
(Efesiana 2:14-22)
“Fa Izy no fihavanantsika, Izay naharay ny roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakamabanany antsika roa tonta ao amin’ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana taminareo izay lavitra ary fihavanana tamin’izay akaiky koa. Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray ho any amin’ny Ray. Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin’ny olona masina sady ankohonan’Andriamanitra, izay natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Jesosy Kristy no fehizoro indrindra, ao aminy no irafetan’ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin’ny Tompo, ary ao aminy no miaraka aorina koa hianareo ho fonenan’Andriamanitra amin’ny Fanahy.”
Ilay zaza natsangana noho ny fahantrana
Iza no nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra?
Ny fahotany no nanao izany.
Dimampolo taona no lasa hatramin’ny nifaranan’ny Ady Koreana. Saingy namela ratra goavana teo amin’ny vahoaka Koreana izany. Taorian’ny Ady Koreana dia ankizy kely maro no natsangana tany amin’ny firenena hafa. Na dia tonga teto Korea aza ny tafik’ny Firenena Mikambana ary nanampy betsaka anay tamin’izany fotoana izany, dia ankizy maro no lasa kamboty ray rehefa lasa ny miaramila.
Maro tamin’ireo miaramilan’ny Firenena Mikambana no nanana vady aman-janaka teto ary nandao ny fianakaviany rehefa niverina nody. Navelan’ireo reniny tany amin’ny trano fitaizana zaza kamboty indray ny maro tamin’ireo zaza ireo, ary avy eo nalefa tany amin’ny firenena hafa. Soa ihany fa afaka nahita ray aman-dreny nitaiza ary notezaina tsara ireo tanora ireo.
Takatr’ireo zanaka natsangana ireo fa tsy nitovy tamin’ny ray aman-dreniny sy ny mpiara-belona taminy izy ireo rehefa nihalehibe, ary fantany fa natsangana avy any amin’ny tany lavitra antsoina hoe Korea izy ireo. ‘Nahoana ny ray aman-dreniko no nandao ahy? Nandefa ahy ho aty amin’ity tany ity ve izy ireo satria nankahalain’izy ireo aho?’ Noho ny fisainana mahazaza azy ireo, dia tsy azon’ireo ankizy ireo ny zava-nitranga.
Ny fahalianan’izy ireo sy ny fankahalany an’ireo tena ray aman-dreniny dia nanomboka nitombo niaraka tamin’ny faniriana hihaona tamin’izy ireo. ‘Manontany tena aho hoe manao ahoana ny endrik’ireo ray aman-dreniko? Ahoana no nahafoizan’izy ireo ahy? Noho ny fankahalany ahy ve no nanaovany izany? Tsia, azo inoana fa nisy antony nahatonga izany.’ Mety ho nanana tsy fifankahazoan-kevitra be dia be izy ireo ary indraindray aza nahatsiaro fankahalana tafahoatra. Ary tamin’ny fotoana hafa dia nety ho tapa-kevitra ny tsy hieritreritra an’izany intsony izy ireo. Mbola tsy fantatr’izy ireo akory izany, dia nandeha ny fotoana ary efa lehibe ny ankizy. Nanambady amin’izay izy ireo, niteraka ary nanangana fianakaviana ho azy ireo.
Nanjary liana ny amin’ireo ankizy ireo aho tamin’ny alalan’ny fandaharana tao amin’ny tambajotran-televiziona iray tamin’izay toerana iray izay. Tao amin’io fandaharana io, ny mpanao gazety iray ao amin’ny televiziona dia nanadihady vehivavy iray natsangana monina any Alemaigna ankehitriny. Teo amin’ny faha-roapolo taonany io vehivavy io tamin’izany ary nianatra teolojia. Tamin’ny voalohany dia niezaka mafy ny tsy hihaona amin’ny mpanao gazety ilay vehivavy satria tsy tiany ho fantatry ny hafa fa natsangana izy. Nandresy lahatra azy ny mpanangom-baovao mba hahatakatra fa hanampy amin’ny fampitsaharana ny onjan’ny fananganan’anaka any amin’ny firenena hafa ny fanatrehana ny tafatafa. Ka dia nanaiky ilay vehivavy.
Anisan’ny fanontaniana iray nataon’ilay mpanao gazety ny hoe: “Inona no holazainao raha afaka mifankahita amin’ny tena ray aman-dreninao ianao? Inona no mahaliana anao indrindra?” Namaly ilay vehivavy hoe: “Tena tsy azoko mihitsy hoe nahoana no navelan’izy ireo ho hatsangan’olona aho. Te-hanontany azy ireo aho sao dia nankahala ahy izy ireo. Nahita ny tafatafa tamin’ilay vehivavy tamin’ny fahitalavitra ny reniny niteraka azy, nifandray tamin’ny fampielezam-peo, ary nilaza fa te hihaona amin’ny zanany vavy izy. Toy izany no nihaonan’izy mianaka.
Nandeha vao maraina be tany amin’ny seranam-piaramanidina ilay renim-pianakaviana ary niandry ny fahatongavan’ny zanany vavy. Rehefa nivoaka avy teo amin’ny fivoahana ilay tovovavy, dia nijanona teo ihany ny reniny ary nitomany.
Mbola tsy nifankahita nivantana mihitsy ireto olona roa ireto. Ny fotoana voalohany nahitan’ilay reniny ny zanany vavy lehibe dia tamin’ny nisehoany tamin’ny fahitalavitra. Na dia niteny tamin’ny fiteny samy hafa aza izy ireo, dia afaka nifampiresaka ny fony, ary tamin’ny alalan’ny fijery ara-pihetseham-po nifanakalozan’izy ireo. Nifampikasika tarehy izy ireo ka nangataka famelan-keloka tamin’ny zavatra nataony ilay renim-pianakaviana. Ny hany azony natao dia ny nitomany ary namerina fa nanenina mafy izy.
Nentin’ilay renim-pianakaviana nody ny zanany vavy ary niara-nisakafo izy ireo. Mazava ho azy fa tsy niteny afa-tsy teny alemàina ilay zanany vavy ary teny Koreana ihany ny reniny, ka tsy afaka nifampiresaka am-bava izy ireo. Saingy ny maha-reny sy ny zanaka vavy dia namela azy ireo hifankahazo tsara. Tamin’ny baiko moana no nifampiresahan’izy ireo, tamin’ny alalan’ny fihetsika, sy fifampikasihana tarehy ary niresaka tamin’ny firesahana amin’ny maso sy ny fo.
Rehefa niverina tany Alemaina izy, dia fantan’ilay zazavavy fa tia azy ny reniny niteraka azy. Ireo mpanao gazety izay nanao ny tafatafa teo aloha dia niresaka taminy indray talohan’ny nandehanany. “Tsy nila nanontany aho hoe nahoana ny reniko no namela ahy ho lasa zaza natsangana. Mahantra izao ny reniko. Ny mpanankarena eto amin’ity firenena ity dia manan-karena ka mitondra fiara raitra avy any ivelany, fa ny reniko kosa mbola miaina ao anatin’ny fahantrana”. Nanohy ny teniny izy hoe: “Na dia tsy nametraka izany fanontaniana izany tamin’ny reniko aza aho ary tsy nahazo valiny avy aminy, dia hitako fa nalefany aty aho mba hampandosirany ahy tamin’ny fahantrana. Izany no antony tsy nahatsapako intsony fa ilaina ny manontany azy izany fanontaniana izany, ary izany no antony nampiala ny ahiahiko sy ny fankahalako rehetra.
Lasa tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olona noho ny fahotana ao am-pony
Nahoana isika no lasa tafasaraka tamin’Andriamanitra, ary nahoana isika no tsy afaka manatona Azy? Ilay vehivavy izay natsangan’olona hafa dia nahalala fa mba hampandosirina azy tamin’ny fahantrana no nandefan’ny reniny azy. Toy izany koa ve ny amin’Andriamanitra? Nahary antsika araka ny endriny Andriamanitra. Inona no mety nampisaraka antsika Taminy? Ny valiny dia hoe naka fanahy ny olona hanota i Satana, ary nampisaraka azy tamin’Andriamanitra ny fahotana.
Tamin’ny voalohany, Andriamanitra dia namorona ny olona tahaka ny endriny ary tena tia ny zavaboariny. Natao ho an’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona ary nanana haja kokoa noho ny zavaboary hafa rehetra. Kanefa, ilay anjely niongana iray antsoina hoe Satana niasa mba hampanalavirina ny olona tamin’Andriamanitra. Nalain’i Satana fanahy ny olona mba tsy hino ny tenin’Andriamanitra, ka nasainy nihinana ny voankazon’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Izany no nahatafasaraka ny olona tamin’Andriamanitra noho ny fahotany. Tsy nankatò an’Andriamanitra ny olona. Tsy nihinana ny voan’ny hazon’aina ny olona, ilay manome fiainana mandrakizay izay navelan’Andriamanitra, fa nihinana kosa ny voankazo voarara izay nanome azy fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny vokany dia tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olona.
Ny tanjon’ny fitiavan’Andriamanitra teo aloha, fa tsy nankatò ny olona ary lasa tafasaraka Taminy noho ny fiavonavonana. Noho ny fahotana izay nitoetra tao am-pony, dia tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olona tamin’ny farany. Taorian’izany, dia tafasaraka tamin’Andriamanitra ela ny olona, ary nitaraina hoe: “Nahoana Andriamanitra no nahafoy antsika rehefa avy nanao antsika Izy? Nahoana no navelany hanota isika? Nahoana no alefany any amin’ny helo isika rehefa avy nihanalemy isika? Tsara kokoa raha tsy nanao antsika tamin’ny voalohany Izy.” Niaina tamin’ny fanontaniana maro isika, ary koa ny faniriana, ny ahiahy ary ny fankahalana talohan’ny nahaterahantsika indray.
Rehefa nahita an’ilay vehivavy natsangan’olona tamin’ny fandaharana tao amin’ny tele aho, dia tsapako fa ny fifandraisan’ny olona sy Andriamanitra dia mitovy amin’ny fifandraisany amin’ny tena reniny. Tsy misy fahoriana, tsy fifankahazoan-kevitra, ozona na fahotana na inona na inona afaka hampisaraka ny olona amin’Andriamanitra na inona na inona toe-javatra mitranga. Azoko tsara koa fa na dia mifototra amin’ny fitiavana aza ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona, dia mety hisy ihany ny tsy fifankahazoan-kevitra.
Tahaka ny tsy nandroahan’ny reniny ny zanany vavy noho ny fankahalana, dia toy izany koa no nanasarahan’Andriamanitra ny Tenany tamin’ny olona tsy noho ny fankahalana fa noho ny fahotana. Tsy misy antony hankahalan’Andriamanitra ny olona ary tsy misy antony hankahalan’ny olona an’Andriamanitra. Tena mpifankatia isika. Ny nahatonga ny olona ho tafasaraka tamin’Andriamanitra dia satria lasa mpanota izy rehefa roboka tamin’ny hafetsen’i Satana.
Noraisin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy isika
“Fa ankehitriny kosa ao amin’i Kristy Jesosy ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanatonin’ny ran’i Kristy. Fa Izy no fihavanantsika, Izay naharay antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin’ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy hotandremana.” (Efesiana 2:13-15). Nataon’i Jaona batisa ny Tompo ary nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao mba hanafoanana ny lalàn’ny didy. Avy eo dia nandatsaka ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana Izy mba hamonjena ny olona amin’ny fahotany sy hamelana azy horaisin’Andriamanitra. Efa nandray an’ireo izay voadio tamin’ny alalany Andriamanitra ankehitriny.
Efa nalainao sary an-tsaina ve hoe tsy misy rano eto amin’izao tontolo izao? Vao tsy ela akory izay, dia nanatrika fivoriana ara-baiboly tany Inchon City aho, iray amin’ireo seranana lehibe indrindra any Korea, tsy nandeha ny rano tamin’izany fotoana izany nandritra ny andro vitsivitsy, ary nieritreritra aho hoe: ‘Tsy afaka ho velona ny olona raha tsy misy rano.
Raha hataon’Andriamanitra tsy hisy rano mandritra ny iray volana ity izao tontolo izao ity, dia tsy ho azo atao ny miaina an-tanàn-dehibe noho ny fofona sy ny loto ary ny hetaheta miely patrana. Tokony ho takatsika ny hasarobidin’ny rano izay nomen’Andriamanitra antsika. Toy ny hoe tena ilain’ny olombelona ny rano, dia tena ilaina koa ny batisa noraisin’i Jesosy tamin’i Jaona tao amin’ny Reniranon’i Jordana.
Raha tsy tonga teto amin’izao tontolo izao Jesosy mba hataon’i Jaona batisa, ahoana no hahazoan’ny mpino an’i Jesosy ny famelan-keloka? Tahaka ny tsy ahafahan’ny olona miaina tsy misy rano, dia ho faty amin’ny fahotany ny olona rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity raha tsy nanao batisa an’i Jesosy i Jaona.
Kanefa, satria nanaisotra ny fahotantsika rehetra ny batisan’i Jesosy, dia afaka matoky isika ankehitriny amin’ny fahalalana fa efa voadio ny fontsika ary nahazo famonjena. Tena zava-dehibe amin’ny finoantsika ny batisan’i Jesosy. Ankoatra izany, ny Batisany dia tena ilaina tokoa mba handraisantsika ny Fanahy Masina hitoetra ao anaty.
Hoy i Petera, iray tamin’ireo mpianatr’i Jesosy: “Izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa tamin’ny alalan’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty” (1 Petera 3:21). Ny fanambaran’i Petera dia milaza fa Jesosy dia nataon’i Jaona Mpanao batisa batisa ary nandatsaka ny rany mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika. Ny batisan’i Jesosy, izay nanadio ny fahotan’izao tontolo izao, no tena filazantsara marina.
Andeha hojerentsika izao ny andinin-tsoratra masina momba ny tavy varahina voasoratra ao amin’ny Eksodosy 30:17-21. “Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; Ary apetraho eo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izany. Ary asio rano eo anatiny. Ary eo no hanasan’i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany. Raha miditra ao amin’ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia hanasa ny tongony aman-tanany izy, mba tsy hahafaty azy, ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny taranany izany hatramin’ny taranany fara mandimby.’”
Ary tao amin’ny tabernakely dia nisy tavy varahina teo anelanelan’ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, izay nasiana rano hisasana. Raha tsy tao amin’ny tabernakely io tavy io, dia ho maloto toy inona moa ireo mpisorona nanao fanatitra.
Ho toy ny ahoana ny habetsaky ny rà sy ny loto handoto ny mpisorona izay nanatitra fanatitra isan’andro be dia be ho an’ny vahoaka sy mametra-tanana amin’ny fanatitra noho ny ota ary avy eo namono azy? Raha tsy nisy ny tavy tao amin’ny tabernakely, dia ho naloto be ilay mpisorona.
Izany no antony nanomanan’Andriamanitra ny tavy ho azy ireo mba hahafahan’izy ireo hanatonana Azy amin’ny tanana madio. Namindra ny fahotany tamin’ny fametraha-tanana teo amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota ny mpanota, ary avy eo dia nataon’ny mpisorona sorona ho an’Andriamanitra ho azy ireo izany. Andriamanitra dia namboatra ny tavy varahina mba hahafahan’ny mpisorona niditra tao amin’ny fitoerana masina, ary hisasan’izy ireo tamin’ny rano, mba tsy hahafaty azy ireo. Na ny mpisorona aza dia tsy afaka niditra tao amin’ny toerana masina raha voaloto tamin’ny ran’ny biby. Izany no antony nanasan’ny mpisorona ny loto rehetra tamin’ny rano tao amin’ny tavy, mba hanatonana an’Andriamanitra, rehefa avy nanao fanatitra ho an’ny olona.
Ny batisan’i Jesosy no nanadio ny fahotan’izao tontolo izao rehetra
Tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy nataon’i Jaona tao amin’ny Reniranon’i Jordana, no namindrana ny fahotan’izao tontolo izao teo Aminy. Ary ny fandetehana Azy tanteraka tao anaty rano dia maneho ny fahafatesany ary ny fitsanganany avy tao anaty rano dia maneho ny fitsanganany tamin’ny maty. Raha lazaina amin’ny teny hafa, Jesosy dia nataon’i Jaona batisa mba hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, nandoa ny tambin’ny ota ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny fahafatesany no fanonerana ny fahotantsika ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia nanome antsika ny fiainana mandrakizay.
Raha tsy nino isika fa Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany dia ho feno fahotana ny fontsika. Amin’izany, ahoana no ahafahantsika manatona an’Andriamanitra? Ny filazantsaran’ny famelan-keloka dia tsy foto-pampianaran’ny antokom-pivavahana iray fa fahamarinan’Andriamanitra.
Tsy afaka mitarika ny finoantsika isika raha tsy misy fahalalana tonga lafatra, raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mandresy an’izao tontolo izao isika raha tsy tena mahalala fa nataon’i Jaona batisa i Jesosy. Tahaka ny ilan’ny zavamananaina rehetra ny rano mba hamelomana ny fiainany, dia mila ny famelan-keloka ny fahotana sy ny ranon’ny batisan’i Jesosy isika mba ho velona amin’ny finoana sy hidirana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Tsy maintsy natao batisa sy maty teo amin’ny Hazo fijaliana ary nitsangana tamin’ny maty Jesosy mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika. Izany no filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy, izay tsy maintsy inoantsika amin’ny fontsika manontolo.
Na dia nohomboana teo amin’ny Hazofijaliana aza i Jesosy dia toy ny tsy nanao na inona na inona ihany tamin’izany famaizana izany Izy. Tonga teto amin’izao tontolo izao Izy mba hanasa ny fahotantsika, natao batisa tamin’ny faha-30 taonany, ary tonga Mpamonjy antsika tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana teo amin’ny faha-33 taonany. Naniry hanangana ny olombelona ho zanany Andriamanitra na dia marefo sy mpanota toy inona aza isika. Izany no nahatonga an’i Jesosy natao batisa. Nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fotoana iray ny famelan-keloka sy ny fanomezana ny Fanahy Masina.
Milaza ny Baiboly fa raha tsy ateraka indray amin’ny rano sy ny Fanahy ny olona, dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra na hiditra ao (Jaona 3:3-5). Mila mahafantatra sy mino ianao fa Jesosy dia natao batisa mba hanadio ny fahotantsika rehetra. Na dia kristiana nateraka indray aza ny olona iray, raha tsy misaintsaina ny fahamarinana hoe Jesosy Kristy no nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany, dia ho voaloto tsy ho ela ny fony. Satria olombelona ara-nofo isika, dia mety ho voaloton’ny fahotana na dia eo amin’ny fiainana andavanandro aza. Izany no antony tsy maintsy hiainantsika mandrakariva amin’ny finoana, misaintsaina ny batisan’i Jesosy sy ny rany ary ny fitsanganany tamin’ny maty. Izany finoana izany no manohana antsika mandra-pahatongan’ny andro hidirantsika ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny natao batisa sy ny maty noho ny fahotantsika Jesosy, koa tsy maintsy mino isika fa tamin’ny fanaovana izany no nitondrany famonjena ho antsika. Tsy misy zavatra hafa tokony hataontsika afa-tsy ny finoana an’io filazantsara mahafinaritra io mba hanafahana antsika amin’ny fahotan’izao tontolo izao.
Misaotra ny Tompo isika, izay nanome antsika ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ny fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra antsika dia ny nanirahany ny Zanany lahitokana mba hamonjy antsika amin’ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny rany.
Ny antony tsy nahafahantsika nanatona an’Andriamanitra sy noterena hisaraka Aminy dia noho isika nanana fahotana tao am-pontsika. Jesosy dia nataon’i Jaona batisa mba hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba handrava ny efitra nampisaraka an’Andriamanitra sy ny olona. Naverina tamin’ny laoniny ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olombelona tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny rany. Misaotra Azy isika noho ireo fanomezana ireo. Lehibe ny fitiavan’ny ray aman-dreny ara-nofo amin’ny zanany, nefa tsy azo ampitahaina amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay namonjen’i Jesosy antsika mpanota.
Samy zava-dehibe ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Raha tsy nisy rano teto amin’izao tontolo izao, hisy zavamananaina ho velona ve? Raha tsy nisy ny batisan’i Jesosy, dia tsy nisy olona tsy nanana fahotana tao am-pony. Raha tsy natao batisa Jesosy ary raha tsy maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy, dia tsy hisy hahazo ny famelan-keloka. Soa ihany fa natao batisa i Jesosy ary nanao ny sorona farany ho antsika. Na dia tsy tanteraka sy lavo hatrany aza isika dia afaka mandray ny Fanahy Masina amin’ny finoana ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Ny olona mino ny batisan’i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana dia afaka manatona an’Andriamanitra, mivavaka ary midera Azy. Afaka midera an’i Jehovah sy mitsaoka Azy isika izao satria tonga zanany. Fahasoavana sy fitahian’Andriamanitra izany. Tena mahatalanjona tokoa ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Afaka mandray ny famonjena sy ny fitoeran’ny Fanahy Masina ao anatintsika isika rehetra amin’ny alalan’ny finoana an’io filazantsara mahafinaritra io.
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.