia manome ny fitoeran’ny Fanahy Masina ho an’ireo izay nahazo ny famelana ny fahotany tamin’ny finoana izany fahamarinana izany. Misaotra Tompo ô. Ny filazantsaranao dia ny filazantsara mahafinaritra, izay afaka manome ny mpino ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Haleloia! midera ny Tompo aho.
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.