Malagasy 3
Kies uw gewenste bestandsformaat en download veilig naar uw mobiele apparaat, PC of tablet om de prekencollecties overal en altijd te lezen en te beluisteren. Alle e-books en audioboeken zijn volledig gratis.
Saingy, vitsy anefa ny olona manana fahalalana marim-pototra ny amin’ireo lohahevitra roa ireo, na dia tena lohahevitra manan-danja indrindra ao amin’ny Kristianina aza ireo. Inona no tena loza, afaka hitantsika eny rehetra eny ny asa soratra izay mampianatra antsika mazava momba ireo olana etsy ambony.
Misy maro amin’ireo mpanoratra Kristianina no manindrahindra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina na mamariparitra ny fiainana fenon’ny Fanahy. Saingy, tsy misy amin’izy ireo nahasahy hamaly ny fanontaniana fototra hoe, ‘Ahoana no tena ahafahan’ny mpino mandray ny Fanahy Masina?’ Nahoana? Ny tena marina dia tsy afaka nanoratra izany amin’ny an-tsipiriany izy ireo satria tsy ananan’izy ireo ny fahalalana marina momba izany
Toy ny nambaran’i mpaminany Hosea hoe, ‘Ringana ny oloko nohon’ny tsy fisian’ny Fahalalana’ ankehitriny, dia tsy vitsy ny Kristianina no rendriky ny fombafombam-pivavahana amin-kafanampo, manantena ny handray ny Fanahy Masina. Mino izy ireo fa handray ny Fanahy Masina amin’ny tsy fahatsiarovan-tsaina sy fahatsapana fihetsempo tsy hay fehezina. Saingy tsy fanankasarotana ny milaza hoe ny antsoin’izy ireo hoe finoana no mampietry ny Kristianina ho toy mpimasy fotsiny, izay azon’izy ireo tamin’ny satana.
Ny mpanoratra Pasitera Paul C. Jong no sahy nanambara ny marina. Asehony amin’ny an-tsipiriany ny lohahevitra manan-danja, izay efa niarian’ny ankamaron’ny mpanoratra aram-panahy lalana hatramin’ny ela. Nofaritany aloha ny dikan’ny hoe ‘fahaterahana indray’ sy ny ‘Fonenan’ny Fanahy Masina’, ary nohazavainy ny tena fifandraisana ifamatoran’ireo lohahevitra roa ireo. Dia nidirany lalina ny fitambaran’ny famaritana rehetra momban’ny Fanahy Masina, hatramin’ny hoe ‘ahoana no hanavahana ny fanahy’ ka hatramin’ny ‘ fomba hiainana ny fiainana feno ny Fanahy.’
Raha mbola mila torinteny hafa izay manazava ny tenin’ny Baiboly ianao, anisan’izany ny zavatra ato anatin’ity boky ity, dia tena mamporisika anao izahay mba hijery ny e-boky sy boky fihaino maimaimpoana ao amin’ny tranokalan’ny “The New Life Mission.”
Alhoewel de pandemie van Covid-19 voorbij is, zijn er nog steeds moeilijkheden met het verzenden of ontvangen van onze boeken per post, vanwege verschillende moeilijke internationale situaties. Wanneer de internationale situatie verbetert en de postbezorging normaliseert, zullen we de verzending van boeken hervatten.