(Asan’ny Apostoly 2:38)
“Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.’”
Inona no fibebahana marina ilaina mba hahazoana ny Fanahy Masina?
Izany no fiverenana amin’ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy ary ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Milaza ny Baiboly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 fa nahakasika lalina ny olona ny toritenin’i Petera ary nahatonga azy ireo hibebaka noho ny fahotany. Nandrasa ny fony izy ireo ka nilaza tamin’i Petera sy ny Apostoly namany hoe: “Inona no hataonay?” (Asan’ny Apostoly 2:37) Dia namaly i Petera hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” (Asan’ny Apostoly 2:38).
Ny toritenin’i Petera dia mampiseho mazava amintsika fa ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy dia tena ilaina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina ary izany koa dia mampiseho amintsika ny atao hoe fibebahana marina. Tokony ho fantatsika fa afaka mandray ny Fanahy Masina miaraka amin’ny famelana ny fahotana isika amin’ny fijerena akaiky ny Soratra Masina sy ny finoana ny filazantsara mahafinaritra ny rano sy ny Fanahy.
Ny zavatra voalohany tokony hananantsika mba hahazoana ny fonenan’ny Fanahy Masina dia ny finoana ny fibebahana ara-Baiboly. Tokony hitandrina anefa isika mba tsy hamaritra io fibebahana io ho fanenenana. Ny fibebahana eto dia midika hoe finoana an’i Jesosy Kristy. Hitantsika ao amin’ny Baiboly fa efa nanenina ny olona noho ny nanomboana ny Tompo tamin’ny hazo fijaliana. Nanenina izy ireo nanontany an’i Petera izay tokony hataony ary niaiky ny fahotany na dia talohan’ny nilazan’i Petera azy ireo mba hibebaka aza. Hitantsika amin’izany fa ny fibebahana noresahin’i Petera dia tsy hoe manenina ny fahotana na miaiky izany, fa mandray an’i Jesosy Kristy ao am-pony ho Mpamonjy azy sy manana finoana ny filazantsara kanto nomeny antsika. Izany no tena toetran’ny fibebahana.
Ny fitiavan’i Jesosy Kristy no tonga teo amintsika talohan’ny nisian’ny nenina noho ny fahotana tao am-pontsika. Midika izany fa Jesosy no nanaisotra ny fahotantsika rehefa natao batisa tao amin’ny ony Jordana, maty teo amin’ny Hazo fijaliana, ary nitsangana tamin’ny maty. Tamin’izany fomba izany no nanadiovany antsika tamin’ny fahotantsika sy ny helotsika rehetra.
Ny fibebahana marina dia midika hoe mino izany fahamarinana izany. Heverinao ve fa ho foana mandrakizay ny fahotantsika, raha manenina ny fahotantsika sy mangataka famelan-keloka fotsiny isika? Tsy fibebahana marina izany. Ny fibebahana marina dia midika hoe mandray ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany. Milaza ny Baiboly fa tokony ho voavela ny helotsika amin’ny fibebahana. Toy izany koa, tsy maintsy mino ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany isika mba hahazoana ny famelana tanteraka ny fahotantsika.
Petera no nanao batisa “amin’ny anaran’i Jesosy Kristy” ireo izay nino an’i Jesosy. Natao batisa i Jesosy mba hitondra ny fahotan’ny olombelona rehetra. Ny batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana no fahavitan’ny filazantsara kanto izay ahafahan’ny mpino mandray ny Fanahy Masina (Matio 3:15-17). Ny olombelona dia afaka hamasinina amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Raha fintinina dia ireo izay nahazo ny famelan-keloka tamin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara dia nandray ny Fanahy Masina.
Afaka hitondra ny fonenan’ny ny Fanahy Masina ve ny vavaka?
Tsy afaka ny hahazo ny famelan-keloka sy ny fonenan’ny Fanahy Masina ny olona na dia mafy toy inona aza ny vavaka ataony mba hahazoana izany. Mba hahazoana ny fonenan’ny Fanahy Masina, dia ilaina ny mino ny filazantsara kanto vita tamin’ny alalan’ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Ny Fanahy Masin’Andriamanitra ihany no omena ireo izay voasasa tanteraka ny fahotany.
Ny finoana ny filazantsara dia midika hoe manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy marina. Hoy ny Asan’ny Apostoly 2:38 : “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” Nilaza ny apostoly Petera fa ny Fanahy Masina no mitoetra ao anatin’ireo izay voavela heloka tamin’ny fahotana amin’ny alalan’ny finoana amin’ny fibebahana marina. Mifamatotra ny famelan-keloka sy ny fandraisana ny fonenan’ny Fanahy Masina.
Hoy ny Baiboly: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana dia ny Fanahy Masina. Fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’i Jehovah Andriamanitsika.” (Asan’ny Apostoly 2:38-39).
Tsy afaka mandray ny Fanahy Masina ny olona iray raha tsy efa nohamasinina sy tsy nisy fahotana ny fony. Noho izany dia tokony hino ny filazantsara izay nomen’i Jesosy Kristy antsika isika. Tsy maintsy ho nohamasinina isika rehefa nahazo ny famelana ny fahotantsika amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahatalanjona izay milaza fa voasasa ny fahotan’izao tontolo izao rehefa natao batisa i Jesosy Kristy. Amin’izay vao afaka mandray ny Fanahy Masina isika. Sitrapon’Andriamanitra ny hitoeran’ny Fanahy Masina ao amin’ny olombelona. “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo.” (1 Tesaloniana 4:3).
Ny famelan-keloka marina dia tsy omena amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny olona, na amin’ny fahafoizan-tena, na amin’ny fahatsaran-toetra voajanahary, fa amin’ny alalan’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra ny amin’izay vitan’Andriamanitra, Trinite Masina, tamin’ny alalan’i Jaona Mpanao Batisa. Andriamanitra, Trinite Masina, dia manome ny Fanahy Masina hitoetra ao anatin’ireo izay voavela amin’ny finoana ny filazantsara mahafinaritra.
Vahoaka maro no voatsindrona ny fony rehefa nandre izay nolazain’i Petera tamin’ny Andro Pentekosta. Nihiaka izy ireo hoe: “Inona no hataonay?” (Asan’ny Apostoly 2:37) Midika izany fa niova hevitra izy ireo, ka nino an’i Jesosy ho Mpamonjy azy. Voavonjy tamin’ny fahotany koa izy ireo tamin’ny finoana ny fibebahana marina notorin’i Petera. Ny famelan-keloka dia nomena ny olombelona rehetra miankina amin’ny finoan’izy ireo ny filazantsara kanto momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Ny tanjon’ny batisan’i Jesosy dia ny hanomezana alalana Azy hitondra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny finoana izany no fepetra tena ilaina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Andriamanitra dia manome ny fitoeran’ny Fanahy Masina ho an’izay mino ny filazantsaran’ny fahamarinana miorina amin’ny batisan’i Jesosy. “Ary rehefa natao batisa Izy, dia niakatra avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay Jesosy; ary, indro, nisokatra taminy ny fialofana, ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.” (Matio 3:16). Ny fiavian’ny Fanahy Masina tamin’ny Andro Pentekosta dia manana fifandraisana manokana amin’ny finoan’ny apostoly ny filazantsara mahafinaritra: ny batisan’i Jesosy, ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ary ny fitsanganany tamin’ny maty.
Milaza ny Asan’ny Apostoly fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy ny olona ary nandray ny Fanahy Masina. Tokony hino isika fa fanomezana manokana avy amin’Andriamanitra ny fandraisana ny fonenan’ny Fanahy Masina. Mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina, dia mila diovina amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ny fahotantsika rehetra.
Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly, dia nanaraka ny toroheviny ireo rehetra nandre ny toritenin’i Petera, izay nilazany hoe: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity” (Asan’ny Apostoly 2:40) noho ny toroheviny dia natao batisa izy ireo. Ny zavatra ianarantsika avy ao amin’ny Baiboly dia ny hoe ny apostoly tamin’ny andron’ny fiangonana voalohany dia nandray ny Fanahy Masina noho ny finoany ny batisan’i Jesosy Kristy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. Izany no fepetra tena ilaina amin’ny fandraisana ny Fanahy Masina. Tena ilaina ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana raha mitady famelan-keloka.
Ny finoana izay mitarika antsika mba handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fibebahana marina
Andeha hojerentsika ny Asan’ny Apostoly 3:19. “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy ny andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.” Ahoana no tokony hamaritantsika ny fibebahana? Andeha hojerentsika indray izany.
Ao amin’ny Baiboly, ny fibebahana dia midika hoe fiverenana amin’ny finoana ny fanavotana. Tamin’izany andro izany, ny olona dia nanao izay tiany sy nivavaka tamin’ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Saingy rehefa nahafantatra izy ireo fa i Jesosy Kristy dia namonjy azy ireo tamin’ny fahotany tamin’ny alalan’ny rano sy ny rany, dia niova fo izy ireo. Fibebahana ara-baiboly izany. Ny fibebahana marina dia ny fiverenana amin’ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy.
Inona no tena fibebahana ilaina mba handraisana ny Fanahy Masina? Izany dia ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana. “Mba hiavian’ny andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo.” Raha manana izany finoana izany ny olona dia voavela ny helony ary mandray ny Fanahy Masina. Satria nohamasinin’i Jesosy ny mpanota rehetra teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’ny Batisany sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana, dia tsy maintsy mino an’io Filazantsara kanto io isika, mahazo fanavotana ary mandray ny Fanahy Masina.
Mba hinoana an’i Jesosy sy handraisana ny fonenan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy afindra amin’i Jesosy amin’ny alalan’ny finoana ny Batisany sy ny fahafatesany teo amin’ny Hazo fijaliana ny fahotan’ny olona iray. Tokony hino isika fa Jesosy nanaisotra ny fahotantsika rehetra ary maty teo amin’ny Hazo fijaliana mba hotsaraina noho ny fahotantsika. Izany no finoana marina sy fibebahana marina, izay ahafahantsika manana ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny.
Ao amin’izay nahazo ny famelana ny fahotany rehetra no hahatongavana ny Fanahy Masina. Nahoana Andriamanitra no manome ny Fanahy Masina ho fanomezana ho an’ireo izay manana fanavotana? Satria ny Fanahy Masina, izay masina, dia te-hitoetra ao anatin’izy ireo sy hamehy azy ireo ho zanany.
Ny Fanahy Masina dia Andriamanitra. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia Andriamanitra iray ihany. Olona telo izy ireo, nefa Andriamanitra iray ihany ho an’izay mino an’i Jesosy. Nanana drafitra hamonjy antsika tamin’ny fahotantsika ny Ray ka tonga teto amin’izao tontolo izao i Jesosy Zanaka, nataon’i Jaona batisa mba hanala ny fahotan’izao tontolo izao, maty teo amin’ny Hazo fijaliana, nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. ary nakarina ho any an-danitra. Ny Fanahy Masina no mitarika antsika hino ity filazantsara mahafinaritra ity amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazo fijaliana.
Andriamanitra no manisy tombo-kase ireo izay voavonjy tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny Tompo dia manome ny Fanahy Masina ho an’izay mino ny filazantsara izay milaza fa Jesosy no nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Omen’Andriamanitra azy ireo ny Fanahy Masina ho fanekena hamehy azy ireo ho zanany. Ny Fanahy Masina no porofo farany momba ny famonjena amin’ny fahotana ho an’izay mino ny filazantsara mahafinaritra.
Ireo izay manana ny Fanahy Masina no zanaky ny Tompo. Ireo izay manana ny fonenan’ny Fanahy Masina no mahatsapa famelombelomana hatrany. Manana finoana mafy orina ny tenin’Andriamanitra, ny batisan’i Jesosy ary ny ra teo amin’ny Hazo fijaliana izy ireo. Tena faly izy ireo. Ireo izay mibebaka araka ny tokony ho izy dia tsy manana fahotana ao am-pony ary manana ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny.
Milaza ny Baiboly fa misy ny fibebahana izay mitondra famelan-keloka. Efa nandalo fibebahana toy izany ve ianao? Raha mibebaka sy mandray ny finoana marina ianao dia afaka mandray ny filazantsara mahafinaritra koa. Manoro hevitra anao aho hibebaka amin’ny fahotanao ary handray ny Fanahy Masina. Vonona ve ianao hibebaka sy hino ny filazantsara mahafinaritra izay mitondra mankany amin’ny hitoeran’ny Fanahy Masina?
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.