
(Efesiana 5:6-18)
“Aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo, fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana. Aza mety ho mpiombona aminy. Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava. Satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana, fa fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo. Ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Fa mahamenatra na dia ny milaza izay zavatra ataony ao amin’ny miafina aza. Fa ny zavatra rehetra rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava; Koa izany no ilazany: ‘Mifohaza ianareo, izay matory, mitsangàna amin’ny maty, dia hampazava anao Kristy.’ Koa tandremo tsara izay fitondran-tenanareo, mba tsy ho tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo. Ary aza mamon-divay ianareo, fa misy ny fanaranam-po amin’ny ratsy izany; fa aoka ho fenoina ny Fanahy”.
Inona no tokony hataontsika mba hitehirizana ny fiainantsika amin’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina?
Tsy maintsy mahafoy ny tenantsika isika, mitondra ny hazofijaliana, ary mandà ny fieritreretan-dratsintsika, ka manokan-tena mba hitory ny filazantsara.
Mba “hihazonana ny fiainana feno ny Fanahy Masina”, dia tsy maintsy manokan-tena amin’ny fitoriana ny filazantsara isika. Mba hananana fiainana feno ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mandray ny fitahiana izay mahatonga ny Fanahy Masina hitoetra ao am-pontsika aloha isika. Mba hahazoana ny fonenan’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy manana izany karazana finoana izany isika, izany hoe mino ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy izay nomen’Andriamanitra antsika. Amin’ny fananana izany finoana izany no hahazoantsika ny fitahiana izay mahatonga ny Fanahy Masina hitoetra ao anatintsika.
Maniry fiainana feno ny Fanahy Masina ve ireo izay manana ny Fanahy Masina ao anatiny? Mazava ho azy fa maniry izany izy ireo. Fa nahoana ny sasany amin’izy ireo no tsy afaka miaina izao fiainana izao? Ny antony dia satria ny olany manokana no mibahan-toerana noho ny asan’Andriamanitra, izany hoe tsy afaka miara-mandeha Aminy. Mba hihazonana fiainana feno ny Fanahy Masina dia tsy maintsy mianatra sy mino ny tenin’Andriamanitra isika. Andeha aloha isika hijery ao amin’ny Baiboly mba hahitana hoe manao ahoana ny fiainana sy ny finoana tsy maintsy ananantsika.
Inona no mahatonga ny olona sasany tsy afaka miaina fiainana feno ny Fanahy Masina?
Voalohany, azontsika lazaina fa noho izy ireo tsy afaka mahafoy tena. Milaza ny Baiboly fa izay mahafoy tena ihany no afaka miara-mandeha amin’ny Tompo. Koa satria tsy azo atao amin’ny alalan’ny herin’ny tena manokana ny fanatrarana ny fiainana feno ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy manana finoana ny fonenan’ny Fanahy Masina ny tsirairay mba hialany amin’ny tenany. Na dia ho an’ireo izay manana ny Fanahy Masina monina ao anatiny aza, dia sarotra ho azy ireo ny mamoy ny tenany tsy misy fiahiana ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany, mba hanana fiainana feno ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy manompo ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika. Amin’izay vao afaka mahafoy tena ny olona iray ka miaina amin’ny maha-mpanompon’ny fahamarinana.
Ao amin’ny Matio 16:24-26 dia milaza hoe: “Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no mahafoy ny ainy nohon’ny Amiko dia hahazo izany. Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?’”
Ny antony tsy ahafahan’ny olona efa nateraka indray sasany miaina amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia noho izy ireo tsy nandà ny filan’ny nofony. Na dia ny olona manana ny Fanahy Masina aza dia rehefa mahafoy ny filan’ny nofony izy vao afaka manaraka ny Fanahy. Misy lafiny maro amin’ny fiainan’ny nofo izay tsy maintsy ialantsika mba hanarahana ny Tompo. Hoy ny Tompo: “Aoka izy handà ny tenany ary hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.”
Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, fa ny fihevitry ny fanahy kosa dia fiainana sy fiadanana. Ny olona te handeha araka ny Fanahy dia tsy maintsy mandao ny fiainan’ny nofo. Ireo izay sahy manao izany sorona izany ihany no afaka mitahiry ny fiainana feno ny Fanahy Masina. Izany no fahamarinan’ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.
Iza no tianao harahina, ny Tompo sa izao tontolo izao? Arakaraka ny safidinao, na ho fiainana feno ny Fanahy Masina na ho fiainana feno filana no anao. Raha tena te hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina ianao dia anao ny safidy. Namonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra Andriamanitra ary nanome antsika ny fanomezana ny hitoeran’ny Fanahy Masina. Fa anjaranao ny manapa-kevitra na hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina ianao. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia tsy fanendrena mialoha na lahatra avy amin’Andriamanitra. Ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia miankina amin’ny sitrapon’ireo izay mino ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy.
Tsy maintsy manana faniriana ny hiaina amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina ianao
Raha manana faniriana ny hiaina amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina ianao,dia havelan’Andriamanitra izany. Hanampy sy hitahy anao Izy. Fa raha tsy tianao izany dia tsy maintsy mahafoy ny fiainana feno ny Fanahy Masina.
Amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ihany no ahafahanao mandray ny Fanahy Masina fa tsy amin’ny sitraponao. Fa ny miaina sy mitahiry fiainana feno ny Fanahy Masina dia miankina tanteraka amin’ny sitraponao.
Noho izany, raha te hanana fiainana feno ny Fanahy Masina ianao dia tsy maintsy mandinika ny sitraponao ary mangataka ny fanampian’Andriamanitra. Raha tena maniry fiainana feno ny Fanahy Masina isika, dia hitahy antsika Andriamanitra ary hanatanteraka ny faniriantsika. Mba hanatratrarana ny tanjontsika anefa dia tsy maintsy mandà ny filan’ny nofo isika.
Faharoa, mba hiainana amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy mitondra ny hazofijaliantsika isika. Tsy maintsy miaina sy mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra isika na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza. Izany no atao hoe fiainana marina feno ny Fanahy Masina.
Ary fahatelo, hoy ny Tompo: “Fa na iza na iza ta-hamonjy ny ainy no hahavery izany; Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny ainy? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?” Midika izany fa misy ifandraisany amin’ny fiainantsika ny fanarahana ny Tompo. Raha manaraka Azy tokoa isika dia hiroborobo ny fanahintsika sy ny nofontsika fa raha tsy manaraka Azy isika ka misafidy ny hiaina ny fiainantsika manokana dia ho levona ny fanahintsika sy ny nofontsika.
Nahoana isika no tsy afaka manana fiainana feno ny Fanahy Masina? Ny antony dia ny tsy fandàvantsika ny eritreritsika, dia ny filan’ny nofo. Rehefa manaraka an’i Jesosy isika, dia mampatanjaka ny tenantsika ao anaty ny Fanahy ary noho izany dia afaka mitarika antsika amin-kery lehibe kokoa Izy.
Ao amin’ny Efesiana 5:11-13 dia milaza hoe: “Ary aza miombona asa amin’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany. Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy, dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza. Fa ny zavatra rehetra dia asehon’ny mazava, fa izay rehetra aseho dia mazava.” Tsy tokony hanana firaisana amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa ny Kristianina. Fa rehefa manaram-po amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa anefa isika, dia milaza amintsika Andriamanitra mba hampiharihary izany. Tokony ho afa-baraka amin’ny asan’ny maizina isika, fa mahamenatra na dia ny milaza izay ataon’ireo ao amin’ny miafina aza. Fa ny zavatra rehetra aharihary dia asehon’ny mazava.
Iza no mahay mampiharihary sy miresaka momba ireo zavatra mahamenatra rehetra ireo? Raha tsy azon’ny hafa, na ny rahalahinao na ny anabavinao, na ny mpanompon’Andriamanitra, ny hanala sarona azy ireo, dia tsy maintsy asehonao samirery izany. Voalaza fa ny zavatra rehetra miharihary dia asehon’ny mazava. Noho izany dia tsy maintsy miaiky isika fa tsy mety ny asa ratsiny, ary hotarihin’ny Fanahy Masina hampiharihary ny asan’ny maizina tsy mahavokatra amin’ny alalan’ny tenantsika na amin’ny alalan’ny mpitarika antsika.
Eto amin’izao tontolo izao, ny zavatra rehetra aharihary dia mifarana tahaka ny ananarana azy; fa eo amin’izao tontolo izao kosa, ny zavatra aharihary rehetra dia asehon’ny mazava, fa izay rehetra aseho dia mazava. Koa satria lavitry ny fahalavorariana isika, dia manao fahotana maro tsy fantatra eto amin’izao tontolo izao. Kanefa, rehefa mampita ny fahazavan’ny tenin’Andriamanitra amin’ny tenantsika isika, dia tonga saina amin’ny fahotana sasany ka afaka miaiky izany. Ary noho izany dia tonga izahay hanome fisaorana tsy misy farany an’Andriamanitra.
Satria Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika sy ny helotsika rehetra, ary tanteraka ny fahamarinan’Andriamanitra rehetra tamin’ny alalan’ny nanaovana batisa Azy tao amin’ny ony Jordana, dia afaka naneho tamin’ny fahazavana noho ny fahamarinan’Andriamanitra isika. Nafindra tamin’i Jesosy ny fahotana an-tapitrisany maro nataon’ny olombelona rehefa nanao batisa Azy i Jaona. Izy no Zanak’ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao, maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hotsaraina ho azy ireo, ary nitsangana tamin’ny maty. Namela ny fahotan’ny olombelona rehetra Jesosy ary rehefa nilaza Izy hoe: “Vita” (Jaona 19:30), dia voavonjy ny olombelona rehetra. Lasa nohamasinina isika noho ny finoantsika izay zavatra nataon’i Jesosy Kristy. Koa satria voavela ny fahotantsika dia afaka miditra ao amin’ny mazava indray isika ary manaraka an’Andriamanitra amim-pahamarinana.
Nilaza tamintsika Andriamanitra mba hanararaotra ny fotoana
Nilaza i Paoly fa raha te hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina isika dia tsy maintsy manararaotra ny fotoana. Ao amin’ny Efesiana 5:16-17 dia milaza hoe: “Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Koa aza manao adaladala, fa fantaro izay sitrapon’ny Tompo.” Raha te hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina isika dia tsy maintsy manararaotra ny fotoana fa tsy manao adaladala. Tokony ho takatsika ny sitrapon’ny Tompo ka hanao izany. Tsy maintsy manapa-kevitra isika hoe iza no mendrika kokoa: ny fiainana mahatoky amin’ny nofontsika sa ny fanokanan-tena ho an’Andriamanitra.
Rehefa avy nateraka indray isika, dia mitoetra ao anatintsika ny Fanahy Masina. Raha mandray ny Fanahy Masina isika dia midika izany fa ny Tompontsika no Tompo ary Izy no Mpanjakantsika. Izy irery ihany no Mpamonjy antsika ary tsy maintsy manaiky Azy tanteraka ho Andriamanitsika isika. Izy ihany no Tompontsika. Izy no Mpampianatra nanao ahy, namela ny fahotako rehetra ary nitahy ahy. Ary Izy no Mpanjaka izay manjaka amin’ny fiainako sy ny fahafatesana, na fitahiana na ozona. Tsy maintsy manaiky isika fa ny Tompo no Tompo sy Andriamanitra, ka tokony hankatò Azy mandritra ny androm-piainantsika.
Andeha hojerentsika izay lazain’izy io ao amin’ny Filipiana 2:5-11. “Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa, izay na dia nanana ny endrik’’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nataony ho zavatra ny fitoviany amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo, sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Ary rehefa hita fa nanana tarehy olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo Hazo fijaliana. Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany, ary haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo, ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”
Hoy i Paoly: “Aoka ho ao aminareo izao saina izao”. Nilaza izy fa izany no fon’i Jesosy Kristy. Ny nolazain’i Paoly dia ny hoe “izao saina izao” dia an’i Jesosy, ilay Andriamanitra Mpahary ary tonga teto amin’izao tontolo izao mba hamonjy ny olony amin’ny fahotany araka ny sitrapon’ny Rainy. Tonga teto amin’izao tontolo izao ny Tompo ary nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany nataon’i Jaona. Ary rehefa maty teo amin’ny Hazo fijaliana Izy, dia nesorina niaraka taminy ny fahotan’izao tontolo izao. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo Izy avy eo ary tonga Mpamonjy antsika.
Ny antony nahatongavan’i Jesosy Kristy, ilay Mpahary, teto amin’izao tontolo izao, dia ny hamonjy antsika. Naneho ny fitiavany antsika tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana Izy. Ny zavaboary rehetra dia tsy maintsy mandohalika eo anatrehany sy mankasitraka ny fitiavany izay nanome antsika famelan-keloka tamin’ny nanetreny ny tenany ho zavaboary na dia Mpahary aza Izy. Izany no mahatonga ny zavaboary rehetra hiaiky fa Izy no tena Mpamonjy azy. Nataony hiaiky fa tsy Tompon’ny zavaboary rehetra ihany Izy fa Tompon’ny fahamarinana faratampony amintsika koa.
Isika izay mino an’Andriamanitra sy manana ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy mino fa ‘Andriamanitra no hany tena Mpitarika ahy’ ary manana ny fitiavan’i Jesosy Kristy ao am-pontsika. Tokony hanana finoana isika fa tsy ny tenantsika no tompontsika fa i Jesoa Kristy, Ilay nahary sy namonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Ary tsy maintsy manana finoana koa isika fa Izy no Tompo izay mahatonga antsika hanana fiainam-baovao feno fitahiana sy manomana ny zavatra rehetra ho antsika ary miasa ho antsika.
Betsaka ny olona tsy te hifanakalo tompo rehefa avy nateraka indray. Betsaka ny manana ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny nefa manizingizina fa izy no tompon’ny tenany. Ny fiainana feno ny Fanahy Masina dia fiainana fanarahana an’Andriamanitra. Tsy afaka azo ao anatin’ny iray andro izany karazana fiainana izany fa rehefa mino isika fa i Jesosy no Tompon’ny fiainantsika sy Ilay namorona antsika sy ny zavaboary hafa rehetra eo amin’izao rehetra izao vao azo atao izany. Mila manana finoana isika mba hanompoana an’i Jesosy Tompontsika sy Mpamorona antsika ary Andriamanitra, izay namonjy antsika tamin’ny fahotantsika sy nanome antsika ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra.
Mila mitondra ny fahamarinana ao an-tsaintsika isika. Olona maro no miaina ny fiainany ho tompon’ny tenany. Miaro sy mitazona ny fitondrany ny fiainany manokana izy ireo. Izao anefa no fotoana hanovana tompo. Lasa olona mahalala an’Andriamanitra isika ankehitriny, ka ny Tompo no Tompo tsara ho antsika.
Isika rehetra dia manana fahotana ao am-pontsika ary tokony hohelohina any amin’ny helo noho ny fahadisoantsika. Fa ny finoantsika ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy no nahitantsika an’Andriamanitra. Tena tia antsika Andriamanitra ka tonga teto amin’izao tontolo izao Izy, nanaisotra ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny nanaovan’i Jaona batisa Azy sy ny nahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana mba ho tena Mpamonjy antsika. Ary tamin’ny alalan’ny finoantsika an’Andriamanitra no nanafahana antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia nandray ny Fanahy Masina isika.
Hoy ny Baiboly: “Fa raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy.” (Romana 8:9). Rehefa nandray ny fanavotany isika, izany hoe ny Fanahy Masina, dia tonga zanak’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra amintsika ary tsy maintsy mandeha amin’ny fahamarinan’Andriamanitra eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina isika. Mba hiainana izany dia tsy maintsy mahafoy ny fifehezantsika ny tenantsika isika. Rehefa avy nihaona tamin’i Jesosy sy nafahany isika, dia tsy maintsy manao Azy ho Tompo tokana ho antsika.
Tsy maintsy manolotra ny seza fiandrianana ao am-pontsika ho an’i Jesosy isika
Tsy afaka manaraka ny Tompo isika raha mihevitra ny tenantsika ho tompon’ny fiainantsika. Rehefa mibaiko antsika hanompo Azy Andriamanitra dia hiteny tsy misy hatak’andro hoe “Eny” isika raha tsy tompon’ny tenantsika. Raha tsy izany, dia mety hiteny isika hoe “Nahoana aho no hanao izany ho anao?” Ny tompon’ny tenany dia handà tsy hanao izay tian’Andriamanitra hataony, ka hanao hoe: “Tokony hangataka soa amiko izy mba hanao izay sitrapony”. Ho an’ny olona toy izany, ny toromarik’Andriamanitra dia tsy inona fa teny mampalaina sy mahasosotra azy.
Kanefa, mba ho feno ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy mankatò ny didiny isika. Tsy afaka ny ho omby taritina hovonoina isika, fa tsy maintsy manolo-tena hanaraka an’Andriamanitra. Tsy maintsy manaraka an’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, izay mitarika antsika amin’ny lalana marina isika. Andriamanitra no Tompo, Izay nitahy antsika tamin’ny famonjena. Raha manompo Azy ho Tompontsika isika ary mitandrina ny fitsipiny, dia ho feno ny Fanahy Masina. Raha manolotra ny fanjakanao amin’i Jesosy ianao sy ny fianakavianao ary mametraka Azy ho ambonin’ny zavatra rehetra, dia hahazo fahasoavana sy fitahiana eo amin’ny fiainanao ianao.
Mety ho efa nahita sary toa an’ilay lehilahy iray nandeha sambo nanohitra tafio-drivotra mahery i Jesosy ary nitsangana teo ivohony. Raha toa ka mitana ireo fanamby eo amin’ny fiainantsika sy manao ny asan’ny Tompo isika, dia i Jesosy Kristy Tompontsika tokoa no mitarika antsika sy mihazona ny tanantsika. Andriamanitra Tsitoha no manara-maso ny fiainantsika. Namonjy antsika Izy. Miaro antsika amin’i Satana izy, mitarika antsika ary manjaka amin’ny fiainantsika.
Koa satria lasa Tompontsika Izy, dia afaka manara-maso sy mitahy antsika Izy. Fa raha tsy manaiky Azy ho Tompontsika isika, dia tsy afaka manatanteraka izany andraikitra izany Izy. Satria Izy no Andriamanitry ny maha-olona, dia tsy manery antsika hankatò ny sitrapony Izy. Na dia Andriamanitra Tsitoha aza Izy dia tsy manao na inona na inona ho antsika raha tsy manolo-tena hanompo Azy amin’ny maha Tompontsika sy mangataka fanampiana isika.
Apetraho Aminy avokoa ny zavatra rehetra
Apetraho Aminy avokoa ny zavatra rehetra mba hahatanteraka ny fanapahany antsika. Manompoa Azy ary ekeo fa Izy no Tompontsika. Koa satria lavitry ny fahatanterahana isika, dia tsy maintsy atolotrantsika Aminy ny zava-drehetra ary afindrantsika Aminy ny andraikitra rehetra. Rehefa atolotrantsika eo Aminy ny fianakaviantsika, ny fiainana andavanandro ary ny zavatra hafa rehetra, dia hahazo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra isika ary ho afaka hiaina araka izay tiany, ka hamaha ny olana rehetra amin’ny alalan’ ny finoana sy ny hery izay nomen’Andriamanitra antsika.
Ny zava-manahirana antsika dia lasa an’ny Tompontsika koa, izany hoe raha manaraka fotsiny an’i Jesosy ilay Andriamanitra Tsitoha isika, dia horaisiny andraikitra isika. Ho afaka hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina isika ary hankafy ny fiadanana izay mitoetra ao Aminy. Amin’ny maha-Kristianina mahatoky antsika, dia tsy maintsy mandohalika eo anatrehan’Andriamanitra isika, manaiky ary manompo Azy ho Tompontsika.
Andeha hojerentsika izay voalaza ao amin’ny Filipiana 3:3 momba ny karazana finoana tsy maintsy ananantsika mba hananantsika fiainana feno ny Fanahy Masina. “Isika no voafora, izay manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra ary mirehareha ao amin’i Kristy Jesosy ka tsy mitoky amin’ny nofo”. Ny dikan’ny hoe ‘famorana’ eto dia ireo manompo amin’ny Fanahin’Andriamanitra, no mifaly ao amin’i Kristy Jesosy, ary tsy mitoky amin’ny nofo.
Ny hoe miaina araka ny famorana dia midika hoe manapaka ny fahotana rehetra ao am-pontsika ary mampita izany amin’i Jesosy Kristy izay nataon’i Jaona batisa. Ireo izay tarihin’ny Fanahy dia manolotra ny ainy amin’ny Fanahy. Manompo an’Andriamanitra izy ireo ary mifaly ao amin’i Kristy Jesosy manao hoe: “Jesosy no nitondra ahy ho amin’izao fiainana be voninahitra izao. Izy no nanao ahy ho marina sy nitahy ahy. Nomeny ahy ny fahasoavana rehetra ilaiko hanompoana Azy.” Mila miaina toy izany isika. Izany no fiainana feno ny Fanahy Masina. Hoy i Paoly: “Koa amin’izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31).
Hoy ny Filipiana 3:13-14: “Ry rahalahy, tsy ataoko ho efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko, dia manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, dia miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy.” Nilaza tamintsika Andriamanitra mba hanadino ireo zavatra izay ao aorianantsika tany amin’ny lasa ary hanatratra ireo zavatra eo aloha. Tsy maintsy miezaka hanatratra ny marika isika. Na manao ahoana na manao ahoana ny asa marina na ny tsy mety ataontsika dia tsy maintsy manadino ireo zavatra ao aoriana isika ary miezaka manatratra ireo zavatra eo alohany ary miezaka hanatratra ny tanjonantsika. Izany tanjona izany dia ny hanompo ny sitrapony amin’ny fihazonana an’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny finoana Azy.
Lavitra ny fahalavorariana isika, ka mety ho lavo rehefa latsaka ao amin’ny fandriky ny nofo. Kanefa, raha miandrandra an’Andriamanitra sy manana finoana isika, dia afaka manala ny fahalementsika sy ny faharatsiana rehetra. Rehefa nataon’i Jaona batisa i Jesoa Kristy ka maty teo amin’ny Hazo fijaliana, dia nafindra teo Aminy ny fahotantsika rehetra. Rehefa tonga Mpamonjy antsika Izy tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty, dia nomena fiainana vaovao isika noho ny finoantsika Azy. Noho izany, tsy maintsy manary ireo zavatra rehetra ao aoriana isika, mandroso mankany amin’ireo zavatra eo aloha ary miroso mankany amin’ny tanjontsika.
Hihazona fiainana feno ny Fanahy Masina
Tsy maintsy mandroso hatrany amin’ireo zavatra eo aloha isika ary miroso mankany amin’ny tanjona ambony kokoa. Manantena aho fa afaka hanadino haingana araka izay azo atao ny zavatra taloha rehetra raha toa ka manavesatra anao izany. Betsaka ny zavatra tsy azo atao noho ny fahalementsika, saingy tsy mampanahy ireo satria ny zava-dehibe dia mifamatotra ao amin’ny ho avy. Satria manan-danja kokoa ny ho avy, dia tsy maintsy manolotra ny fanjakantsika amin’i Jesosy Kristy amin’ny alalan’ny finoana sy ny fitarihany isika. Tsy maintsy avelantsika Izy hanapa-kevitra ny amin’ny fomba hiainantsika amin’ny hoavy sy hanao izay ankasitrahany.
Tsy maintsy miaina tahaka ny nataon’ny mpianatra isika
Rehefa lasa matanjaka ny finoantsika ny famelan-keloka ny fahotana vao afaka miaina amin’ny fiainana feno ny Fanahy Masina isika. Tena zava-dehibe izany. Andeha hojerentsika ny 2 Timoty 2:1-10. “Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, dia atolory olona mahatoky izay hahay hampianatra ny sasany koa. Miaraha miaritra ny mafy miaraka amiko ianao, tahaka ny miaramila tsaran’i Jesosy Kristy. Ny miaramila manafika dia tsy mba maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha te hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra. Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina amin’ny zavatra rehetra anie ianao. Tsarovy Jesosy Kristy, izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsara toriako, izany no iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza; toy ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa ny famonjena dia ilay ao amin’i Kristy Jesosy mbamin’ny voninahitra mandrakizay.”
Araka ny nolazain’i Paoly tamin’i Timoty, no ambaran’ny Fanahy Masina amintsika: “Mahereza amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro, dia atolory amin’ny olona mahatoky, izay hahay hampianatra ny sasany koa.”
“Mahereza amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.” Ny hoe lasa mahery amin’ny fahasoavana eto dia midika fa tsy maintsy manamafy ny finoantsika ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy isika amin’ny alalan’ny finoana Azy sy ny fihazonana Azy. Tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy Kristy mba handray ny fahotantsika rehetra tamin’ny alalan’ny Batisany, maty teo amin’ny Hazo fijaliana, nitsangana tamin’ny maty ary tonga Mpamonjy antsika. Midika izany fa tokony hahery amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika ary hisaotra Azy. Namonjy antsika Andriamanitra ka noho izany dia tokony handray ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana ho fanomezana avy amin’Andriamanitra isika. Izany no famonjena ny famelan-keloka. Tsy misy ifandraisany amin’ny fanaovana vavaka isan’andro vao maraina na fanomezana vola hanaovana trano fiangonana. Ireo zavatra rehetra ireo dia mampidi-doza kokoa noho ny tsara amin’ny fahazoana famonjena.
Ny famonjena antsika tamin’ny alalan’ny famelan-keloka dia midika fa Jesosy Kristy, tsy nijery ny zavatra nataontsika, no natao batisa mba hitondra ny fahotantsika rehetra, ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hamafa ny fahadisoantsika rehetra. Nitsangana tamin’ny maty Izy mba hamonjena antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Ireo mpitandrina dia voavela heloka tamin’ny alalan’ny finoana ity filazantsaran’ny fahamarinana ity, toy ireo laika. Na iza na iza mino an’i Jesosy Kristy tahaka izany amin’ny fony rehetra dia mahazo famelan-keloka. Noho izany, dia afaka matoky ny fahasoavan’ny famonjena isika ary mampahery ny finoantsika.
Raha te hanana fiainana feno ny Fanahy Masina isika, dia tokony hahery amin’ny finoantsika ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Misy faritra eo amin’ny fiainantsika izay tsy azontsika refesina, ary manana ny anjarantsika amin’ny fahalementsika. Izany no mahatonga antsika hahery amin’ny fahasoavan’ny famonjena. Isaky ny miseho ny fahadisoantsika dia tsy maintsy misaintsaina ny finoantsika isika ka miteny amin’ny tenantsika hoe: “Andriamanitra no namonjy ahy tamin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Jesosy no namela ny fahotako rehetra tamin’ny alalan’ny rano sy ny Fanahy.” Lasa olo-marina isika tamin’ny alalan’ny finoana ity filazantsara ity ary mampahery ny tenantsika amin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy Masina ao anatintsika. Voavonjy tamin’ny fahotantsika rehetra isika ary nanjary natanjaka tamin’ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Lasa olona sambatra isika noho ny finoantsika.
Hoy i Paoly: “Na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.” (1 Korintiana 10:31). Tena zava-dehibe izany. Midika izany fa tsy maintsy manokan-tena ho an’Andriamanitra isika. “Na mihinana na misotro ianao.” Tokony hihinana sy hisotro ary hatanjaka ho an’Andriamanitra isika mba hahavitana ny asany. Tokony hihinana zava-tsoa ho an’ny fahasalamantsika isika mba hitoriana ny filazantsara.
“Ny miaramila manafika dia tsy misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay nanendry azy ho miaramila.” (2 Timoty 2:4). Tokony hanana fiainana feno ny Fanahy Masina ianao mba hitory ny filazantsara. Afaka miaina fiainana mahatoky isika rehefa mitondra ny fiainana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara. Izay rehetra miaina fiainana mahatoky tahaka izao dia feno ny Fanahy Masina. Tokony hiezaka hahazo fiainana feno ny Fanahy Masina isika rehetra. Na dia ny fanomezana izay azonao tamin’ny asa mafy nataonao aza dia tokony hampiasaina amin’ny filazantsara.
Raha te hihazona fiainana feno ny Fanahy Masina ianao dia tsy maintsy manolo-tena ho an’ny Tompo, manompo Azy, mampiasa ny volanao ho amin’ny filazantsara ary mizara ny fifalianao sy ny alahelonao rehetra amin’Andriamanitra. Raha te-hitondra izany karazana fiainana izany isika dia tsy maintsy miaina amin’ny finoana miaraka amin’ny finiavana mafy hanompo ny filazantsara.
Olona maro no efa nampiasa ny fiainany ho an’ny tenany fotsiny hatramin’izao. Nanangana manda izy ireo ary nanangona ny fananany ho an’ny tenany tamin’ny maha tompony azy. Tsy maintsy miaina ho an’Andriamanitra anefa isika izao. Tsy maintsy mandray an’Andriamanitra ho iray amintsika sy Tompontsika manokana isika. Hoy ny Tompo: “Ny miaramila manafika dia tsy misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay nanendry azy ho miaramila”. Ny fiainana ny iainan’ny miaramila tsara dia midika hoe manaraka ny fitsipika. Ny Tompo no mamaha ny olantsika ho antsika, miaro ary mitarika antsika raha miaina ho Azy isika amin’ny maha miaramilany mahatoky antsika. Milaza amintsika izy mba hikatsaka mialoha ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany (Matio 6:33).
Tsy misy diso ny tenin’Andriamanitra. Raha manaraka Azy isika dia hahatsapa ny fahamarinan’ny teniny. Tsarovy anefa, fa tsy maintsy manana ny Fanahy Masina ao am-ponao aloha ianao. Ny olona iray tsy manana ny Fanahy Masina dia tsy afaka manolotra ny fiandrianany ho an’Andriamanitra. Na izany aza, ny olona iray manana ny Fanahy Masina monina ao anatiny dia afaka manome ny seza fiandrianan’ny fony ho an’Andriamanitra ary amin’izany no hahatsapany ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ary hananany fahasambarana sy fiadanana ao am-pony.
Ho tanteraka aminao ny fipetrahan’ny Fanahy Masina raha toa ka takatrao sy inoanao fotsiny ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Raha te hanana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ianao ka te hiaina fiainana feno fitahiana, dia tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny maha-Mpanjakanao Azy ianao ary hiaina mba hahatsara ny fanjakany. Amin’izay, dia ho feno ny Fanahy Masina ianao ka hofeno ny fonao ary ho voatahiry ho feno fanambinana ny fiainanao rehefa mahazo fitahiana amin’ny maha-zanaka ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao.
Efa nampita ny hafatra aho fa ny olona izay nahazo famonjena tamin’ny fahotana sy ny fonenan’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny finoana ny Tompo dia tokony hanana fiainana feno ny Fanahy Masina. Nofaritako ny fiainana feno ny Fanahy Masina ary nanazava ny fomba hitazomana izany karazana fiainana izany aho. Nohazavaiko ihany koa fa amin’ny finoana dia tsy maintsy manolotra ny seza fiandriananao ho an’ny Tompo ianao ary amin’ny finoana dia tsy maintsy manompo Azy ianao ary mitahiry ny fiainana feno ny Fanahy Masina.
Indray mandeha indray, ho an’izay manana ny fonenan’ny Fanahy Masina, ny fahaterahana indray dia tsy mbola tapitra. Tokony mitohy mitarika ny fiainany ho feno ny Fanahy Masina izy. Tokony hahafantatra sy hino tokoa isika fa ny fanahintsika sy ny nofontsika dia tsy ho voatahy raha tsy miaina izany fiainana izany.
Tsy tongatonga ho azy izany karazana fiainana izany. Mitranga izany rehefa mino ny Tompo ho Tompontsika isika ary mametraka Azy eo amin’ny toerana ambony indrindra ao am-pontsika. Namonjy antsika Andriamanitra ary efa nanome antsika fiainana feno ny Fanahy Masina, fiainana manompo ny filazantsara. Nomeny antsika koa ny asany sy ny toerany mba hanaovana ny asany, mba hahafahantsika mitahiry ny fiainana feno ny Fanahy Masina.
Tokony hanokan-tena ho Azy ianao ary hiaina ny fiainanao ho Azy. Manompoa Azy amin’ny alalan’ny fitoriana ity filazantsara mahafinaritra ity. Dia ho feno ny Fanahy Masina ny fonao, ary hirotsaka avy aminao ny fahasambarana sy ny fahasoavana. Amin’ny andro hiverenany dia hotahina ianao, hijoro amim-pihasahiana eo anatrehan’Andriamanitra ary hahazo ny valisoany. Izaho sy ianao dia tokony hankafy ny fiainana feno ny Fanahy Masina. Tokony hiezaka hiaina izany karazana fiainana izany amin’ny alalan’ny finoana isika. Toy izany no itahirizana ny fiainana feno ny Fanahy Masina.
Efa nanala ny seza fiandrianana tao am-ponao ve ianao mba hiainanao ny fiainana feno ny Fanahy Masina? Manantena aho fa hamela Azy hihazona ny toerana ambony indrindra ao am-ponao ianao. Tsy maintsy manana finiavana hiaina fiainana feno ny Fanahy Masina ianao. Amin’izay no hitahiany anao mba hanananao fiainana feno ny Fanahy Masina.
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.