• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 8: Ny Fanahy Masina

[8-15] Afaka mandray ny Fanahy Masina sy itoerany ianao rehefa mahalala ny marina (Jaona 8:31-36)

Afaka mandray ny Fanahy Masina sy itoerany ianao rehefa mahalala ny marina
(Jaona 8:31-36)
“Ary hoy Jesosy tamin’ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa. Dia ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.’ Dia hoy ireo taminy: ‘Tarak’i Abrahama izahay, ary tsy mba andevon’olona hatrizay hatrizay. Ahoana no ilazanao hoe: ‘Ho afaka ianareo’?’ Jesosy namaly azy ireo hoe: ‘Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Ary ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakizay, fa ny zanaka no mitoetra mandrakizay. Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo”.
 

Inona no tokony hataontsika mba handraisana ny fonenana ny Fanahy Masina?
Tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritry ny rano sy ny Fanahy isika ary miaina amin’ny finoana.

Fantatrao ve hoe inona no marina? Hoy i Jesosy: “Izaho no fahamarinana.” (Jaona 14:6). Ka ny fahafantarana an’i Jesosy no fahalalana ny marina. Moa ve ny Fanahy Masina mitoetra ao anatinao noho ny finoanao ny filazantsara mahafinaritra? Tokony ho fantatrao fa ny batisan’i Jesosy sy ny rany teo amin’ny Hazofijaliana no endriky ny filazantsara mahafinaritra ary mino izany.
Mampiasa ny teny hoe ‘nateraka indray’ ny olona ankehitriny. “Tokony hateraka indray ny olona. Tokony hateraka indray ny politika. Tokony hateraka indray ny fivavahana”. Ampiasain’izy ireo amin’ny teny mitovy hevitra amin’ny hoe ‘fanatsarana’ io fehezanteny io. Ny hoe ateraka indray dia midika hoe mandray ny fonenan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fihainoana sy ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy.
 


Inona avy ireo teny fahamarinana izay mamela antsika ho ateraka indray?


Nahoana no tokony hateraka indray ny olona? Tsy tanteraka ny olombelona ka tsy maintsy mandray ny fonenan’ny Fanahy Masina mba hateraka indray ho zanak’Andriamanitra. Afaka mahita olona maro izay mino an’i Jesosy isika nefa tsy manana ny fonenan’ny Fanahy Masina. I Nikodemosy dia mpanapaka ny Jiosy. I Nikodemosy, izay hita ao amin’ny Jaona toko faha-3, dia mpitarika ny Jodaisma izay niezaka nitandrina ny lalàna nomen’Andriamanitra. Na izany aza, dia niasa tamin’ny maha-mpitarika ny fivavahan’ny vahoaka izy, tsy nahalala momban’ny fitoeran’ny Fanahy Masina.
Mba hahazoana ny fonenan’ny Fanahy Masina, dia tsy maintsy mino ny filazantsara mahafinaritra momba ny rano sy ny Fanahy Masina isika ary miaina amin’ny finoana. Ny olona dia tsy afaka mandray ny fitoeran’ny Fanahy Masina raha tsy rehefa mino ny tenin’ny fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy Masina izy. Hoy Jesosy: “Raha ny zavatra etỳ an-tany no nolazaiko taminareo, ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?” (Jaona 3:12).
Ny filazantsara kanto momba ny rano sy ny Fanahy dia toy izao manaraka izao. Teraka teto amin’izao tontolo izao ny Tompontsika, nataon’i Jaona batisa tamin’ny faha-30 taonany, maty teo amin’ny Hazo fijaliana, telo taona taty aoriana, nitsangana tamin’ny maty ka nanafaka antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. Izy no tonga Mpamonjy ho an’ireo izay mino fa Jesosy dia nataon’i Jaona batisa ary nitsangana tamin’ny maty. Nomeny ny famelan-keloka sy ny hitoeran’ny Fanahy Masina ho an’ireo izay nino an’io filazantsara mahafinaritra io.
Ireo izay mbola manana fahotana ao am-pony dia tsy maintsy avela amin’ny alalan’ny finoana ny batisan’i Jesosy sy ny rany ny fahotany. Tsy afaka ny tsy hanao fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny olona ka tsy maintsy ho voavonjy amin’ny fanekena an’i Jesosy ho Mpamonjy azy. Nodiovin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy ny fahotan’izao tontolo izao rehetra. Ny mpanota rehetra dia afaka ny ho voavonjy amin’ny fihainoana sy ny finoana ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Ireo izay mino ity filazantsara mahafinaritra ity dia voatahy amin’ny fipetrahan’ny Fanahy Masina.
“Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona” (Jaona 3:14). Ao amin’ny Testamenta Taloha, na dia nanota aza ny vahoakan’Israely, nokaikerin’ny bibilava mirehitra tany an’efitra, ary maty tsy tra-drano, dia maro no afaka velona tamin’ny fijerena ilay bibilava varahina napetraka teo amin’ny faneva.
Toy izany koa, manana ny fonenan’ny Fanahy Masina isika. Jesosy dia manome ny Fanahy Masina hitoetra ao anatin’izay mino ny filazantsara mahafinaritra. Satana no manakantsakana antsika tsy hahafantatra ny filazantsara mahafinaritra an’ny rano sy ny Fanahy ary miezaka manakana antsika tsy hahazo ny Fanahin’ny fahamarinana. Kanefa, Andriamanitra dia nitahy antsika tamin’ny famelana ny fahotana sy ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny finoantsika ny filazantsaran’ny batisan’i Jesosy sy ny rany.
Afaka mahazo ny fitoeran’ny Fanahy Masina koa ianao raha mino an’io filazantsara mahafinaritra io. Moa ve ianao manaiky fa marina eo anatrehan’Andriamanitra io filazantsara mahafinaritra io? Mino ve ianao fa afaka mandray ny fonenan’ny Fanahy Masina amin’ny finoana ity filazantsara marina ity?
Nilaza tamintsika ny Tompo mba hamantatra ny fahamarinana izay namonjy antsika tamin’ny fahotantsika rehetra. “Ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo” (Jaona 8:32). Fantatrao ve ny fahamarinan’ny filazantsara mahafinaritra izay mamonjy antsika sy mitahy antsika amin’ny fitoeran’ny Fanahy Masina? Raha manaiky an’ity filazantsara ity ianao, dia azo antoka fa hahazo ny fitoeran’ny Fanahy Masina. 
 
This sermon is also available in ebook format. Click on the book cover below.
Ny Fanahy Masina Izay Mitoetra ato Anatiko - NY FOMBA MAHOMBY HO ANAO MBA HANDRAISANA NY FANAHY MASINA