• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-8] Amin’ny alalan’iza no mikoriana ny rano velon’ny Fanahy Masina? (Jaona 7:37-38) 

Amin’ny alalan’iza no mikoriana ny rano velon’ny Fanahy Masina?
(Jaona 7:37-38) 
“Ary tamin’ny andro farany, izay andro lehibe amin’ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao am-pony, araka ny voalazan’ny soratra Masina.”
 

Iza no afaka misotro ny rano velon’ny Fanahy Masina? 
Ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritry ny batisan’i Jesosy sy ny ràny teo amin’ny Hazofijaliana 

Mikoriana avy ao am-pon’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra ny rano velon’ny Fanahy Masina. Hoy ny Jaona 7:38: “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao am-pony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” Midika izany fa misy famonjena marina sy famelan-keloka ho an’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’Andriamanitra antsika. 
Amin’ny fotoana manao ahoana no maka toerana ny Fanahy Masina? Rehefa mandre sy mino ny filazantsara marina no mahazo toerana ny Fanahy Masina, izay milaza fa Jesosy Kristy no nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona. Avy afaka misotro ny rano velon’ny Fanahy Masina ny olona iray. Ireo izay mino ny filazantsara kanto dia manana ny Fanahy Masina monina ao anatiny, ary afaka mahatsapa ny fahatsapana ny rano velona ara-panahy izay mitobaka sy manamando ny fony maina isaky ny mitory na mandre ny tenin’Andriamanitra izy ireo. 
Ny rano velon’ny Fanahy Masina dia mikoriana avy ao am-pon’ireo izay mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, izay milaza fa tonga teto amin’izao tontolo izao ny Tompo mba hamonjy ny mpanota rehetra amin’ny fahotany. Ny Fanahy Masina no fahamarinana tsy azo sarahina amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, ary mitoetra ao amin’ny olona izay mino ny tenin’Andriamanitra. 
Na iza na iza no maniry ny hisotro ny rano velon’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandray ny famelan-keloky ny fahotany rehetra amin’ny finoana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ao am-pon’ireo izay mino ny tenin’Andriamanitra ihany no misy io rano velon’ny Fanahy Masina io. Ny olona mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia manana ny rano velon’ny Fanahy Masina, izay mikoriana toy ny renirano, mikoriana ao am-pony. Na dia amin’izao fotoana izao aza, dia miboiboika toy ny rano miboiboika ao am-pon’ireo izay nandray ny famelan-keloky ny fahotany ny rano velon’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy Kristy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
 Saingy, tsy misy rano velon’ny Fanahy Masina mikoriana na dia indray mitete akory avy ao am-pon’ireo izay tsy mino ity filazantsara kanton’ny fahamarinana ity. Mandra-pahatonga ahy nino sy nanaiky ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, dia tsy nanana rano velona ara-panahy nikoriana tato am-poko na dia indray mitete aza aho. Tamin’izany fotoana izany, na dia nino an’i Jesosy Kristy tamin’ny hafanam-po aza aho, dia tsy fantatro akory ny maha zava-dehibe ny rano velon’ny Fanahy Masina satria tsy nanana ny Fanahy Masina tao am-poko aho. Na izany aza, ankehitriny dia manana ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy aho, ary ny rano velon’ny Fanahy Masina no mikoriana malalaka ato am-poko.
Ankehitriny dia miboiboika avy ao am-poko sy ao am-pon’ireo izay efa nandre sy mino ny tenin’Andriamanitra ny rano velon’ny Fanahy Masina. Tahaka ny nilazan’i Jesosy hoe: “Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro”, ny rano velon’ny Fanahy Masina dia mamelombelona ny hafa amin’ny alalan’ireo Kristiana nateraka indray izay mino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy. Io rano velona io dia mivoaka avy ao am-poko miaraka amin’ny finoako ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy na dia amin’izao fotoana izao aza, izay mamela ny hafa hisotro amin’izany. Andriamanitra dia mamela ny ranon’ny Fanahy Masina hiboiboika avy ao am-poko toy ny ony. Ireo izay manana ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny ihany no ho zatra izany. 
Tahaka ny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy fa tsy misy mahalala afa-tsy izay nandray izany ihany, ny fonenan’ny Fanahy Masina sy ny rano velona dia zava-miafina izay ampahafantarina ireo izay mahafantatra sy mino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy irery ihany. Noho izany dia tokony ho fantatrao hoe iza no itoeran’ny Fanahy Masina. Tokony ho fantatrao fa izay mino ny filazantsaran’i Jesosy ihany no itoeran’ny Fanahy Masina.
 


Ny rà teo amin’ny Hazo fijaliana ihany no ninoako taloha 


Na dia nino ny ran’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana nandritra ny folo taona mahery aza aho, dia mbola tao am-poko ihany ny fahotana. Tamin’izany fotoana izany dia nino aho fa tamin’ny ran’i Jesosy ihany no namelana ny fahotako. Na izany aza, dia tsy afaka nandray ny famelan-keloka tanteraka ny fahotana aho na ny Fanahy Masina, tao anatin’izany karazana finoana izany, ary tsy nisy afa-tsy fihasahiranan-tsaina sy fahabangana teo amin’ny fiainako. Ny hany famantarana naneho ny finoako an’i Jesosy dia ny hoe nandeha tany am-piangonana foana aho.
Tamin’izay aho no nanomboka nandinika indray ny finoako. ‘Moa ve efa nandray ny Fanahy Masina tokoa aho?’ Fony aho vao nino an’i Jesosy, dia tena feno fitiavana lalina Azy ny foko ary na dia izaho aza dia nanana ny fanomezam-pahasoavana tamin’ny fiteny tsy fantatra. Fa inona no nanjo ahy? Tsapako fa io fahatsapan’ny fihetseham-po mirehitra io dia tsy famantarana ny fipetrahan’ny Fanahy Masina ary tsy mbola nandray ny Fanahy Masina mihitsy aho. Nino an’i Jesosy aho, nefa tsy tao am-poko ny Fanahy Masina sy ny ranon’ny Fanahy Masina. 
Tsy dia zava-dehibe loatra raha mafana na mangatsiaka ny foko, satria niorina tamin’ny  4Kalvinisma ny finoako. Ny fanontaniana tena tsy maintsy novaliako dia ireto manaraka ireto:
(1) Moa ve mitoetra ato anatiko ny Fanahy Masina? ─ Tsia. Tsy azoko antoka fa ato anatiko Izy. ─ 
(2) Misy fahotana ve ato amiko? ─ Eny, misy. ─ Tena nisy fahotana tao amiko tamin’izay, na dia nino ny ràn’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana aza aho. Mbola nanana fahotana tao am-poko aho, na dia nino an’i Jesosy sy nanao vavaka fibebahana isan’andro aza. Tsy voadio tanteraka mihitsy ny fahotana tato am-poko na dia niezaka mafy toy inona aza aho.
 
 4Ny rafim-pandinihana Kristianina dia nifototra avy tamin’I John Calvin. Nanamafy ny fanendrena mialoha sy ny famonjena izany. Ny teboka dimy ny Kalvinisma dia nivelatra tamin’ny famaliana ny fandrindran-toerana
Ny Kalvisma dia mampianatra: 1. Fitondran-tena maloto tanteraka: voakasika ny fahotan’ny olona ny maha-olona azy rehetra: ny vatana, ny fanahiny, ny sainy, ary ny fihetseham-pony, 2. Tsy mendrika ny fahitana fitia: ny fahitana fitian’Andriamanitra ho an’ny olona dia avy amin’ny safidiny tanteraka, ary tsy misy ifandraisany amin’olombelona. Izany dia tsy misy avy amin’ny olombelona. 3. Fanavotana voafetra: izany hoe tsy nentin’I Kristy avokoa ny fahotan’ny olombelona rehetra miaina fa ny fahotan’ireo olona nofidiany irery ihany no nentiny ho amin’ny famonjena. 4. Fahasoavana tsy hay tohaina: rehefa miantso olona ho amin’ny famonjena Andriamanitra dia tsy ho voatohiny izany. 5. Ny fitondrana ny olo-masina: izany hoe tena tsy mety very intsony ny famonjena azon’olona iray. Fa afaka mandika tsara io fampianarana io avy amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ianao, indrindra fa ny fotom-pampianarana momban’ny fanavotana voafetra.

‘Ahoana no ahafahako mandray ny Fanahy Masina?’ ‘Ahoana no ahafahako manadio ny fahotana ao am-poko?’ Ireo no olana roa nanelingelina tao an-tsaiko, na dia taorian’ny ninoako an’i Jesosy aza. Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho rehefa avy nino an’i Jesosy ary nino koa aho fa voadio ny fahotako noho ny finoako ny ran’i Jesosy. 
Na izany aza, rehefa nandeha ny fotoana, dia nitombo hatrany ny fahotana nivoaka tao am-poko. Feno fahotana aho. Ny vavaky ny fibebahana na ny fifadian-kanina dia tsy afaka nanasa ny fahotana tao am-poko raha mbola niantehitra tamin’ny ran’i Jesosy irery ihany aho. Efa ela aho no niahiahy momba ny fahotako ankehitriny. Arakaraka ny nanahiako izany no nitoriako tamin-kafanam-po ny hafatr’i Jesosy tamin’ny hafa. Nandeha tany am-piangonana tsy tapaka koa aho ary nanokana ny tenako hanompo an’i Jesosy, no sady niantehitra amin’ny rany.
Kanefa, rehefa nandeha ny fotoana, dia nanakana ahy tsy hanana finoana marina ny fahotana tao am-poko. Sarotra kokoa ny nino an’i Jesosy noho ny teo aloha. Niezaka niantehitra bebe kokoa tamin’ny ran’i Jesosy aho ary nanao izay fara heriko ary nampitombo ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra. Nitombo anefa ny fahabangana tao am-poko. Io karazana finoana io dia nahatonga ahy ho very hevitra sy ho kivy, ka nahatonga ahy ho Kristianina mpihatsaravelatsihy izay tsy niraharaha afa-tsy ny fisehoana ivelany fotsiny. Nieritreritra anakampo aho hoe: ‘Toy izany ny mino an’i Jesosy ho an’ny rehetra, fa tsy izaho ihany!’ Niezaka nandà aho hoe diso lalana ny finoako. Saingy, ny ran’i Jesosy sy ny vavaky ny fibebahana dia mbola tsy afaka nanadio ny fahotako ankehitriny rehetra. 
Koa amin’ny alalan’ny finoana inona no hanadiovana ny fahotako ankehitriny? Ny fahotako ankehitriny dia voasasa tamin’ny finoako fa nafindra tamin’i Jesosy ny fahotako rehetra rehefa natao batisa tao amin’ny Onin’i Jordana Izy. Izany no voasoratra ao amin’ny Matio 3:13-17. Koa nahoana no tsy voasasa tamin’ny ran’i Jesosy ny tena fahotako? Tsy nahafantatra sy nino ny filazantsara mahafinaritra aho, izay mihazona ny lanjan’ny batisan’i Jaona tamin’i Jesosy. 
Midika ve izany fa voasasa tamin’ny batisan’i Jesosy ny fahotan’izao tontolo izao? Eny marina izany. Ny Baiboly dia manambara izany amin’ny filazana hoe: “Tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny olona raha tsy ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy.” (Jaona 3:3-5). Tonga teto amin’izao tontolo izao Jesosy ary nandray ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona. 
Mbola nisalasala momba izany aho ary nampitaha ny Testamenta Taloha sy Vaovao mba hanazavana izany. Ny vokany dia hitako fa tena marina tokoa izany. Ny fahotan’izao tontolo izao dia nafindra tamin’i Jesosy rehefa natao batisa Izy, ary ny fahotako rehetra ihany koa dia nafindra Taminy tamin’izany fotoana izany. Lasa nohamasinina aho noho ny finoako ireo teny ireo. Tonga saina aho fa io no tenin’ny fahamarinana araka ny voasoratra ao amin’ny Baiboly ary io no filazantsara mahafinaritra indrindra eran-tany. 
Fanampin’izany, dia takatro hoe nahoana ny fahotako no tsy voafafa tamin’ny alalan’ny finoako ny ran’i Jesosy irery ihany. Ny antony dia satria tsy afaka nampita ny tena fahotako tamin’i Jesosy aho rehefa tsy nahalala ny fahamarinan’ny Batisany tao amin’ny Onin’i Jordana. Hitako ny fahamarinana tamin’ny farany. Nianatra aho fa Jesosy no tonga teto amin’izao tontolo izao ho ahy, ary Izy no nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany, ary nohomboana tamin’ny hazo fijaliana tatỳ aoriana mba hanafaka antsika amin’ny fahotan’izao tontolo izao. Izaho koa dia nianatra sy nino ny fahamarinana fa ny tanjon’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia ny hanesorana ny fahotan’izao tontolo izao. Ankehitriny dia olo-marina aho noho ny finoako ny filazantsara mahafinaritra nomen’i Jesosy antsika, ary satria voavela avokoa ny fahotako rehetra. 
Tsy ny fotom-pampianaran’ny fiangonana no namafa ny fahotako, fa ny batisan’i Jesosy ary ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana izay nanao izany. Io fahamarinana io dia tao amin’ilay filazantsara mahafinaritra. Voavonjy tamin’ny fahotako rehetra aho ary lasa olo-marina tsy tamin’ny finoako ny ran’i Jesosy irery ihany, fa tamin’ny finoako fa ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia avy amin’ny famonjena ahy.
Ny zavatra iray hafa tokony hisaorako dia ny nahatongavan’ny Fanahy Masin’Andriamanitra tamiko taorian’ny nanombohako nino ny filazantsara mahafinaritra. Ankehitriny ny Fanahy Masina dia mitoetra ato amiko miaraka amin’ny tenin’ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. 
Misaotra ny Tompo izay nanome ahy ity filazantsara mahafinaritra ity aho ary namela ahy hitory finoana mitovy amin’ny an’ireo Apôstôlin’i Jesosy. Nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina aho, na dia ny nino ny filazantsara mahafinaritra aza no hany nataoko. Ankehitriny dia afaka mampita ity hafatra ity amim-panajana sy faharesen-dahatra lehibe amin’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao aho. Azoko antoka fa afaka milaza amin’izy ireo aho fa ny finoana ny ran’i Jesosy irery ihany dia tsy hahafaty ny fahotany rehetra!
Saingy azoko lazaina amin’izy ireo fa azo antoka fa ho voasasa ny fahotany rehetra raha mino ny filazantsara mahafinaritra fotsiny izy ireo, izay manambara ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Tsy manana henatra na dia kely akory aza eo anatrehan’Andriamanitra aho rehefa mitory ity filazantsara mahafinaritra ity. Afaka mitory amim-panajana amin’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao ity filazantsara mahafinaritra ity ny amin’ny fahaterahana indray amin’ny rano sy ny Fanahy aho izao. Manome fisaorana ny Tompo aho. Misaotra ny Tompo izay namela ahy hisotro ny rano velon’ny Fanahy Masina aho tamin’ny fanomezana ahy ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. 
 


Ny fitsapana ara-klinika mampiseho fa ny filazantsara marina dia ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy 


Efa nahazo ny famelan-keloka ny fahotanao sy ny Fanahy Masina ve ianao? Ahoana no ahafantaranao raha tena marina ny filazantsara? Indray mandeha aho dia nanao fitsapana tamin’ireo olona saika hino ny filazantsara kanto nomen’i Jesosy antsika. Olona iray ihany no nitoriako ny hafatry ny ran’i Jesosy Kristy teo amin’ny Hazo fijaliana. Nolazaiko taminy koa fa tsy tokony hisy fahotana ao amin’i Jesosy Kristy. Tamin’ny olona iray hafa no nitoriako ny filazantsara mahafinaritry ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny vokatr’izany dia ny nilazan’ilay olona nahazo famelan-keloka tamin’ny finoana ny ran’i Jesosy fa tokony ho avela tsikelikely mitohy hatrany ny tena fahotany. Fa ilay olona nino ny filazantsara mahafinatry ny batisan’i Jesosy sy ny ran’i Jesosy kosa dia nilaza fa efa tonga olombelona tanteraka tsy nisy fahotana izy izao. 
Nilaza izy fa tsy nanana fahotana tao am-pony, satria nino ny fahamarinana izy fa nanaisotra ny fahotany rehetra i Jesosy ary notsaraina noho izany. Afaka nandray ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra izy satria nino ny filazantsara mahafinaritra, izay milaza fa ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona no nanadio ny fahotan’izao tontolo izao. 
Ny antony nahafahan’ity lehilahy ity nilaza fa tsy nanana fahotana intsony tao am-pony dia noho izy nandray ny Fanahy Masina tao am-pony tamin’ny alalan’ny finoany ny filazantsara mahafinaritra. Ny Fanahy Masina no nanome azy faharesen-dahatra hilaza fa tsy nanana fahotana tao am-pony izy. Andriamanitra dia manome ny Fanahy Masina hitoetra ao anatin’ireo izay rehetra mino ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ao amin’iza no itoeran’ny Fanahy Masina? Ny Fanahy Masina dia nomena ho fanomezana ho an’ireo izay mino ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. 
Ny fahitana fotsiny ireo trangan-javatra tsy hita maso tamin’ny Andron’ny Pentekosta dia nahatonga olona maro tsy hahatakatra ny fahamarinana momba ny fandraisana ny Fanahy Masina sy tsy miraharaha ny filazantsara mahafinaritra. Mihevitra ny olona fa raha mivavaka mafy sy mikatsaka ny Fanahy Masina izy ireo, dia ho afaka handray ny Fanahy Masina. Nandritra ny fotoana ela, ny Kristianina eran-tany dia tsy nanana hevitra na dia kely akory aza momba ny fahamarinana, izay nilaza fa ny olona iray dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina raha tsy amin’ny finoana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Kanefa ankehitriny dia maro ny mpanompon’Andriamanitra, izay efa nandray ny fonenan’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny finoany ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, no nitory ny filazantsara noho ny fanampian’ny Fanahy Masina. Vokatr’izany dia olona maro eran’izao tontolo izao no nianatra nanaiky io filazantsara mahafinaritra io sy nandray ny fonenan’ny Fanahy Masina. 
Andriamanitra dia mamela ny olona mino an’io filazantsara mahafinaritra io mba hahatsapa ny fonenan’ny Fanahy Masina. Izao no voalaza ao amin’ny Baiboly: “Ary amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko ny nofo rehetra.” (Asan’ny Apostoly 2:17). Na izany aza, tokony ho fantatry ny olona fa fahadisoana ny fiezahana handray ny Fanahy Masina nefa tsy mahafantatra ny filazantsara mahafinaritra. Tsy misy fomba hafa handraisana ny Fanahy Masina afa-tsy amin’ny finoana ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. 
Hatramin’ny nilazan’Andriamanitra fa ny olona iray dia tsy afaka miditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra raha tsy ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy, ary ireo efa nateraka indray ihany no manana ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia tsy isalasalana fa ny tsirairay dia mila ny hitoeran’ny Fanahy Masina ao anatiny mba hidirany ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Ahoana no hiheveranao ny fandraisana ny Fanahy Masina na ny fidirana any an-danitra raha tsy mino ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy ianao? Tsy misy lalana mankany an-danitra afa-tsy ny finoana ny filazantsara mahafinaritra. Tsy afaka mandray ny Fanahy Masina ianao raha tsy amin’ny finoana ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Tahaka ny fandoavantsika vola rehefa mividy zavatra, no ahazoantsika ny Fanahy Masina rehefa mino ny filazantsara mahafinaritra isika. 
Te-hilaza aminao aho fa raha tena te handray ny Fanahy Masina ianao dia tsy maintsy mahafantatra sy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy aloha. Dia hanana fahatsapana amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina ianao. Amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ihany no ahafahanao mahazo ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Te haneho anao miaraka amin’ny Fanahy Masina mitoetra ao anatinao Andriamanitra.
Mino ny filazantsara mahafinaritra aho ary rehefa mandeha ny fotoana, dia vao mainka tsapako fa ity filazantsara mahafinaritra nomen’Andriamanitra ahy ity no zavatra tsara indrindra sy sarobidy indrindra eto amin’izao tontolo izao. Feno fankasitrahana an’Andriamanitra aho. Mba tsapanao koa ve izany? Tsapantsika fa ireo izay nandray ny Fanahy Masina dia nahazo fitahiana lehibe avy amin’Andriamanitra.
Omeko anao ny hafatra momba ny fomba ahafahanao handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra. Ny olona dia tsy afaka ny hahafeno fepetra handray ny Fanahy Masina raha tsy amin’ny alalan’ny fanekena ity filazantsara mahafinaritra ity dia ny fahaterahana indray amin’ny rano sy ny Fanahy. 
Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 7:38: “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao am-pony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” Midika izany fa ny olona izay mahazo ny famelana ny fahotany rehetra amin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’i Jesosy Kristy azy dia manana ny Fanahy Masina hitoetra ao anatiny. Hivoaka avy ao am-pony toy ny ony ny rano velon’ny Fanahy Masina. Ny olona mino an’io filazantsara mahafinaritra io dia hahatsapa ny fikorianan’ny rano velona ara-panahy. 
Na dia mpino nafana fo an’i Jesosy aza aho talohan’ny nahaterahako indray tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, dia tsy nisy rano velona avy amin’ny Fanahy Masina nivoaka avy tao am-poko. Saingy, rehefa avy nino ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy aho, dia nanomboka nikoriana malalaka avy tao am-poko ny rano velona araka izay voasoratra ao amin’ny Baiboly. Na dia amin’izao fotoana izao aza dia mikoriana miaraka amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra ahy ny rano velon’ny Fanahy Masina. Ny rano velon’ny Fanahy Masina no mikoriana betsaka ato am-poko mandritra ny taona. Nanomboka nanao ny asan’ny evanjelistra aho, nitory ny filazantsara mahafinaritra, taorian’ny nahazoako ny fonenan’ny Fanahy Masina. 
 


Ny fanekem-pinoako tao aorina ny ninoako ny filazantsara mahafinaritra sy nandraisako ny Fanahy Masina 


Talohan’ny faran’ny fararano tamin’ny fiandohan’ny faha-roapolo taonako. Io fararano io indrindra no nahatonga ahy hieritreritra ny tsy azo ihodivirana ny fahafatesana. Ny fiainako tamin’io taona io dia voamariky ny fisafotofotoana, ny fahabangana ary ny haizina noho ny fahotana tao am-poko. Nandeha tamin’ny lalana diso aho, tsy fantatro izay lalana tokony halehako. Narary ny vatako ary nitombo ny fahabangana tao am-poko. 
Noho ny fahotako, dia kivy tanteraka aho ary tsy azoko antoka akory ny antony. Tsy nanana safidy hafa aho afa-tsy ny niandry ny fitsaran’Andriamanitra tamin’ny fiafaran’ny fiainako tampoka sy niangavy ny famelana ny fahotako. “Tompo ô, tiako ny hahazo ny famelana ny fahotako amin’ny finoako Anao alohan’ny hahafatesako. Mba sitrano koa ny aretina ato amin’ny vatako!” Nivavaka sy nivavaka aho. 
Tamin’izay indrindra no nanomboka nisy fanantenana vaovao avy tao anatin’ny foko lalina. Feno faniriana an’Andriamanitra ny foko, ary nafana toy ny afo. Tsy famoizam-po izany: fa fanantenana vaovao nirehitra toy ny afo mirehitra tato am-poko. Nanomboka tamin’io andro io aho no nanomboka fiainam-pivavahana vaovao, nino fa Jesosy dia maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hamonjy ahy amin’ny fahotako. 
Tsy ela taorian’izay, dia nanana fahatsapana niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra aho. Taty aoriana dia nitohy nandrotsaka ranomaso aho rehefa nieritreritra ny ra nalatsak’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana. Feno fankasitrahana aho fa nandatsaka ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana ho ahy Izy.
Taorian’io zava-nitranga io dia nandao ny fiainako taloha aho ary nahazo asa vaovao izay nahafahako nitandrina ny Alahady masina. Tamin’izany fotoana izany dia feno fitiavana an’i Jesosy ny foko, ary feno fankasitrahana tsy manam-pahataperana isaky ny tsapako fa nandatsaka ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana Jesosy mba hamonjy ahy tamin’ny fahotako. Nanomboka nitombo ny fanahiko ara-pivavahana, saingy nifototra tamin’ny tenin’ny ran’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana fotsiny izany.
Na izany aza, rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nijaly noho ny fahalemeko sy ny fahotako ny fiainako ara-pivavahana. Tsy voasasa tanteraka ny fahotako rehetra satria ny ran’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana irery ihany no ninoako. Niezaka nanasa ny tena fahotako aho tamin’ny alalan’ny vavaka fibebahana. 
Na izany aza, ireo vavaka nataoko tamin’ny fanantenana hahazo ny famelan-keloka tamin’Andriamanitra dia tsy afaka nanadio tanteraka ny tena fahotako. Izany rehetra izany dia satria tsy afaka nitandrina ny lalàn’Andriamanitra aho. Nanomboka nivangongo ny fahotako tamin’izany. Na dia tsy voasasa tanteraka tamin’ny alalan’ny vavaka fibebahana aza ny fahotako dia tsy nanana safidy hafa aho afa-tsy ny nanohy nanao ireo vavaka ireo. Nino aho fa isaky ny manota aho dia afaka manasa ny fahotako amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana sy amin’ny fieritreretana ny ran’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana. Arakaraky ny nanohizako ny fiainako ara-pivavahana no nitomboan’ny tena fahotako noho ny fahalemeko. Nitombo ihany ny fijaliako noho ireo fahotana ireo.
Lasa Kristianina Fariseo aho, ary voatendry ho diakona ary tatỳ aoriana ho evanjelistra na teo aza ny vesatry ny fahotako. Nandeha nitory ny filazantsara aho isaky ny nahatsapa ny fanaintainan’ny fahotako, nihevitra fa io no hany fomba hanadiovana ny fanahiko. Fa ny tena fahotako dia tsy voasasa tamin’io karazana finoana nifototra tamin’ny fampianarana sy ny fahafoizan-tena io. 
Toy ny tsapako fa toy ny azon’i Satana mihitsy aza aho. Latsaka tao amin’ny fanamelohana aho noho ny fahotana nataoko ary tsapako te ho faty noho ny fahadisoako mihintsy aza aho. “Efa nanota ianao, sa tsy izany?” Nanohy nanameloka sy nampijaly ahy tamin’ny fahotako i Satana. 
Teo an-dalam-pahapotehana ny finoako. Tsapako fa tsy afaka nanasa ny fahotako nataoko aho tamin’ny alalan’ny finoana ny ran’i Jesosy sy ny vavaky ny fibebahana fotsiny, ary tamin’ny farany dia nahita ny tenako tao anatin’ny fahasorenana.
Tamin’ny fianarana momba ny Kalvinisma tao amin’ny seminera teolojia, no nahatonga ahy ho liana tamin’ny antony nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy. Nanontany mpampianatra maro aho hoe nahoana i Jesosy Kristy no nataon’i Jaona batisa tao Jordana. Fa ny valin-tenin’izy ireo dia naneho hevitra tamin’ny fomba manokana, toy ny hoe natao batisa Izy mba hanehoana ny fahamaotinana na hanambara fa Zanak’Andriamanitra Izy. Na izany aza, ireo valinteny ireo dia tsy ampy hampitsahatra ny fahalianako. 
 

Ny fahamarinan’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona nahatonga ahy nahafantatra ny filazantsara mahafinaritra

Taorian’ny fotoanako tao amin’ny seminera dia mbola tsy voasasa ny fahotako, ary nijaly noho ny fahavesarany kokoa noho ny teo aloha aho. Avy eo dia nanjary takatro ny antony nanaovana batisa an’i Jesosy sy ny antony nilazany fa ho tanteraka amin’ny alalan’io asa io ny fahamarinana rehetra. Ilay filazantsara mahafinaritra izay nilaza fa ny fahotako rehetra dia nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Batisany tao amin’ny Onin’i Jordana. Nanampy ahy hahatakatra izany fahamarinana izany Andriamanitra tamin’ny alalan’ny teniny voasoratra.
Rehefa avy namaky sy namerina namaky ny tenin’Andriamanitra aho, izay nirakitra an-tsoratra ny filazantsara mahafinaritra, tamin’ny farany dia fantatro ihany ny fahamarinana fa ny fahotako rehetra dia nafindra tamin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona ary notsaraina teo amin’ny Hazo fijaliana ho azy ireo Izy. 
Tamin’izay no tsapako fa tonga tamiko tokoa ny Fanahy Masina. Voavela tanteraka ny fahotana rehetra tato am-poko rehefa avy nahatakatra sy nino an’io filazantsara mahafinaritra io aho. Ny fahotana izay nanintona ahy tao anatin’ny fahasorenana sy ny famoizam-po dia voafafa tanteraka tamin’ny herin’ny filazantsara mahafinaritra. Ireo fahotana izay tsy voafafa mihintsy na dia teo aza ny fahafoizan-tena tsy nisy fiafarana sy ny vavaka fibebahana dia nanjavona tanteraka indray mandeha. Tena omeko ny Tompo ny fisaorana. 
Lazaiko ny marina, rehefa milaza aho fa ny fahotan’izao tontolo izao dia tsy ho voasasa amin’ny ran’i Jesosy teo amin’ny Hazo fijaliana fotsiny. Fa ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona koa dia nitarika ho amin’ny famelana ny fahotana. Ankehitriny dia tokony hahatakatra sy hino ny tsirairay fa voasasa ny fahotany rehetra, isaorana ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy. Manana ny fitoeran’ny Fanahy Masina lalina ato am-poko aho satria mino ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy aho, ary ny tenin’ny Vavolombelon’Andriamanitra, izay nambarany momba ny Zanany, dia ampy handroahana ny fahotana rehetra. ny foko. Nandray ny Fanahy Masina toy ny voromailala aho noho ny finoako ny filazantsara mahafinaritra. 
Nanomboka tamin’io andro io dia niasa tao am-poko ny Fanahy Masina, ka nahafahako nanao ny asa ara-panahiko, izany hoe mitory ny filazantsara mahafinaritra. Ankehitriny dia tsy misy fahotana ato am-poko. Ny batisan’i Jesosy tamin’i Jaona sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana dia vavolombelon’ny famelana ny fahotako ary nitarika ahy handray ny Fanahy Masina. Haleloia! midera ny Tompo aho. Nilatsaka mangina tato amiko tahaka ny voromailala ny Fanahy Masina ary nanomboka nitoetra tao anatiko hatramin’ny andro ninoako ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Nanomboka niasa tao am-poko Izy indraindray toy ny voromailala, indraindray toy ny lafaoro fanapoahana. 
Ankehitriny dia afaka mandray ny fonenan’ny Fanahy Masina koa ianao raha manaiky sy mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Moa ve tsy te handray ny Fanahy Masina sy hidera ny Tompo ianareo amin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy miaraka amiko? Moa tsy te hiara-hiasa amiko amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy amin’izao tontolo izao ve ianao? Ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy no hanamasina anao ary hanome anao ny fonenan’ny Fanahy Masina. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia voambara ao amin’ny filazantsara avy amin’ny finoana ka ho amin’ny finoana. Izany no mahatonga ny Fanahy Masina hitoetra ao anaty amin’ny alalan’ny finoana filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy irery ihany.
 

Ny zava-mahagaga nataon’ny Fanahy Masina ho ahy 

Rehefa avy nandray ny fonenan’ny Fanahy Masina aho dia nanomboka niasa tao amin’ny fiangonana vaovao iray mba hitoriana ny filazantsara mahafinaritra. Ny Fanahy Masina no nahatonga ahy hitory tamin-kery ny filazantsara mahafinaritra. 
Tamin’io fotoana io no nisehoan’ity tranga ity. Tao amin’ilay tanàna nipetrahako, dia nisy mpanjaitra iray nanao raharaham-barotra tamin’ireo mpividy vahiny. Diakona io olona io. Nijanona tao amin’ny hotely iray teo an-toerana izy indray mandeha mba hanao raharaham-barotra tamin’olona ary hitany teo ny afisin-tsika. Nahasarika azy ilay fanasana ary niezaka nifandray Tamiko izy. Nihaona tamiko izy ary nilaza fa niaina tao anatin’ny fahotana hatry ny ela. Tao aorianan’ny fanoroana hevitra momba ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy nandritra ny adiny dimy, dia azony ihany ny fahamarinan’ny famelana ny fahotana. Lasa nateraka indray izy, ary nandray ny fonenan’ny Fanahy Masina koa tamin’izany fotoana izany. 
Ity misy tantara iray hafa nitranga fony aho nivoaka mba hitady trano fiangonana. Nahita trano mahafinaritra sy malalaka aho. Tsy nanana vola anefa aho tamin’izay mba hanofana azy ho trano fiangonanay. Toa tsy azoko natao ny nanofa ilay trano noho ny tsy fahampiana be araka ny tombana nataoko. Kanefa, hoy ny Fanahy Masina ato anatiko: “Mahereza sy matokia”. Nahagaga fa afaka nahazo ny trano fiangonana aho ary nanao ny asany noho ny fanampian’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no nahatonga ahy hitory ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy nanomboka tamin’izay fotoana izay. Ny Fanahy Masina mitoetra ato am-poko dia miaraka amiko na dia amin’izao fotoana izao aza, mamporisika ahy hitory ny filazantsara mahafinaritra amin’ny olona rehetra. Ary hitako ireo izay mandre sy mino ity filazantsara mahafinaritra ity dia mandray ny fitoeran’ny Fanahy Masina. 
Misaotra ny Fanahy Masina izay nanome ahy fahafahana hitory ity filazantsara mahafinaritra ity aho. Fantatro fa na ny androm-piainako manontolo aza dia tsy ampy hanoratana ny zavatra rehetra nataon’ny Fanahy Masina ho ahy. Ny Fanahy Masina dia namela ahy hiaina miaraka amin’ny rano velona mikoriana malalaka avy ao am-poko. Misaotra an’izay mitoetra ato anatiko aho. 
 

Ny Fanahy Masina no nanorina ny fiangonana izay miara-mandeha Aminy tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny ny rano sy ny Fanahy 

Indray mandeha aho dia nandeha tany an’efitra mba hitory ny filazantsara mahafinaritra. Tamin’izany fotoana izany, Andriamanitra dia nitarika ahy ho any amin’ny tanàna kely iray ary nifanena tamin’ny vondron’olona vitsivitsy izay nitady an’Andriamanitra aho. Notarihin’Andriamanitra aho hitory ny filazantsara mahafinaritra amin’izy ireo, izay nahatonga azy ireo hanana ny Fanahy Masina hitoetra ao anatiny. Nandray ny Fanahy Masina koa izy ireo tamin’ny fihainoana sy ny finoana ny filazantsara mahafinaritra. Nitarika azy ireo ho mpiara-miasa amiko ny Fanahy Masina, ary lasa nitory ity filazantsara mahafinaritra ity tamin’izao tontolo izao niaraka tamin’izy ireo aho nanomboka teo. 
Vondrona vitsy monja izy ireo tamin’izany, fa tsy anisan’ny antokom-pivavahana. Naniry ny hiaina araka ny tenin’Andriamanitra izy ireo, nefa zatra nitaraina mafy tamin’Andriamanitra mba hahazo famelana ny fahotany noho ny fanandevozan’ny fahotana. Nitarika ahy tany amin’io vondron’olona io ny Fanahy Masina ary nanosika ahy hitory ity filazantsara mahafinaritra ity. Hitako fa ny Fanahy Masina no nanomana ahy sy izy ireo mba hihaona. Notarihin’Andriamanitra aho hitory ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy manomboka amin’ny fanaovana sorona araka ny voasoratra ao amin’ny Levitikosy, ary nandray ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny tenin’ny filazantsara mahafinaritra ny olona.
Andriamanitra no nanorina ny fiangonan’ny Fanahy Masina niaraka tamin’ireo mpino ny filazantsara mahafinaritra. Ny Fanahy Masina no nanendry azy ireo ho mpianatry Jesosy tamin’ny alalan’ny filazantsara mahafinaritra. Ankehitriny mihabetsaka sy mitombo ny ondry manomboka mandray ny Fanahy Masina sy miditra ao amin’ny fiangonana.
Ny Fanahy Masina no nitarika ahy, hanokatra ny sekolin’ny mpitety faritra sy hananganana mpianatra. Nanampy ahy Izy mba hampianatra ny tenin’Andriamanitra ny olona sy hanampy azy ireo hianatra hankato am-pinoana ary hanompo amin’ny maha mpiara-miasan’Andriamanitra. Namelan’ny filazantsara mahafinaritra hiasa Izy n’aiza n’aiza nalehan’izy ireo, nanorina ny fiangonany Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo. Ny Fanahy Masina no efa nitarika ny mpanompony hitory ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy. Ny Fanahy Masina no nitarika ireo olo-marina, izay efa nandray ny famelan-keloky ny fahotany, mba hiray amin’ny fiangonana sy ho tahiana mba hiaina amin’ny fiainana marina eto amin’izao tontolo izao.
Efa namitaka ny olona satana hatramin’ny fotoana tsy tsaroana intsony ary mbola hitohy hanao izany izy. Miteny amin’ny olona satana fa afaka mandray ny Fanahy Masina izy ireo amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana, fifadian-kanina na fametraha-tanana. Tena tsy marina akory izany. Ny olona dia tsy afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny vavaka fibebahana na ny fametrahan-tanana. Ny hahafahan’izy ireo mandray ny Fanahy Masina dia rehefa mandray ny famelan-keloky ny fahotany amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra irery ihany izy ireo. Izany no tena dikan’ny fitoeran’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia nitohy nitarika ireo mpianatry Jesosy Kristy hitory ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy mba hanampy ny olona handray ny Fanahy Masina.
 

Ny Fanahy Masina no nitarika antsika hanao asa fanompoana amin’ny literatiora maneran-tany 

Tahaka ny nanoratan’i Paoly ny filazantsara mahafinaritra tao amin’ireo epistiliny, dia ny Fanahy Masina izay mitoetra ato am-poko no nahatonga ahy hitory sy hampiely ny filazantsara tsaran’ny rano sy ny Fanahy an-tsoratra. Izany no antony namoahantsika boky kristiana mirakitra ny filazantsara mahafinaritra, izay mitarika ny mpino handray ny Fanahy Masina. Tamin’ny voalohany dia nanomboka tamin’ny taratasy mivalona kely misy pejy vitsivitsy monja isika, saingy tsy ela dia niely nanerana an’izao tontolo izao ny bokintsika mirakitra ny filazantsara mahafinaritra. 
Ny Fanahy Masina izay mitoetra ato anatiko dia nitarika olona maro kokoa hiditra ao amin’ny fiangonana rehefa avy nahazo ny famelan-keloky ny fahotany tamin’ny famakiana ireo boky sy ny finoana ny filazantsara mahafinaritra. Ankoatra izany, dia nitarika antsika hitory ny filazantsara mahafinaritra amin’ny fiteny vahiny samihafa Izy. Nitarika anay hitory ny filazantsara mahafinaritra tany amin’ny firenena 150 teo ho eo maneran-tany izy, anisan’izany i Etazonia. 
Ny Fanahy Masina no nanosika ny fiangonana hivavaka ho an’ny iraka maneran-tany ary nitarika antsika handika ny filazantsara mahafinaritra amin’ny fiteny samihafa sy hitory izany amin’ny alalan’ny asa fanompoana amin’ny literatiora mba hahafahan’ny firenena maro samihafa mandre sy mino izany. Ny Fanahy Masina no nitarika ahy hiara-hiasa amin’ireo mpianatra vaovao any amin’ny tany hafa ary hiara-hitory ny filazantsara mahafinaritra tamin’izy ireo any. Misaotra ny Fanahy Masina aho. 
Ny Fanahy Masina dia nameno ahy tamin’ny hafanam-po hitory ny filazantsara tany Rosia. Nitarika anay hivavaka ny Fanahy Masina ary nanome anay fahafahana hihaona amin’ireo evanjelistra Rosiana mitady ny fahamarinana sy hitory ny filazantsara mahafinaritra amin’izy ireo. Tamin’izay no nandrenesan’izy ireo voalohany ny filazantsara mahafinaritra. Nandray ny Fanahy Masina toa antsika koa izy ireo avy eo, rehefa avy nandre sy nino ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy. 
Ny iray tamin’izy ireo, izay mpampianatra ao amin’ny oniversitem-pirenena iray any Moskoa, dia nanolotra izany fanambarana izany tamiko rehefa avy nandre ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. 
“Efa nino an’Andriamanitra aho nandritra ny 6 taona, nefa tsy tena nahatakatra Azy aho. Na izany aza, rehefa avy nandre momba ny filazantsara mahafinaritra an’ny rano sy ny Fanahy aho dia nanana finoana matanjaka sy fampiononana milamina tao am-poko. Tena misaotra ny Tompo aho. Nieritreritra aho hatramin’izay fa nanana finoana marina aho. Ny fiainako ara-pivavahana dia tsy nisy afa-tsy ny finoana ny ran’i Jesosy, izay maty noho ny fahotantsika. Tsy nampoiziko anefa fa nodiovin’Andriamanitra ny fahotako rehetra.
Nihaona tamin’ireo pasitera nateraka indray aho avy eo ary nandre momba ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’Andriamanitra antsika, ary fantatro fa mbola mpanota aho. Niezaka nitady bebe kokoa momba ny filazantsara mahafinaritra aho ary koa ny dikan’ny hoe olo-marina. Fantatro fa nafindra tamin’i Jesosy ny fahotako rehetra rehefa natao batisa Izy. Izany no filazantsara mahafinaritra. Tsapako fa tsy ny fahotana tany am-boalohany ihany, fa ny fahotako isan’andro sy ny fahotako rehetra any amin’ny ho avy dia nafindra tany Aminy tamin’ny alalan’ny Batisany. Nahazo fahasambarana lehibe tamin’ny fahaterahana indray aho tamin’ny alalan’ny fihainoana sy ny finoana ity filazantsaran’ny fahamarinana ity.” 
Rosiana maro, anisan’izany ity profesora ity, no nandray ny Fanahy Masina tamin’ny fihainoana sy ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ankehitriny dia efa tafaorina ao ny fiangonan’ny Fanahy Masina, ary nihamaro ny olona nino ny filazantsara mahafinaritra noho ny asan’ny Fanahy Masina. Andriamanitra no nanao izany rehetra izany, ary noho izany dia misaotra manokana ny Fanahy Masina aho. 
Ny Fanahy Masina izay mitoetra ato anatiko no nahatonga ahy ho Kristiana nateraka indray, tahaka ireo rehetra mino ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy, ary ankehitriny dia mitory ny filazantsara mahafinaritra amin’izao tontolo izao aho. Navelany ho adika tsy tamin’ny teny anglisy fotsiny ny bokintsika momba ny filazantsara mahafinaritra, fa amin’ny fiteny maro hafa manerana izao tontolo izao koa. Izy no nanao antsika hitory ity filazantsara mahafinaritra ity manerana an’izao tontolo izao. Misaotra ny Fanahy Masina aho. Ianao koa dia afaka mahazo ny fonenan’ny Fanahy Masina. Maniry anao handray ny Fanahy Masina koa Andriamanitra. 
Betsaka ny olona miezaka handray ny Fanahy Masina amin’ny fiantsoana ny anarany sy ny vavaka feno fiantorahana amin’Andriamanitra. Na izany aza, ny fiezahana handray ny Fanahy Masina tsy misy ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy, izay nomen’i Jesosy antsika, dia fahadisoana. Ny filazana fa afaka mandray ny Fanahy Masina ny olona iray na dia tsy misy ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia fampianaran-diso. 
Moa ve ny mpianatr’i Jesosy nandray ny Fanahy Masina na dia tsy nino ny filazantsara mahafinaritra izay nomen’i Jesosy azy ireo? Tsia, tsy izany mihitsy. Tokony ho fantatrao fa ankehitriny ny Fanahy Masina dia mitoetra ao anatin’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy, ary ny rano velon’ny Fanahy Masina no miboiboika ao am-pony. Na dia amin’izao fotoana izao indrindra aza, dia miboiboika ao am-poko miaraka amin’ny filazantsara mahafinaritra ny rano velon’ny Fanahy Masina. Haleloia, misaotra ny Tompo aho. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA