• All e-books and audiobooks on The New Life Mission website are free
  • Explore multilingual sermons in global languages
  • Two new revised editions in English have been released
  • Check out our website translated into 27 languages
Search

Sermons

Lohahevitra 1: Ny Fahotana

[1-2] Ny Olombelona dia Teraka ho Mpanota (Marka 7:20-23)

2021.05.01 394
Ny Olombelona dia Teraka ho Mpanota (Marka 7:20-23)
 
(Marka 7:20-23)
“Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin`ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin`ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan`ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin`olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin`ny olona ka mahaloto azy.’”
 
 

Ny Olona Dia Sahiran-tsaina Ary Miaina Ao Anatin`ny Nofinofy foroniny


Iza no olona mety ho voavonjy indrindra?
Ilay mihevitra ny tenany ho mpanota lehibe indrindra eto amin`izao tontolo izao
 
 
Alohan`ny hanohy, te hametraka fanontaniana aminao aho. Ahoana ny fiheveranao ny tenanao? Heverinao ve fa tsara ihany ianao sa ratsy kokoa? Inona no hevitrao?
Ny olona rehetra dia miaina ao anatin`ny nofinofy foroniny. Mety tsy ratsy loatra araka ny fiheveranao ianao, ary tsy tsara loatra araka ny fiheveranao koa. 
Iza ary araka ny eritreritrao no hiaina fiainana ara-pinoana tsaratsara kokoa? Ireo izay mihevitra ny tenany ho tsara fanahy ve sa ireo izay mihevitra ny tenany ho ratsy fanahy?
Ny farany no izy. Noho izany, iza no mety ho voavonjy kokoa: Ireo nanao fahotana betsaka ve sa ireo nanao fahotana vitsy? Ireo nanao fahotana betsaka indrindra no mety ho voavonjy kokoa satria fantany fa mpanota izy. Afaka manaiky tsaratsara kokoa ny famonjena nomanin`i Jesosy ho azy ireo izy.
Rehefa tena dinihantsika marina ny tenantsika, dia ho hitantsika marina fa tena bongon`ota marina isika. Inona moa ny olombelona? Ny olombelona dia ‘taranaka mpanao ratsy.’ Ao amin`ny Isaia 59, dia milaza fa misy karazana faharatsiana maro ao am-pon`ny olona. Noho izany, ny olombelona dia bongon`ota. Na izany aza, raha faritantsika ny olombelona ho bongon`ota, dia maro no tsy hanaiky. Ny famaritana ny olona ho ‘taranaka mpanao ratsy’ no famaritana marina. Raha mijery am-pahatsorana ny tenantsika isika, dia ho tonga amin`ny famaranana fa ratsy isika. Ireo izay mahahonest amin`ny tenany dia tsy maintsy tonga amin`io famaranana io ihany.
Toa tsy maro ny olona miaiky fa tena bongon`ota tokoa izy. Maro no miaina am-pilaminana satria tsy mihevitra ny tenany ho mpanota. Satria mpanao ratsy isika, dia namorona fiaraha-monina feno fahotana isika. Raha maro ny olona mahalala ny fahotany, dia ho menatra loatra izy ireo ny hanota. Raha maro ny olona mahatsiaro ny maha-mpanota azy, dia ho menatra loatra izy ireo ka tsy hanota.
Kanefa dia mahafantatra izany tsara ny feon`ny fieritreretan`izy ireo. Ny tsirairay avy dia samy manana ny feon`ny fieritreretany izay milaza aminy hoe, “Mahamenatra ity.” Niafina tao ambadiky ny hazo I Adama sy Eva rehefa avy nanota izy ireo. Ankehitriny, maro ny mpanota miafina ao ambadiky ny kolontsaina ratsy ― ny kolontsaintsika feno fahotana. Miafina eo anivon`ny mpiara-manota aminy izy ireo mba hisorohana ny fitsaran`i Jehovah. 
Voafitaky ny nofinofy foroniny ny olona. Mihevitra ny tenany ho masina kokoa noho ny hafa izy ireo. Miantso am-pahatezerana izy ireo hoe, “Ahoana no ahafahan`ny olona manao zavatra toy izany? Ahoana no ahafahan`ny mpino manao izany? Ahoana no ahafahan`ny zanaka manao izany amin`ny ray aman-dreniny?” Izy ireo mihevitra ho azy fa tsy hanao zavatra toy izany.
Ry sakaiza malala, sarotra tokoa ny mahafantatra ny toetran`ny olombelona. Raha te ho voavonjy isika dia mila mahafantatra tena isika amin`ny tena maha-izy antsika. Dingana mandany fotoana be izany, ary betsaka loatra amintsika no tsy hahafantatra izany mihitsy mandra-pahafatiny.
 
 
Fantaro Ny Tenanao
 
Ahoana no iainan`ireo tsy mahafantatra ny tenany?
Miezaka miaina amin`ny fanafenana ny tenany izy ireo.
 
Indraindray isika mihaona amin`ny olona tena tsy mahafantatra ny tenany. Hoy i Socrates hoe, “Fantaro ny tenanao.” Na izany aza, ny ankamaroantsika dia tsy mahafantatra izay ao am-pontsika: halatra, vonoan-olona, fieremana, lolom-po, fitaka, maso ratsy, fahadalana, sns.
Manana ny poizin`ny bibilava ao am-pony izy nefa miresaka ny tsara. Izany dia satria tsy fantany fa teraka ho mpanota izy.
Maro loatra eto amin`izao tontolo izao no tsy mahay mijery ny tenany. Voafitaky ny tenany izy ireo ary miaina ny fiainany voasaron`ny fitaka nataony. Manipy ny tenany ihany any amin`ny helo izy ireo. Ho any amin`ny helo izy ireo noho ny famitahany manokana.
 
 
 

Ny Olona Dia Mandraraka Ny Fahotana Hatrany Mandritry Ny Androm-Piainany 


Nahoana izy ireo no handeha any amin`ny helo?
Satria tsy mahafantatra ny tenany izy ireo.
 
Ndao jerentsika ny Marka 7:21-23. “Fa avy ao anatin`ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan`ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin`olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin`ny olona ka mahaloto azy.” Ny fon`ny olona dia feno eritreritra ratsy hatramin`ny andro nahatongavany an-kibo.
Ndao isika hieritreritra fa ny fon`olona iray dia vita amin`ny vera ary feno avokoa ny ranon-javatra maloto, izany hoe, ny fahotantsika. Inona no hitranga raha mihetsiketsika mandroso sy miverina io olona io? Mazava ho azy fa hiraraka hatraiza hatraiza ny ranon-javatra maloto (fahotana). Rehefa mihetsika etsy sy eroa izy, dia hiraraka foana ny fahotana.
Isika izay tsy inona fa bongon`ota dia miaina tahaka izany koa. Mandraraka fahotana isika na aiza na aiza alehantsika. Hanota mandritry ny fiainantsika isika satria bongon`ota isika.
Ny olana dia tsy tsapantsika fa bongon`ota isika ary voan`ota isika. Bongon`ota isika ary manana ota ao am-pontsika. Izany no tena maha-izy marina ny olona.
Ity bongon`ota ity dia efa vonona hihoatra. Ny fahotan`ny olombelona dia ny tsy finoany fa mpanota izy ireo amin`ny fotony, ary mino izy ireo fa ny hafa no mitarika azy ho amin`ny fahotana, ka noho izany dia tsy izy ireo no tena diso.
Noho izany, na dia manota aza izy ireo, dia mihevitra fa raha manasa ny tenany ho madio indray dia ho lasa tsy misy ny fahotana. Mbola manandrana mamafa ny fahotany izy ireo isaky ny manota, milaza amin`ny tenany fa tsy tena fahadisoany izany. Moa ve isika tsy mandraraka indray na dia mamafa aza? Tokony hitohy hisasa hatrany izany isika raha izany. 
Rehefa feno ota ny vera, dia hanohy hihoatra hatrany izany. Tsy misy dikany ny fanadiovana ivelany. Na toy ny ahoana ny fanadiovantsika ny ety ivelany amin`ny fanaovana asa soa,dia tsy misy ilaina azy izany, raha mbola feno fahotana ny vera.
Teraka feno ota loatra isika ka tsy ho foana mihitsy ny fontsika, na dia mandraraka ota betsaka aza isika eny an-dalana. Noho izany, dia manohy manota mandritry ny fiainantsika isika.
Noho ny tsy fahafantarana fa bongon`ota fotsiny izy, dia manohy miezaka hanafina ny tenany ny olona. Ao am-pon`ny olona rehetra ny ota ary tsy miala izany amin`ny famafana ny ivelany ho madio fotsiny. Rehefa mandraraka kely ota isika, dia mamafa azy amin`ny lamba famaohana lovia, rehefa mandraraka ota indray isika, dia mamafa azy amin`ny lamba famaohana, amin`ny mopa, ary avy eo amin`ny tsihy. Manohy mihevitra isika fa raha mbola mamafa indray mandeha fotsiny dia ho madio indray. Na izany aza, dia mandraraka foana izany indray ary indray.
Hatramin`ny oviana araka ny eritreritrao no hitohy izany? Mitohy izany mandra-pahafatiny. Manao ota ny olona mandra-pahafatiny. Izany no antony tsy maintsy inoantsika an`i Jesosy mba ho voavonjy. Ary mba ho voavonjy, dia tsy maintsy mahafantatra ny tenantsika isika.
 
Iza no afaka mandray an`i Jesosy am-pankasitrahana?
Ireo mpanota izay manaiky fa nanao fahadisoana maro izy
 
Ndao isika hilaza fa misy lehilahy roa azo ampitahaina amin`ny vera roa feno ranon-javatra maloto. Samy feno ota ny vera roa. Ny iray vao nijery ny tenany dia nilaza hoe, “Oh, tena olona feno fahotana aho”. Avy eo izy dia manaiky ny tsy fahafahany ary mandeha mitady olona afaka manampy azy. 
Fa ny iray hafa kosa dia mihevitra fa tsy ratsy loatra izy. Tsy afaka mahita ny bongon`ota ao anatiny izy ary mihevitra fa tsy ratsy fanahy loatra izy tenany. Mandritra ny fiainany manontolo, dia manohy mamafa ny fahalotoana izy. Mamafa ny ilany iray izy, dia ny ilany iray hafa, mifindra haingana any amin`ny ilany hafa.
Maro loatra ny olona miaina amim-pitandremana mandritra ny fiainany manontolo mitahiry ota ao am-pony mba tsy handraraka izany. Inona anefa no ilaina raha mbola manana ota ao am-ponao ianao? Ny fitandremana dia tsy midika fa afaka mankany amin`ny fanjakan`ny lanitra izy ireo. Ny ‘Fitandremana’ dia mametraka anao eo amin`ny lalana mankany amin`ny helo.
Ry namana malala, ny ‘fitandremana’ dia mitarika any amin`ny helo fotsiny ihany. Rehefa mitandrina ny olona, mety tsy hiseho be ny fahotany. Fa mbola mpanota mihambo ho tsara ihany izy ireo.
Inona no ao am-pon`ny olombelona? Ota? fahalotoam-pitondrantena? Eny! Sain-dratsy? Eny! Misy halatra? Eny! Fiavonavonana? Eny!
Fantatsika fa bongon`ota isika rehefa mahita ny tenantsika manao ota sy ratsy fanahy nefa tsy nianatra hanao izany. Mety tsy dia hita miharihary loatra izany rehefa mbola tanora isika.
Fa ahoana kosa rehefa mihalehibe isika? Rehefa mandeha any amin`ny lycée, oniversite, sy ny sisa isika, dia tonga saina isika fa ota no ao anatintsika. Tsy marina ve izany? Amin`io fotoana io, dia tsy azo afenina intsony izany. Marina ve? Manohy mandraraka izany isika. Avy eo dia mibebaka isika. “Tsy tokony hanao izany aho.” Na izany aza, hitantsika fa tsy afaka miova marina isika. Nahoana no toy izany? Satria teraka ho bongon`ota ny tsirairay amintsika. 
Tsy lasa madio isika amin`ny alalan`ny fitandremana fotsiny. Ny tokony ho fantatsika dia hoe teraka ho bongon`ota isika mba hahazoana fanavotana tanteraka. Ny mpanota izay manaiky am-pankasitrahana ny fanavotana nomanin`i Jesosy ihany no azo vonjena.
Ireo izay mihevitra hoe “Tsy nanao ratsy be aho ary tsy nanota be loatra aho” dia tsy mino fa nesorin`i Jesosy ny fahotany rehetra ary tsy mino fa voatondro ho any amin`ny helo izy. Tsy maintsy fantatsika fa manana io bongon`ota io ao anatintsika isika. Teraka niaraka tamin`izany avokoa isika rehetra. 
“Tsy nanao fahadisoana lehibe aho, raha mba azo atao ny sorompanavotana ho an`ity fahotana kely ity” raha misy mihevitra toy izany, dia ho afaka amin`ny ota ve izy avy eo? Tsy mety hitranga mihitsy izany. 
Ny olona azo avotana dia mahafantatra fa bongon`ota izy. Izy dia tena mino fa nesorin`i Jesosy ny fahotany rehetra tamin`ny alalan`ny batisa tao amin`ny renirano Jordana ary namafa ny fahotany tamin`ny nahafatesany ho azy ireo.
Na voavonjy isika na tsia, dia miaina ao anatin`ny illusion daholo isika. Bongon`ota isika. Izany tokoa isika. Rehefa mino fa efa noesorin`I Jesosy avokoa ny fahotantsika rehetra dia ho afaka ny ho voavonjy isika.
 
 
Tsy navotan`i Jehovah ireo manana ‘fahotana kely’
 
Iza no mamitaka ny Tompo?
Ilay mangataka famelan-keloka noho ny fahotana isan`andro
 
Tsy navotan`i Jehovah ireo izay manana ‘fahotana kely’ fotsiny. Tsy mijery akory Jehovah ireo olona milaza hoe, “Jehovah ô, manana fahotana kely aho.” Ireo olona jeren`i Jehovah dia ireo milaza toy izao: “Jehovah ô, bongon`ota aho. Ho any amin`ny helo aho. Mba vonjeo aho.” Ny mpanota tanteraka dia milaza toy izao: “Jehovah ô, ho voavonjy aho raha Ianao no mamonjy ahy. Tsy afaka mivavaka fibebahana intsony aho satria hanota indray aho. Mba vonjeo aho.”
Jehovah dia mamonjy ireo miankina Aminy tanteraka. Niezaka nivavaka fibebahana isan`andro koa aho. Saingy ny vavaka fibebahana dia tsy manafaka antsika amin`ny ota mihitsy. “Jehovah ô, mba mamindrà fo amiko ary vonjeo aho amin`ny ota.” Ireo mivavaka toy izany no ho voavonjy. Mino ny fanavotana avy amin`i Jehovah izy ireo, ny Batisan`i Jesosy nataon`i Jaona Mpanao Batisa. Ho voavonjy izy ireo.
Jehovah dia mamonjy ireo izay mahafantatra ny tenany ho bongon`ota, taranaky ny ota. Ireo izay manao hoe, “Nanao ity fahotana kely ity fotsiny aho. Mba mamelà ahy noho izany,” dia mbola mpanota ihany ary tsy afaka mamonjy azy ireo Jehovah. Jehovah dia mamonjy ireo izay mahafantatra ny tenany ho bongon`ota tanteraka fotsiny ihany.
Ao amin`ny Isaia 59:1-2, dia voasoratra hoe, “Indro, ny tànan`i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin`Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.”
Satria teraka ho bongon`ota isika, dia tsy afaka mijery antsika am-pitiavana Jehovah. Tsy hoe fohy ny tànany, na lalodalovana ny sofiny ka tsy afaka mandre antsika mangataka ny famelany.
Jehovah milaza amintsika hoe, “Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin`Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.” Noho ny haben`ny ota ao am-pontsika, dia tsy afaka miditra any an-danitra isika na dia misokatra aza ny varavarana.
Raha isika, izay tsy inona fa bongon`ota, dia mangataka famelan-keloka isaky ny manota, dia tokony hamono ny Zanany tsy an-kiato i Jehovah. Tsy te hanao izany Jehovah. Noho izany, dia miteny toy izao Izy: “Aza manatona Ahy isan`andro miaraka amin`ny fahotanareo. Nalefako ny Zanako mba hamonjy anareo amin`ny fahotanareo rehetra. Ny tokony hataonareo dia ny mahatakatra ny fomba nanalan`i Jesosy ny fahotanareo ary mijery raha marina izany. Avy eo dia minoa fotsiny ity filazantsaran`ny fahamarinana ity ary aoka ho voavonjy ianareo. Izany no fitiavako fatratra ho anareo ry zavaboariko.”
Izany no lazain`i Jehovah amintsika. “Minoa ny Zanako ary aoka ho voavotra ianareo. Izaho, Jehovahareo, dia naniraka ny Zanako manokana mba hanao sorompanavotana ho an`ny fahotanareo sy ny fahadisoanareo rehetra. Minoa ny Zanako ary aoka ho voavonjy ianareo.”
Ireo izay tsy mahafantatra ny tenany ho bongon`ota dia mangataka ny famelany ho an`ny fahotany kely fotsiny. Manatona Azy izy ireo tsy mahafantatra ny habetsahan`ny fahotany mahatahotra sy ny lanjany, ary mivavaka hoe, “Mba mamelà ity fahotana kely ity. Tsy hanao izany intsony aho.”
Miezaka mamitaka Azy koa izy ireo. Tsy manota indray mandeha fotsiny isika, fa manao izany tsy an-kijanona mandra-pahafatintsika. Tsy maintsy hangataka famelan-keloka hatramin`ny andro farany amin`ny fiainantsika isika.
Ny famelana heloka iray kely dia tsy mahavoavaha na inona na inona satria manota isika isan`andro amin`ny fiainantsika mandra-pahafatintsika. Koa ny hany fomba ahafahantsika ho afaka amin`ny ota dia ny mamindra ny fahotantsika rehetra amin`i Jesosy.
 
Inona ny olombelona?
Bongon`ota
 
Ny Baiboly dia mirakitra ny fahotan`ny olombelona. Ao amin`ny Isaia 59:3-8, “Fa ny tananareo dia voaloto amin`ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin`ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana. Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana. Mikotrika ny atodin`ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin`ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao. Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany. Ny tongony miriotra ho amin`ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin`ny alehany. Ny lalan`ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin`ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.”
Ny rantsan-tanan`ny olona dia voaloto amin`ny heloka ary miasa ho an`ny ratsy mandritra ny fiainany. Ratsy ny zavatra rehetra ataon`izy ireo. Ary ny lelantsika dia ‘Ny molotrareo miteny lainga.’ Lainga ny zavatra rehetra mivoaka avy amin`ny vavantsika.
“Raha mandainga izy (ny devoly), dia ny azy no lazainy” (Jaona 8:44). Ireo izay tsy nateraka indray dia tia miteny hoe, “Milaza ny marina aminao aho. Tena milaza aminao aho. Marina izay lazaiko.” Na izany aza, lainga avokoa ny zavatra rehetra lazain`izy ireo. Izany dia araka ny voasoratra. “Raha mandainga izy (ny devoly), dia ny azy no lazainy.”
Mino teny poakaty ny olona ary milaza lainga. Ny olona dia miteraka ratsy sy mamoaka tsy fahamarinana. Mampanatody atody bibilava izy ireo ary manenona tranon-kala. Hoy Jehovah hoe, “Izay homana ny atodin`ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.” Lazainy fa misy atody bibilava ao am-pon`ny olona. Atody bibilava! Misy ratsy ao am-ponao. Minoa ny filazantsaran`ny rano sy ny rà mba hahazoana fanavotana.
Isaky ny hanomboka hiresaka momba an`i Jehovah aho, dia misy olona milaza hoe, “Oh, ry havana! Azafady, aza miresaka amiko momba an`i Jehovah. Isaky ny miezaka manao zavatra aho, dia miraraka avy amiko ny ota. Mivoaka fotsiny izany. Tsy afaka mandray dingana iray akory aho raha tsy miparitaka ny fahotana eny rehetra eny. Tsy vitako ny mifehy izany. Feno ota loatra aho. Ka aza miresaka mahakasika an`i Jehovah masina amiko mihintsy.”
Io olona io dia mahalala tokoa fa bongon`ota fotsiny izy, saingy tsy mahafantatra fotsiny ny filazantsara izay afaka mamonjy azy. Ireo izay mahafantatra ny tenany ho bongon`ota no azo vonjena.
Ny zava-misy, ny tsirairay avy dia tahak`izany avokoa. Ny olona rehetra dia mandraraka ota tsy an-kijanona na aiza na aiza alehany. Mihoatra be ny ota satria bongon`ota ny olona rehetra. Ny fomba hamonjena olona toy izany dia amin`ny alalan`ny herin`i Jehovah. Tsy mahagaga ve izany? Ireo izay mandraraka ota na malahelo izy, na faly, na afa-po aza dia tsy azo vonjena afa-tsy amin`ny alalan`i Jesosy Tompo. Tonga hamonjy ireo olona ireo i Jesosy. 
Efa nanao sorompanavotana tanteraka ho an`ny fahotanao Izy. Fantaro ny tenanao ho bongon`ota ary aoka ho voavonjy.
 
Ity toriteny ity dia misy amin`ny endrika buku elektronika ihany koa. Kitiho ny fonon-boky etsy ambany.
TENA EFA NATERAKA INDRAY TAMIN`NY RANO SY NY FANAHY MASINA VE IANAO? [Famoahana Vaovao Nohavaozina]