Malagasy 5
Choose your preferred file format and safely download to your mobile device, PC, or tablet to read and listen to the sermon collections anytime, anywhere. All eBooks and AudioBooks are completely free.
Ireo teny ato amin’ity boky ity dia hameno ny hetahetan’ny fonao. Ireo kristianina ankehitriny dia mitohy miaina na dia tsy mahafantatra ny vahaolana ho an’ny fahotany ankehitriny izay atao izy ireo isan’andro. Moa ve mba fantatrao ny atao hoe fahamarinan’Andriamanitra? Manantena aho fa hanontany ny Tenanao an’ity fanontaniana ity ianao ary hino ny fahamarinan’Andriamanitra, izay voalaza ato amin’ity boky ity.
Ny fahamarinan’Andriamanitra dia miaraka amin’ny filazantsaran’ny rano sy ny Fanahy. Saingy, tahaka ny harena sarobidy, izay nafenina tsy ho hitan’ny mason’ireo mpanaraka fivavahana hatrin’ny ela. Vokatr’izany, maro ny olona no lasa miantehitra sy mirehareha amin’ny fahamarinany manokana raha tokony hino ny fahamarinan’Andriamanitra. Noho izany, ny fotom-pampianaran’ny kristianina izay tsy misy dikany no lasa mifehy ny finoana ao am-pon’ireo mpino, toy ny hoe ny fotom-pampianaran’izy ireo no fahamarinan’Andriamanitra.
Ny fotom-pampianarana momban’ny fanendrena mialoha, fahamarinana, ary ny fanamasinana tsikelikely no tena fototry ny fampianarana kristianina, izay mitondra fahasahiranan-tsaina sy fahambangana ao amin’ireo fanahin’ireo mpino maro. Kanefa ankehitriny, maro ny kristianina tokony manavao ny fahafantarany an’Andriamanitra, sy mianatra ny momban’ny fahamarinany ary manohy ny finoana azo antoka.
“Ny Tompontsika Ilay tonga Fahamarinan’Andriamanitra” dia hitondra fahatakarana lehibe ho an’ny fanahinao ary hitarika azy amin’ny fiadanana. Ny mpanoratra dia maniry anao mba hahazo ny fitahian’ny fahafantarana ny fahafantarana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ny fitahianan’Andriamanitra anie ho aminao!
Although the Covid-19 pandemic has ended, there are still difficulties in sending or receiving our printed books by mail due to various difficult international situations. When the international situation improves and mailing normalizes, we will resume mailing printed books.